🚗 Compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l'artisanat
Numéro 031 — Mardi 3 Mars 2026
🔴 Flash
VOANDALANA AMI DU VOYAGEUR VEHICULE LA CULTURE, LES PRODUITS ET L'IMAGE DE MADAGASCAR !
🚗✈️ Voandalana au Quotidien · Nouveautés ✨
Magazine en ligne — Tourisme · Culture · Voyage · Artisanat · Actualités de Madagascar
📰 « Découvrez nos articles récents et Archives »
🏪 « Découvrez les Offres de nos Espaces »
Tsenaben'ny Asa sy ny Fiofanana :
Misy ny tanora tsy maintsy mitady vola aloha mba hamitany ny fianarany !
Marobe ireo tanora nitsidika ilay « Tsenaben'ny Asa sy ny Fiofanana », izay natao teny amin'ny Havoria-Anosy ny zoma sy ny sabotsy lasa teo. Iray amin'ireny ny tovovavy Irinah, izay nanaiky ny hiresahana sy hametrahana fanontaniana. Manana ny maripahaizana Master 1 ny tenany.
« Mbola hamita ny fianarako aho fa tsy maintsy mitady vola aloha », hoy izy raha naneho ny faniriany sy ny fikasany. Momba ny fitantanana (gestion) ny lalampiofanana narahiny ary mifandraika amin'izay koa ny asa tadiaviny.
Misy amin'ireo mpandray anjara sy manana tranoheva eto no mandefa teratany malagasy hiasa any ivelany. Ny tovovavy voalaza anarana eto dia manana faniriana ny ho any ivelany ihany koa, saingy « Mbola eto an-toerana aloha aho no mitady asa satria mila vola ny fandehanana any ivelany », hoy izy.
Marihina fa anisan'ireo nandray anjara tamin'ity hetsika ity ny Oniversite vahiny, ohatra ny Parul University avy any Inda. Misy ihany koa ny orinasa avy eto an-toerana, toy ny Habibo izany.