🚗✈️ Voandalana au Quotidien · Actualités & Faits-Divers 🌍
Magazine en ligne — Tourisme · Culture · Voyage · Artisanat · Actualités de Madagascar
🏆 Tsipy Kanetibe 2026 :
Antsirabe no handray ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara !
Hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2026 ho an’ny taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara karakarain’ny Fédération Sport Boule Malagasy (FSBM). Tanterahina any Antsirabe ny fifaninanana, manomboka ny zoma 17 ka hatramin’ny alahady 19 avrily ho avy izao.
Manana lanja lehibe ity fifaninanana ity satria tafiditra ao anatin’ny rafitra fanangonana isa ofisialy ary ho fanomanana mialoha ny fifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena, na ho an’ny sokajy “senior” lehilahy na ho an’ny zandriny.
3 tapitrisa Ariary ny loka ho azon'ny telo mpandresy voalohany, raha hahazo 1 tapitrisa Ariary kosa ny faharoa. Ho an’ny laharana fahatelo sy fahefatra dia samy hahazo 500 000 Ariary sy medaly. Ho an’ny sokajy vehivavy, zandriny ary “veterans”, dia mitentina 750 000 Ariary ny loka ho an’ny mpandresy, miaraka amin’ny amboara telo sy amboara ho an’ny klioba.
Krizin-tsolika :
Raikitra ny filaharana !
Vokatry ny krizin-tsolika misy ankehtriny, raikitra ny filaharana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Tsy ny toby fivarotan-tsolika rehetra anefa no ahitana filaharana fa izay mbola manana tahiry ihany. Anisan’ireo manatevina ny filaharana ry zareo mpitondra môtô. Manampy trotraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana ihqny koa ity filaharana ity. Marihina fa vao omaly no nanapaka ny fampiharana ny antsoina hoe hamehana ara-angovo ny Fitondrana.
Lundi de Pâques :
L’AVENUE DU BY PASS « PRISE D’ASSAUT ! »
L’avenue du By Pass s’est transformée en un vaste lieu de détente « pris d’assaut » par une foule nombreuse durant la fête de Lundi de Pâques dans la capitale. Familles, groupes d’amis et curieux s’y sont donné rendez-vous pour y faire leur pique-nique, d’autres profitant des animations sur place. Entre jeux pour enfants, manèges et ambiance de kermesse, chacun y trouvait son bonheur. Si le soleil ardent a parfois pesé, l’enthousiasme restait intact. Quelques petites « bagarres » ont été aperçues, sans nuire l’ambiance générale. En fin de journée, beaucoup ont regagné leur domicile à pied.
JIRAMA :
HISY NY FAHATAPAHANA RANO VONJIMAIKA ANIO ALAHADY NOHO NY ASA FANITARANA NY TOBY MANDROSEZA !
📣 Nampahafantatra ny Jirama fa hisy ny fampiatoana famatsian-drano vonjimaika amin'ny faritra sasany eto Andrenivohitra anio Alahady 22 marsa 2026, manomboka amin'ny 10 Ora ka hatramin'ny 4 Ora hariva. 🚰
🎯 Tsy maintsy natao izany fitsaharana izany mba hahafahana manatontosa amin'ny asa fanitarana ny toby ao Mandroseza.
📍 Ireto avy ireo toerana voakasiky ny fahatapahana : Ampefiloha, Andavamamba, 67Ha, Antohomadinika, Isotry, Isoraka, Anosibe, Anosizato, Ampitatafika, Itaosy, Andraharo, Ambohimanarina, Antanimena, Ankorondrano, Ambodimita, Ambohibao ary ny manodidina azy ireo.
✅ Rehefa vita ireo asa ireo, dia hiverina amin'ny laoniny avy hatrany ny famatsiana rano amin'ireo toerana voalaza ireo.
Loharanom-baovao : Jirama
TSENABEN'NY FIZAHANTANY :
ANDIANY FAHA-11 — 24 IREO MPANDRAHARAHA AMIN'NY FIZAHANTANY HANDRAY ANJARA AO AMIN'NY ZARIDAINAN'ANTANINARENINA !
📣 Tsenaben'ny Fizahantany andiany faha 11 ! Tolotra maro isan-karazany no efa karakarain'ireo matihanina amin'ny fivahinianana sy ireo ofisim-paritry ny fizahantany. 🤩
🎯 24 ireo mpandray anjara amin'izany eto Madagasikara.
📍 Mamaimpoana ny fidirana ho an'ireo mpitsidika ny 12, 13 ary 14 Martsa 2026 ao amin'ny zaridainan'Antaninarenina.
Loharanom-baovao : FHORM
<
🌺 FANKALAZANA NY 8 MARSA :
Asongadina eto Antananarivo ny fahaiza-manao sy ny haren-kolontsain'ny vehivavy avy amin'ny faritra 24 !
"Vehivavy malagasy, hery ho an'ny fanavaozana ny Firenena" — Izany no lohahevitra ankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Vehivavy amin'ity taona ity.
Ho fanehoana izany "hery" izany dia misy fampirantiana atao eny Mahamasina, izay manasongadina ny fahaiza-manao sy ny haren-kolontsain'ny vehivavy avy amin'ny faritra 24 eto Madagasikara. Aseho ao anatin'izany ny vokatra asa-tanana, zavakanto ary karazan-javatra maro samihafa novokarin'ny vehivavy.
Nampiavaka ny hetsika ihany koa ny vavolombelona nentin'i Lantoniaina Rasoarimanana, vehivavy tsy mahita maso. Nambarany fa mahay sy afaka manao asa isan-karazany ary mitana andraikitra tahaka ny lehilahy ihany koa ny vehivavy, anisan'izany ireo miaina miaraka amin'ny fahasembanana.
Hitohy anio zoma sy sabotsy ny fankalazana amin'ny alalan'ny hetsika fialamboly, fanatanjahantena ary kolontsaina, ary hofaranana amin'ny diabe lehibe hatao eny Anosy amin'ny alahady.