🚗✈️ Voandalana au Quotidien est le BLOG de Voandalana Ami du Voyageur 🧳🌺 - 🎄🌴 VACANCES DE NOËL & SAINT-SYLVESTRE 2025 À MADAGASCAR – INFORMATIONS & ASTUCES POUR UN SÉJOUR RÉUSSI ✈️☀️ !
🚗✈️ Voandalana au Quotidien est le BLOG de Voandalana Ami du Voyageur 🧳🌺
PAGE intéressant le quotidien !
Découvrez nos articles récents
OFFRES
LAGON DE MILLPU SY VINICUNCA AO PEROU
TENDROMBOHITRA MILOKO FITO IZAY TOERANA MANINTONA MPIZAHA-TANY MARO INDRINDRA !
Ao amin'ny faritra avo be any Circarmarca, any Pérou (Amerika atsimo), 3 500 metatra miala ny ranomasina, no misy ilay toerana mampitolagaga antsoina hoe Lagon de Millpu izay manintona mpizahatany be indrindra. Toerana feno hakanton'ny natiora izy ity, ka maro no miantso azy hoe "Les piscines turquoises de Millpu" na "Les piscines des Dieux". Dobo miisa 20 no mifanesy ao aminy, samy feno rano "manga-turquoise" mangarangarana, izay mamirapiratra tokoa rehefa tratran'ny hazavan'ny masoandro mivantana. Avy amin'ny fifanoheran'ny hazavan'ny masoandro sy ny mineraly entin'ny renirano no mahatonga io lokony miavaka io, ka manjary voarakotry ny lokon'ny lanitra ireo dobo.
Ankoatra izay ihany koa, dia tsy lavitra eo no ahitana ilay toerana fanta-daza manerantany hafa, dia i Vinicunca, antsoin'ny maro hoe "Tendrombohitra misy loko 7". Mipetraka any amin'ny faritr'i Cuzco, manana haavo 5 200 metatra, ity tendrombohitra ity ary iray amin'ireo toerana voajanahary miavaka indrindra eran-tany. Hita avy lavitra ny tsipika mifanety amin'ny lokony samihafa: mena, mavo, manga, maitso ary volontany.
Ny fifangaroan'ireto loko miavaka ireto dia avy amin'ny antsanga na (accumulation de sédiments) izay niangona nandritra ny an-tapitrisa taona. Ny mineraly samihafa no manome ny lokony:
Ireto avy ny mineraly manome ny lokon'ny tendrombohitra:
- • 🟡 Souffre → loko mavo
- • 🔴 Oxyde de fer → loko mena
- • 🟢 Sulfate de cuivre → loko maitso
Rehefa nifangaro an'arivo taony ireo akora ireo dia namorona toy ny landy miloko miparitaka manaraka ny vatan-tendrombohitra, vokatry ny fizotran'ny natiora izy io, ka tsy hita afa-tsy amin'ity faritra any Pérou ity ihany.
Na izany aza, tsy voatery ho mety amin'ny olona rehetra ny fiakarana sy fitsidihana an'i Vinicunca. Ilaina tokoa ny toe-batana matanjaka, satria rehefa miakatra avo dia mihena tampoka ny habetsahan'ny oksizena. Ny olona voan'ny aretin'ny havokavoka, aretim-po, na tsy zatra miakatra toerana avo dia mety hisedra olana na fahasemporana.
Maharitra 48 ora eo ho eo no fotoana lanin'ny mpandeha vao tafiakatra eny amin'ny 3 400 m, alohan'ny tena hahatongavana any amin'ny fara-tampony indrindra izay manana haavo 5 200 m.
Isan-taona, dia manintona mpizahatany be indrindra avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny fitsidihana ireo toerana any Pérou ireo.
FANEHOANA AN-TSARY IREO TOERANA (SARY INDRANA)