Mitombo ny ny rotsak’orana eto Antananarivo, indrindra amin’izao fahavaratra izao.
Mbola tsy mitsahatra ny orana ary mivangongo ny hamandoana, ka mampitombo ny mety
hisian’ny fidonan-dranom-potaka, firodanan’ny vato, fianjeran’ny hazo ary fihotsahan’ny
tany eny amin’ny faritra maro manerana ny renivohitra.
Araka ny tatitra, dia toerana manodidina ny 15 eo no voasokajy ho tena marefo sy
tandindomin-doza amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ireo toerana avo sy
tehezan-tendrombohitra manodidina an’Analamanga: Manjakamiadana, Ambohipotsy,
Andafiavaratra, ary ireo faritra manodidina azy.
Araka ny fampahafantarana nataon’andriamatoa Eric Olivier Ralaivaonoro, lehiben’ny mpamonjy
voina ao Tsaralalàna, fa tsy ireo toerana avo ireo irery ihany no atahorana.
« Na ireo mifanila amin’ny reniranon’Ikopa, na ireo mifanakaiky amin’ny lakandrano sy
lalana fitsonihan-drano aza dia tafiditra ao anatin’ny faritra tokony hitandremana
mafy, » hoy izy.
FARITRA MAREFO
Ankoatra ireo toerana voalaza etsy ambony, dia isan’ny toerana efa tsikaritra ho
tandindomin-doza ihany koa ny Lac Anosy miaraka amin’ireo hazo jacarandas efa
antitra, izay mety hianjera tampoka nohon’ny fahanterany sy ny tany malemy. Voatonona
koa ny Tsimialonjafy, Ambanin’Ampamarinana, Ankadilalana ambony,
Andrefan’Ambohijanahary, Anosizato, Ampitatafika, Andavamamba, 67ha, Isotry ary
Andravoahangy.
Ireo loza ireo dia tsy manohintohina ny trano fonenana ihany, fa andry sy
fotodrafitrasa iankinan’ny fiainan’ny besinimaro, toy ny lalana sy toerana
fandalovan’ny mpandeha an-tongotra.
MILA FITANDREMANA HATRANY
Fantatra fa rehefa fotoanan’ny fahavaratra dia maro ireo loza mitranga. Malemy ny
tany, dibo-drano ny tanàna sy ny lalana, ary mibosesika ny tehezan-tany ka miteraka
fikorianan’ny tany sy fianjeran’ny vatobe. Eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina
dia miseho daholo ny soritr’aretina maro rehetra. Ny fahitana rindrina triatra eny
amin’ny trano sy ny hazo miolaka, tamboho mihetsika, sns. Ireo rehetra ireo no tokony
hanaitra avy hatrany ny mponina.
Na dia milaza aza ny Météo Madagascar fa hihena tsikelikely ny herin’ny oram-baratra
ao anatin’ny telo andro ho avy, indrindra eto afovoan-tany sy ny faritra atsinanana, dia mbola
tokony ho mailo hatrany. Efa nisy toerana maro tratry ny loza tato ho ato, ka
isan’izany ny tao Soavina, izay nahafaty olona efatra taorian’ny rotsakorana mafy ny
herinandro lasa teo.
Manentan hatrany antsika amin’ny fitandremana, ary tokony ho vonona lalandava hiatrika
ny loza mety hiseho tampoka.
SARY INDRANA TETSY SY TEROA TETO ANDRENIVOHITRA
Sary: Tondra-drano Avenue Analakely
Source: Sary facebook
Sary: Fitateran'olona amin'ny sarety miampita rano
Source: Sary facebook
Sary: Dibo-drano tanteraka ny ankamaroan'ny tanàna eto andrenivohitra
Source: Sary facebook
Sary: Taxi-olona: Misy koa ny mikarama mibaby olona miampita rano
Source: Sary facebook
Votre navigateur ne peut pas lire cette vidéo.
Légende : Tondra-drano eny Andravoahangy sy besarety
Source : Facebook
Votre navigateur ne peut pas lire cette vidéo.
Légende : Rano eny Behoririka sy ny manodidina
Source : Facebook
Votre navigateur ne peut pas lire cette vidéo.
Légende : Zava-misy eny amin'ny Petite vitesse
Source : Facebook
Votre navigateur ne peut pas lire cette vidéo.
Légende : Trano nirodana teny Besarety
Source : Facebook
Votre navigateur ne peut pas lire cette vidéo.
Légende : Oram-be mikija sy rivo-mahery antananarivo renivohitra 10 desambra 2025
Source : Facebook
Votre navigateur ne peut pas lire cette vidéo.
Légende : Oram-be mikija teto Andrenivohitra
Source : Facebook