Magazine en ligne — Numéro 034 · Vendredi 13 Mars 2026
🔴 Flash
Talata Volonondry: DES TOURISTES SÉDUITS PAR L’ART CULINAIRE DES « KOBA » ET SAUCISSES ! « Cœur de Forêt » à Madagascar : 10 ans pour la cause de l’environnement, des paysans et du « commerce équitable » ! Réserve d’Ankafobe : Un sanctuaire discret face aux défis de la conservation à Madagascar Fifanakalozana ara-barotra taona 2025 : Mitentina 700 tapitrisa dolara ny entana naondran’i Madagasikara nankany Etazonia

🎨 4 Hairaha - Art et Business.

🎭 Explorez les trésors artistiques et artisanaux locaux,
reflets de la culture et de la créativité de cette terre aux multiples facettes.

📰 « Découvrez nos articles récents et Archives »
🏪 « Découvrez les Offres de nos Espaces »
boutik coeur de foret

« Boutik Cœur de Forêt » :
Tantsaha maro no efa nisitraka tombontsoa tao anatin'ny 10 taona

Mitondra fanatsarana ny fari-piainan'ny tantsaha ihany koa izy satria lasa fananan'ny Vondron'ny tantsaha ny tany ambolena.

Famokarana sy fampandrosoana mitsinjo ny lafiny rehetra. Ankoatry ny resaka famokarana sy fiarovana ny tontolo iainana dia tantsaha maro no efa nisitraka tombontsoa tao anatin'ny 10 taona niasan'ny Coeur de Forêt teto Madagasikara izay. Efa filamatra napetraka teo amin'ny Malagasy ilay antsoina hoe "Tokotelo mahamasa-nahandro". Miezaka mampihatra izany koa ny Boutik Coeur de Forêt satria mamokatra sady miaro ny tontolo iainana, ary manao "varotra ara-drariny".

Io no azo andravonana ny vontoatin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Tompon'andraikitra ara-barotra Ramparison Alain Thierry, eo anivon'ny « Les boutik cœur de forêt ». Mbola nantitranterin'io Tompon'andraikitra io nandritra izany aza fa « Boutik Coeur de forêt tsy varotra fotsiny fa misy soatoavina (valeurs) voizina ».

Sampan'asa

Sady orinasa no tetikasa ny Boutik Coeur de Forêt. Anisan'ny zavatra ataony amin'izany, ohatra, ny resaka fambolen-kazo (Reforestation). Mizara efatra ny sampan'asa ao anatiny : fambolen-kazo, fanentanana, fampiofanana tantsaha, ary ny ara-barotra.

Fampiofanana

Tsy mandeha irery ny Boutik Coeur de Forêt fa misy ireo "Vondrona tantsaha" ampiofaniny sy miara-miasa aminy. Misy efatra ny Vondrona tantsaha iarahany miasa. Ny Vondrona iray dia ahitana mpikambana miisa folo. Velarantany mirefy 2 Hekitara no ambolen'ny Vondrona tsirairay. Mifanindran-dalana amin'ny famokarana ny fampiofanana ireo Tantsaha, ary anisan'izany ireto :

  • Vokatra tsy mampiasa akora simika
  • Zezika voajanahary

Ny ampahany amin'ny vokatra azo dia "Bio". Manao Voly PAM (Plante Aromatique et Médicinale) izy. Ampahafantarina amin'izany ireo karazana menaka, toy ny « huiles essentielles », « huiles végétales » (jojoba). Misy ihany koa ireo vokatra hafa azo avy aminy : ohatra « baume », savony…

Lafiny ara-barotra

Ny vokatra azon'ny Coeur de forêt dia amidy, ary hanatsararana "pépinière". Misy ny Varotra anatiny. Manana botika na toeram-pivarotana izy eny Antsenakely-Antsirabe. Manana « Dépôt ventes » koa eto Antananarivo : Caravelle eny Ambatobe, Idealy eny Ankadifotsy, Teinturerie eny Ampasanimalo. Misy ihany koa ny varotra ivelany, amin'ny alalan'ny fanondranana ataon'ny « Fon'Ala ».

