Voandalana au Quotidien est le BLOG de Voandalana Ami du Voyageur - Fiomanana amin’ny fahavaratra : Ireo tokony hatao ho fisorohana ny loza !
🚗✈️ Voandalana au Quotidien est le BLOG de Voandalana Ami du Voyageur 🧳🌺
PAGE intéressant le quotidien !
Découvrez nos articles récents
OFFRES
FAHAVARATRA SY ORAMBE TSY MITSAHATRA :
TOERANA MANODIDINA NY 15 EO NO TENA MAREFO SY TANDINDOMIN-DOZA HATAHORANA HO VOA MAFY SY HITRANGANA FIHOTSAHAN’NY TANY ETO ANDRENIVOHITRA.
Mitombo ny ny rotsak’orana eto Antananarivo, indrindra amin’izao fahavaratra izao. Mbola tsy mitsahatra ny orana ary mivangongo ny hamandoana, ka mampitombo ny mety hisian’ny fidonan-dranom-potaka, firodanan’ny vato, fianjeran’ny hazo ary fihotsahan’ny tany eny amin’ny faritra maro manerana ny renivohitra.
Araka ny tatitra, dia toerana manodidina ny 15 eo no voasokajy ho tena marefo sy tandindomin-doza amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ireo toerana avo sy tehezan-tendrombohitra manodidina an’Analamanga: Manjakamiadana, Ambohipotsy, Andafiavaratra, ary ireo faritra manodidina azy.
Araka ny fampahafantarana nataon’andriamatoa Eric Olivier Ralaivaonoro, lehiben’ny mpamonjy voina ao Tsaralalàna, fa tsy ireo toerana avo ireo irery ihany no atahorana. « Na ireo mifanila amin’ny reniranon’Ikopa, na ireo mifanakaiky amin’ny lakandrano sy lalana fitsonihan-drano aza dia tafiditra ao anatin’ny faritra tokony hitandremana mafy, » hoy izy.
FARITRA MAREFO
Ankoatra ireo toerana voalaza etsy ambony, dia isan’ny toerana efa tsikaritra ho tandindomin-doza ihany koa ny Lac Anosy miaraka amin’ireo hazo jacarandas efa antitra, izay mety hianjera tampoka nohon’ny fahanterany sy ny tany malemy. Voatonona koa ny Tsimialonjafy, Ambanin’Ampamarinana, Ankadilalana ambony, Andrefan’Ambohijanahary, Anosizato, Ampitatafika, Andavamamba, 67ha, Isotry ary Andravoahangy.
Ireo loza ireo dia tsy manohintohina ny trano fonenana ihany, fa andry sy fotodrafitrasa iankinan’ny fiainan’ny besinimaro, toy ny lalana sy toerana fandalovan’ny mpandeha an-tongotra.
MILA FITANDREMANA HATRANY
Fantatra fa rehefa fotoanan’ny fahavaratra dia maro ireo loza mitranga. Malemy ny tany, dibo-drano ny tanàna sy ny lalana, ary mibosesika ny tehezan-tany ka miteraka fikorianan’ny tany sy fianjeran’ny vatobe. Eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina dia miseho daholo ny soritr’aretina maro rehetra. Ny fahitana rindrina triatra eny amin’ny trano sy ny hazo miolaka, tamboho mihetsika, sns. Ireo rehetra ireo no tokony hanaitra avy hatrany ny mponina.
Na dia milaza aza ny Météo Madagascar fa hihena tsikelikely ny herin’ny oram-baratra ao anatin’ny telo andro ho avy, indrindra eto afovoan-tany sy ny faritra atsinanana, dia mbola tokony ho mailo hatrany. Efa nisy toerana maro tratry ny loza tato ho ato, ka isan’izany ny tao Soavina, izay nahafaty olona efatra taorian’ny rotsakorana mafy ny herinandro lasa teo.
Manentan hatrany antsika amin’ny fitandremana, ary tokony ho vonona lalandava hiatrika ny loza mety hiseho tampoka.
SARY INDRANA TETSY SY TEROA TETO ANDRENIVOHITRA
Source : Facebook
Source : Facebook
Source : Facebook
Source : Facebook
Source : Facebook
Source : Facebook