POPULATION DE MADAGASCAR : DES MALAGASY…« OUBLIĖS » DES « 18 FOKO » !

🍇 ** Sakamalaho sy havozo - Produits et terroir **.

🥘 *Plongez dans l'univers des saveurs exotiques et des mets traditionnels qui éveilleront vos papilles : découvrez les secrets culinaires de cette destination gourmande.

« Découvrez nos articles récents et Archives »

« OFFRES »

Letisia


Misedra olana !

[Ny mpamokatra no tena mahatsiato matiantoka.]

Misedra olana ny tsenan’ny letisia ankehitriny. Fa inona no tena olana ? Mitaraina ireo mpamokatra. Ao ny mimenomenomenona fa matiantoka. Misy koa fanazavana hafa milaza fa tsy misy mpandray na mpividy ny vokatra rehefa tsy nandray anjara tamin’ity taona ity ny mpandrahara sasany mpanangom-bokatra teo aloha. Ny dikan’izany, rehefa tsy misy mpanangona ny letisia any am-potony, na lo fotsiny ny vokatra, na voatery amidy varoboba(na koa fatiantoka).

Kilao

Amin’izao fotoana izao dia manodidina ny 1500 ariary eo daholo ny kilaon’ny letisia amidy eny an-tsena. Misy aza moa te hahalafo dia mbola mampidina hatrany amin’ny 1000 ariary ny kilao amin’ilay miraraka na eo ho eo ihany ny kalitaony. Raha nanontaniana ny momba ny fihavian’ny fihavian’ny letisia amidy sy ny vidiny andraisany azy ny mpivarotra iray teny amin’ny tsena eto amin’ny manodidina an’Antananarivo renivohitra dia toy izao ny valinteniny: “ Eny amin’ny tsenan’Anosibe no angalanay ny letisia amidinay. Eo amin’ny 30 000 ariary ny iray garaba (panier) .”

Faly

Tsy lavina fa ny mpanjifa no tena faly amin’ny fahamoran’ny vidin’ny letisia toy izao. Zarany aza! Ny mpamokatra no tena mahatsiato matiantoka. Marihina fa letisia vokatra avy any amin’ny faritra atsinanana ireny amidy hita eny amin’ny tsena eto Antananarivo sy ny manodidina eto ireny. Raha tsiahivina dia efa tany amin’ny 15 novambra teo no nisokatra ny taom-piotazana sy ny tsena ho an’ny taom-pamokarana letisia 2025 ity. Ny letisia avy any amin’ny faritra hafa toy ny avy any atsimo atsinanana, ohatra, mbola tsy tazana. Vokatra mora simba sady mandala vetivety ny fisian’ny letisia isan-taona. Isika eto Madagasikara dia mpanondrana letisia any ivelany ka anisan’ireny ny any Eraopa sy Etazonia. Misy kalitao takiana anefa amin’ireny fanondranana ireny ary misy fotoana averina fotsiny ny vokatra letisia tonga amin’ny sambo avy aty amintsika satria tsy mahafeno fepetra.

Ami Ral

Publiée le 28 novembre 2025

Madagasikara


Mbola mihoatra ny “valoambinifolo foko” ny Malagasy !

[Ankehitriny, misy Malagasy tsy mahafantatra intsony ny “foko” misy azy, ary misy mponina na “foko” tsy tafiditra ao anatin’io “foko valoambinifolo” io.]

Fa firy marina ny tena isan’ny foko rehetra misy eto Madagasikara? Raha hadihadiana dia mbola mihoatra ny “valoambinifolo foko” ny Malagasy. Mbola maro ankehitriny ireo teratany malagasy tsy voaisa ary tsy tafiditra ao anatin’io “foko 18” io. Ny rakibolana malagasy dia mamaritra ny foko entina ilazana ny fiaviana nisehoana. Manambara koa izy fa ny foko dia fitambaran’olona iray fiaviana, na Vondron’olona iray firazanana, ary iray fomba amam-panao. Taloha dia anisan’ny fanontaniana napetraka hovalian’ny teratany malagasy sy hofenoina foana rehefa misy fanadihadiana atao amin’ny raharaham-panjakana ny momba ny fihaviany, na ny foko misy ny olona iray. Tsy ny olondehibe ihany no anaovana izany fa na hatramin’ny ankizy any an-tsekoly koa. Nandritra ny vanimpotoanan’ny fanjanahantany sy taorian’ny nahazoana ny fahaleovantena dia mbola nipetraka foana io fanontaniana natao hovaliana io. Taty aoriana tsy natao intsony izy io. Lasa toy ny manahirana ny miresaka na manontanay fihaviana na foko amin’ny olona iray, ary raisina ho toy ny manavakavaka aza. Fa inona moa no ilàna na tsia ny fahafantarana ny momba ny fihaviana na ny fokon’ny olona iray? Fomba anavahana ary anehoana ny maha-izy azy ny tsirairay ny foko.