« Boutik Cœur de forêt » dia mivarotra vokatra efa voaodina sy voakarakara. Ny vokatra amidin'ny « Fon'Ala » dia menaka « huiles essentielles brutes », izany hoe mbola tsy mifangaro. Ireo tsena anondranana ny vokatra dia any Eoraopa (France, Allemagne), Chine…

📅 24 Avril 2026
Boutik Cœur de Forêt

Fiantraikany tsara

Ankoatr'ireo voalaza ery aloha, anisan'ny fiantraikany tsara entin'ny « Cœur de forêt » eto Madagasikara ihany koa ny fampihenana ny fampiasana ny hazo hatrany amin'ny 60 isan-jato, vokatry ny fanatsarana ny lafiny teknika amin'ny « alambic » ampiasainy (rehefa mamokatra « huiles essentielles »). Mitondra fanatsarana ny fari-piainan'ny tantsaha ihany koa izy satria lasa fananan'ny Vondron'ny tantsaha ny tany ambolena.

Etsy an-danin'izay, efa misy vokany tsara eny amin'ny ankizy mpianatra ihany koa ny fanentanana ataony, manomboka amin'ireo sekoly manodidina ao Vakinankaratra io ka hatrany amin'ny Oniversite.

Rafitra

Efa folo taona izao no nisian'ny « Cœur de forêt » teto Madagasikara, izay manana ny foibeny any Frantsa, ary ao Antsirabe no masoivohony. Ankoatry ny eto dia ahitana azy koa any Cameroun sy Indonezia. Ny « Boutik Cœur de Forêt » indray dia fito taona no efa nisokafany izao. Manomboka mikisaka any Mananjary ny sahan'asa sahaniny ka misy ny atao hoe "Projet AVOTRA".

Ny Lehiben'ny tetikasa dia teratany vahiny. Malagasy kosa no Tale (Directeur Pays). Lalàna malagasy no mifehy azy. Ny AFD no mpiara-miombona antoka sy mamatsy vola ny tetikasa ataony, izay ho tapitra amin'ny faramparan'ity taona ity. Marihina fa rehefa misy ny « Vitrine du Vakinankaratra » dia mandray anjara mampiranty amin'izany koa ny « Boutik Cœur de Forêt ».

Ami Ral

fihariana

Fivelomana :
Miroborobo ireo asa madinika sy fitadiavam-bola haingana

Midika izany fa vitsy ny asa ofisialy sy maharitra azon'ny olona idirana, indrindra ho an'ny tanora.

Tao anatin'ny fotoana fohy izay, dia hita mazava ny fiovan'ny tontolon'ny asa sy ny fivelomana eto Madagasikara. Mitombo isa ireo karazana asa vaovao sy asa antselika, izay mamaly ny filàn'ny olona amin'ny fitadiavam-bola haingana sy mora. Na dia eo aza ny fahasarotan'ny toe-karena sy ny tsy fahampian'ny asa ofisialy, dia miezaka mamorona lalana hafa ho an'ny tenany ny vahoaka, ka miteraka sehatra vaovao sy fivelomana isan-karazany.

Sehatra tsy ara-dalàna

Anisan'ny tena hita misongadina amin'izao fotoana izao ny firoboroboan'ireo asa amin'ny sehatra tsy ara-dalàna na « informel ». Ao anatin'izany ohatra ny fitaterana toy ny « taxi-bicyclette » sy ny « taxi-moto », izay lasa vahaolana haingana ho an'ny mpandeha, indrindra eny amin'ny faritra tsy misy fitateram-bahoaka.

Ireo asa ireo dia tsy mitaky fahaizana ambony loatra na diplaoma, ka mora idiran'ny tanora sy ireo olona tsy nahita asa. Vokatr'izany, dia mitombo hatrany ny isan'ny olona misafidy ity sehatra ity, na dia eo aza ny tsy fisian'ny fiantohana ara-tsosialy sy ny fiarovana amin'ny asa.

Fiofanana sy asa tanana

Ankoatry ny fitaterana, dia hita ihany koa ny firoboroboan'ny asa tanana sy ny fiofanana mifandraika amin'izany. Anisan'ny tena malaza tato ho ato ohatra ny fanamboarana savony « artisanale », na amin'ny endrika vaingany izany na ranony.

Maro ireo olona no liana amin'ity sehatra ity, satria mora atomboka, tsy mitaky vola be, ary ahafahana mahazo tombombarotra haingana. Nipoitra noho izany ny mpampiofana maro, izay manolotra fiofanana amin'ny alalan'ny tambazotra sosialy.

📅 24 Avril 2026

Hita eny amin'ny sehatra toy ny Facebook sy WhatsApp ny dokambarotra momba ireo fiofanana ireo, izay mampanantena fahaleovantena ara-bola sy fahombiazana haingana. Lasa tsena mihitsy ny fizarana fahalalana, ary indraindray dia lasa loharanom-bola lehibe ho an'ireo mpampiofana izany.

