Magazine en ligne — Numéro 034 · Vendredi 13 Mars 2026
🔴 Flash
Talata Volonondry: DES TOURISTES SÉDUITS PAR L’ART CULINAIRE DES « KOBA » ET SAUCISSES ! « Cœur de Forêt » à Madagascar : 10 ans pour la cause de l’environnement, des paysans et du « commerce équitable » ! Réserve d’Ankafobe : Un sanctuaire discret face aux défis de la conservation à Madagascar Fifanakalozana ara-barotra taona 2025 : Mitentina 700 tapitrisa dolara ny entana naondran’i Madagasikara nankany Etazonia

🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.

Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin'ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana

Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l'artisanat

Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts

📰 « Découvrez nos articles récents et Archives »
🏪 « Découvrez les Offres de nos Espaces »
USA-Madagascar

Fifanakalozana ara-barotra taona 2025 :
Mitentina 700 tapitrisa dolara ny entana naondran'i Madagasikara nankany Etazonia

Hisy ny fifanakalozana isan tarika miompana amin'ny fambolena, fizahantany, harena an-kibon'ny tany, asa tànana sy famokarana lamba.

I Etazonia no tsena lehibe indrindra mandray ireo entana aondran'i Madagasikara. Tamin'ny taona 2025 izao dia mitentina 700 tapitrisa dolara (3 000 000 tapitrisa Ariary) ny entana naondran'i Madagasikara nankany Etazonia, tamin'ny alalan'ny AGOA, mihoatra lavitra noho ireo entana aondrany mankany amin'ny firenen-kafa. Fantatra izany nandritra ny fihaonambe momba ny varotra sy ny fampiasam-bola eo amin'i Madagasikara sy Etazonia notontosaina ny herinandro lasa iny. I Etazonia dia manohana ny fifakalozana ara-barotra mifamaly, nohavaozina sy manaraka ny filan'ny tsena amin'izao fotoana ary koa mampiroborobo ny tontolom-pampiasam-bola mangarahara sy mari-toerana izay antoka ho amin'ny fisarihana fampiasam-bola avo lenta sady maharitra ho an'ny tombontsoan'ny toekarena amerikana sy malagasy.

Fifanakalozana

Ny hetsika MUSTIS (Madagascar–United States Trade and Investment Symposium) dia fiaraha-miasa eo amin'ny Masoivoho Amerikana sy ireo maintimolalin'ny Fandaharanasa fifanakalozana tohanan'ny Governemanta amerikana nahazo famatsiam-bola tamin'ny Alumni « Engagement Innovation Fund » (AEIF) an'ny Departemantam-panjakana amerikana ho fanohanana ny tetikasa tarihin'ireo maintimolaly ireo. Ny MUSTIS dia manasongadina ny fanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena eo amin'i Etazonia sy Madagasikara ary mikendry ny hametraka fiaraha-miasa mivaingana eo amin'ny orinasa amerikana sy malagasy misehatra amin'ny varotra sy ny fampiasam-bola amin'ny alalan'ny fampifandraisana azy ireo ho lasa mpiara-miombona antoka sy ny fiarahana midinika ireo fanamby iraisana.

Hisy ny fifanakalozana isan tarika miompana amin'ny fambolena, fizahantany, harena an-kibon'ny tany, asa tànana sy famokarana lamba. Aorian'ity fihaonambe ity dia mbola hihaona mandritra ny volana maro misesy mba hamadika ireo adihevitra ho asa mivaingana sy azo tsapain-tànana ireo mpandray anjara.

Tsiahivina fa ny Mpiandraiki-draharaha amerikana Stephanie Arnold no nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny MUSTIS, na ny fihaonambe momba ny varotra sy ny fampiasam-bola eo amin'ny Madagasikara sy Etazonia, izay mikendry ny hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin'ny firenena roa tonta.

📅 24 Avril 2026

Tsena

Olona maherin'ny 100 no nandray anjara tamin'izany nandritra ny roa andro, ka anisan'izany ireo tompon'andraikitra ambony avy amin'ny governemanta malagasy sy amerikana, ireo mpitantana avy amin'ny sehatra tsy miankina sy ireo maintimolalin'ireo fandaharana fifanakalozana tohanan'ny Departemantam-panjakana amerikana ary ireo orinasa malagasy mikasa hiditra amin'ny tsena amerikana.