Ofisialy

Voalazan’ny tarehimarika ôfisialy fa miisa valoambinifolo foko ny Malagasy. Ny Mpanjanatany frantsay anefa no nametraka sy nametra an’io isa io noho ny antony “pôlitikan’ny fizarazarana ara-poko”, na koa ny “zarazarao anjakana”. Pôlitika natao hampizarazarana ny Malagasy mba hahafahana mifehy azy no antony . Iza avy ireo foko na mponina malagasy voaisa ary tafiditra tao anatin’io foko 18 io : Merina, Betsileo, Sakalava, Betsimisaraka, Antakarana, Tsimihety, Antandroy, Bara, Antanosy, Antemoro, Mahafaly, Tanala, Bezanozano, Sihanaka, Antefasy, Antambahoaka, Vezo, Antesaka. Indraindray koa nampidirina ao anatin’ny “foko 18” ny Makoa. Ankehitriny, misy Malagasy tsy mahafantatra intsony ny “foko” misy azy ary misy mponina na “foko” tsy tafiditra ao anatin’io “foko valoambinifolo” io. Mbola misy maromaro izy ireo ary anisan’ireny ireto: Marofotsy, Tanosimboahangy, Mikea, ary ireo hafa mety mbola tsy voatonona.

Marofotsy

Ahoana ny amin'ny Marofotsy, mponina amin’iny faritra manodidina an'i Maevatanana sy Tsaratanàna iny? Moa ve izy ireo vondron’olona tsotra sa foko iray miavaka? Anisan'ny foko kely na zanaka foko ve izy ireo? Taloha, ny Marofotsy dia nampiarahina na natambatra tamin'ny Sakalava. Na izany aza, raha ny marina, ny Marofotsy dia vokatry ny fifangaroan'ny mponina avy amin'ny Sakalava, Merina, ary avy eo Sihanaka. Tsy mahakasika ny Marofotsy ihany anefa no ipetrahan’ny fanontaniana fa ho an’ny hafa koa.

Tanosimboahangy

Ahoana ny amin'ny Tanosimboahangy, mponina mipetraka ao amin'iny faritr'Andilamena iny? Moa ve izy ireo vondron’olona tsotra sa heverina ho foko iray miavaka? Raha tsia, moa ve izy ireo anisan'ny foko kely na zanaka foko? Ara-tantara, tany Andilamena no nisy ny kijànan’ombin’ireo mpanjaka merina nanomboka tamin'ny fanjakan-dRanavalona I. Talohan'izay, ny Tanosimboahangy dia nampiarahina na nampidirina tao amin'ny foko Sihanaka. Na izany aza, ny Tanosimboahangy dia vokatry ny fifangaroan'ny mponina Sihanaka sy Tsimihety, nampian'ny Sakalava sy Merina koa. Amin'izao fotoana izao, ireo mponina ireo dia mbola mihevitra ny tenany ho Tanosimboahangy ary mirehareha amin'izany.

Mikea

Momba ny Mikea indray, izay mponina mipetraka any amin'ny faritra atsimo andrefan'i Madagasikara, ary avaratr’i Toliara, heverina ho vondron’olona tsotra sa foko anankiray miavaka ve izy ireo? Anisan'ny foko kely sa zanaka foko ve izy ireo? Nampitoviana na navondrona niaraka tamin’ny foko inona ny Mikea: Sakalava? Masikoro? Ankoatra izany, tokony hotadidina fa ny Mikea dia manana tantara tranainy be izay mihoatra ny arivo taona araka ny loharanom-baovao sasany sy ny fikarohana tato aoriana faramparany.

Fehiny, karazany tsy mitombina noho izany ny filazana fa valoambinifolo ihany ny isan’ny foko misy eto Madagasikara raha miainga amin’ireo zava- misy nambara teo aloha rehetra ireo. Azo eritreretina ny hanampiana ny isan’ireo foko misy eto Madagasikara hatreto na ny famerenana ny fanisana indray. Nanana ny antony sy ny fomba namaritany sy nanisany izany ny fitondrana mpanjanatany frantsay teto Madagasikara tamin’ny fotoan’androny. Fa na ireo Karana aza, izay nonina ela teto Madagasikara ny sasany, dia efa misy mangataka koa mba hampidirina ho lasa foko faha-19!

Carte ethnique de Madagascar, édition 1958 par Deschamps
Carte ethnique 1908 Source: Deschamps
Foko Mikea
Foko Mikea Source: Sary Facebook

Ami Ral

Publiée le 28 novembre 2025

Description de l'image

Commentaires