Araka ny fanadihadiana sy antontan'isa navoakan'ny « Trading Economics » ny volana aprily, dia mbola marefo ny tolotra arak'asa eto Madagasikara. Midika izany fa vitsy ny asa ofisialy sy maharitra azon'ny olona idirana, indrindra ho an'ny tanora.

Izany fahabangana izany no manosika ny olona hiroso amin'ny asa antselika, izay ahafahana mahazo vola haingana na dia tsy azo antoka aza ny ho aviny. Ny fiakaran'ny vidim-piainana sy ny fahasarotan'ny fiainana andavanandro dia manampy trotraka izany toe-javatra izany.

Voka-dratsy sy tombontsoa

Na dia manampy betsaka amin'ny fiveloman'ny olona aza ireo asa vaovao ireo, dia misy ihany koa ny fanamby aterany. Tsy voafehy ara-dalàna ny ankamaroan'ireo asa antselika, ka mety hiteraka olana amin'ny fiarovana ny mpiasa sy ny mpanjifa.

Etsy ankilany, manampy amin'ny fampihenana ny tsy fananana asa izy ireo, ary manome fahafahana ho an'ny olona maro hivelatra sy hianatra fahaiza-manao vaovao. Mampiseho ihany koa izany fa mahay mandrindra sy mamorona vahaolana ny Malagasy, na dia ao anatin'ny fahasahiranana aza.

Raha fintinina, dia maneho fiovàna lehibe eo amin'ny rafitra ara-toekarena eto Madagasikara ny firongatry ny asa antselika sy ny fivelomana vaovao. Na dia vokatry ny fahasarotan'ny toe-karena aza izany, dia lasa sehatra ahafahan'ny olona mivelona sy mivoatra.

Ny fanamby lehibe ankehitriny dia ny fomba hahafahana mandrindra sy manatsara ireo asa ireo, mba hahatonga azy ho maharitra sy mahasoa kokoa ho an'ny rehetra. Amin'izay dia tsy ho vahaolana vonjimaika fotsiny izy ireo, fa ho lasa fototra iray hananganana toekarena matanjaka sy mirindra.

Yves Rindra

Gastronomy & Travel Discovery
Produits du terroir & environnement
boutik coeur de foret
Production agricole & environnement

« Cœur de Forêt » à Madagascar : 10 ans pour la cause de l’environnement, des paysans et du « commerce équitable » !

[L’accent est mis sur la culture des plantes aromatiques et médicinales (PAM), qui offrent des débouchés prometteurs sur les marchés locaux et internationaux.]

Au cœur des Hautes Terres malgaches, une dynamique silencieuse mais profonde est en marche. Depuis une dizaine d’années, Cœur de Forêt

📅 24 Avril 2026 Lire la suite
Commerce & économie
12è édition du Salon Voatra
Commerce & économie

Fifanakalozana ara-barotra taona 2025 : Mitentina 700 tapitrisa dolara ny entana naondran’i Madagasikara nankany Etazonia

[Hisy ny fifanakalozana isan tarika miompana amin’ny fambolena, fizahantany, harena an-kibon’ny tany, asa tànana sy famokarana lamba.]

I Etazonia no tsena lehibe indrindra mandray ireo entana aondran'i Madagasikara. Tamin’ny taona 2025 izao dia mitentina 700 tapitrisa dolara (3 000 000 tapitrisa Ariary) ny entana naondran’i Madagasikara nankany Etazonia, tamin’ny alalan’ny AGOA, mihoatra lavitra noho ireo entana aondrany mankany amin’ny firenen-kafa.

📅 24 Avril 2026 Araho ny tohiny
Site touristique
📬 Newsletter

Pour toute information supplémentaire, n'hésitez pas à nous contacter, nous sommes à votre écoute !

📢

Fiche Technique & Devis

Contactez-nous →

ℹ️ Information

Siège Social :
Lot IVF 219 Abis Ambodihady Ambohimanarina
101-Antananarivo Madagascar

Contact téléphone :
+261 34 36 070 82
+261 34 72 608 16 / +261 33 24 331 00

✉ Mail contact :

Responsable de publication et Rédacteur en chef :
RAHERIMANDRATOSOA Vonison Jedidie

Voandalana, Ami du Voyageur – BD Magazine

✨ Promo Voyage Madagascar — Découvrez nos offres !

🏝️ Séjour — Réservez maintenant !

🍯 Produits artisanaux — 100% Made in Madagascar

📸 Votre publicité ici — Contactez-nous

🎶 Festival Culturel — Ne manquez pas l'événement !

⚽ Sponsoring Football — Votre marque en avant !

Publicité Voandalana

Commentaires