« I Etazonia dia resy lahatra fa ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola avo lenta sy ahazoan'ny roa tonta tombotsoa dia mampitombo ny harinkarena sy mitondra mankany amin'ny filaminana sy ny fandrosoana », hoy ny Mpiandraiki-draharaha Arnold. « Mino izahay fa ny fiaraha-miasa mifandanja dia mampihena ny fiankinan-doha amin'ny fanampiana avy any ivelany sy manome lanja ny otrik'arena ananan'ny firenena tsirairay. Miorina ihany koa amin'ny fitondrana manana fandavan-tena hametraka tontolo ara-barotra ara-drariny sy mangarahara ary manohana ny fandraharahana ny fiaraha miasa mifandanja. Amin'ny alalan'ny fametrahana tontolo manohana izany, isika miaraka dia afaka mampitombo ny harena ho an'ny rehetra hahafahan'ny orinasa maro miroborobo kokoa sy hahafahan'ny olona maro mahazo tombontsoa kokoa amin'ny alalan'ny famoronana asa ho an'ny mpiasa malagasy sy amerikana. Manamafy ny toekaren'ny firenena roa tonta izany. »

USA Madagascar MUSTIS Stephanie Arnold
Ny Mpiandraiki-draharaha amerikana Stephanie Arnold no nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny MUSTIS

Ami Ral

Gastronomy & Travel Discovery
Produits du terroir & environnement
boutik coeur de foret
Production agricole & environnement

« Cœur de Forêt » à Madagascar : 10 ans pour la cause de l’environnement, des paysans et du « commerce équitable » !

[L’accent est mis sur la culture des plantes aromatiques et médicinales (PAM), qui offrent des débouchés prometteurs sur les marchés locaux et internationaux.]

Au cœur des Hautes Terres malgaches, une dynamique silencieuse mais profonde est en marche. Depuis une dizaine d’années, Cœur de Forêt

📅 24 Avril 2026 Lire la suite
Commerce & économie
12è édition du Salon Voatra
Commerce & économie

Fifanakalozana ara-barotra taona 2025 : Mitentina 700 tapitrisa dolara ny entana naondran’i Madagasikara nankany Etazonia

[Hisy ny fifanakalozana isan tarika miompana amin’ny fambolena, fizahantany, harena an-kibon’ny tany, asa tànana sy famokarana lamba.]

I Etazonia no tsena lehibe indrindra mandray ireo entana aondran'i Madagasikara. Tamin’ny taona 2025 izao dia mitentina 700 tapitrisa dolara (3 000 000 tapitrisa Ariary) ny entana naondran’i Madagasikara nankany Etazonia, tamin’ny alalan’ny AGOA, mihoatra lavitra noho ireo entana aondrany mankany amin’ny firenen-kafa.

📅 24 Avril 2026 Araho ny tohiny
Site touristique
📬 Newsletter

Pour toute information supplémentaire, n'hésitez pas à nous contacter, nous sommes à votre écoute !

📢

Fiche Technique & Devis

Contactez-nous →

ℹ️ Information

Siège Social :
Lot IVF 219 Abis Ambodihady Ambohimanarina
101-Antananarivo Madagascar

Contact téléphone :
+261 34 36 070 82
+261 34 72 608 16 / +261 33 24 331 00

✉ Mail contact :

Responsable de publication et Rédacteur en chef :
RAHERIMANDRATOSOA Vonison Jedidie

Voandalana, Ami du Voyageur – BD Magazine

✨ Promo Voyage Madagascar — Découvrez nos offres !

🏝️ Séjour — Réservez maintenant !

🍯 Produits artisanaux — 100% Made in Madagascar

📸 Votre publicité ici — Contactez-nous

🎶 Festival Culturel — Ne manquez pas l'événement !

⚽ Sponsoring Football — Votre marque en avant !

Publicité Voandalana

Commentaires