Magazine en ligne — Numéro 034 · Vendredi 13 Mars 2026
🔴 Flash
Talata Volonondry: DES TOURISTES SÉDUITS PAR L’ART CULINAIRE DES « KOBA » ET SAUCISSES ! « Cœur de Forêt » à Madagascar : 10 ans pour la cause de l’environnement, des paysans et du « commerce équitable » ! Réserve d’Ankafobe : Un sanctuaire discret face aux défis de la conservation à Madagascar Fifanakalozana ara-barotra taona 2025 : Mitentina 700 tapitrisa dolara ny entana naondran’i Madagasikara nankany Etazonia

🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.

Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin'ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana

Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l'artisanat

Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts

📰 « Découvrez nos articles récents et Archives »
🏪 « Découvrez les Offres de nos Espaces »
talata volonondry

Talata Volonondry :
Ny mpizahatany vahiny koa aza liana amin'ny koba sy saosisy malaza eto !

« Mbola kely izahay no efa ity no namelomany anay zanany naterany », hoy ilay zananivavy miara-mivarotra aminy io.

Mbola mitoetra foana ny anarana "Talata Volonondry" na efa zavatra hafa indray izao no malaza ao amin'ity tanàna ity. Tsy inona izany fa ny koba sy ny saosisy mahasarika hatramin'ireo mpizahatany vahiny, izay tonga hijery na hanandrana ny tsirony. Talata Volonondry dia tanàna iray eo amin'ny 27 kilaometatra, somary avaratra atsinanan'Antananarivo renivohitr'i Madagasikara. Renivohitry ny kaominin'ambanivohitr'i Talata Volonondry izy, ary ao anatin'ny distrikan'Antananarivo-Avaradrano, faritr'Analamanga.

Ankoatry ny lafiny tantara mety ho hita rehefa mankaty Talata Volonondry satria avaratry ny tanànan'Ambohidrabiby no misy azy. Marihina fa Ambohidrabiby dia anisan'ny niandohan'ny fanjakana teto Imerina. Ankehitriny, ny lafiny fahaizana mahandro sakafo koa izao lasa tafiditra ao anatin'ny zavatra azo tsidihina ho an'ny mpizahatany tonga eto.

Toy ny fanaony, rehefa miditra ny tanànan'i Talata Volonondry ny taksibrosy, na mianavaratra io, na mianatsimo, dia miato kely mandritra ny minitra maromaro no sady manala voyazera. Raha vao mahita ny taksibrosy mijanona kosa ireo mpivarotra koba sy saosisy dia mihazakazaka avy any manatona sy mitangorona eo. Toy izany koa, ny mpandeha midina ao an-tanàna eo amin'ny fijanonana sy fanalàn'ny taksibrosy mpandeha dia tsenain'ny mpivarotra koba sy saosisy. Tsy ny teratany malagasy ihany anefa no mankafy ny koba sy ny saosisy eto Talata Volonondry. Hatramin'ireo mpizahatany vahiny koa aza efa mahafantatra ny lazany ary misy voasarika manketo Talata Volonondry, hijery na hanandrana ny tsirony, araka ny hita tamin'ny fotoana nandalovanay nanao fanadihadiana teto.

Ifandovana

Ankoatry ny fambolena sy ny fiompiana, anisan'ny fotopiveloman'ny mponina eto Talata Volonondry ny fanaovana sy fivarotana koba sy saosisy. Misy ireo nanao izany ho fivelomana efa am-polotaonany. Lasa ifandovana aza ny fanaovana sy fivarotana koba sy saosisy satria misy efa nanomboka nanao izany hatrany amin'ny raimandreniny dia mandimby manao koa ny zanany.

Toy izany, ohatra, no hita tao amin'ny toeram-pivarotana iray mifanila amin'ny biraon'ny kaominina, ary tsy lavitry ny tsena. Samy mivarotra saosisy sy koba ilay reniny sy ny zanany vavy. Ny toeram-pivarotana no iraisana fa ny entana amidy kosa samy manana ny azy. Tokotokony eo amin'ny dimampolo taona mihoatra eo ny reniny. Ilay zanany vavy indray "Efa manam-bady io!", hoy ireo tovolahy anankiroa mivarotra koba sy saosisy koa, izay mifanila aminy sady toran'ny hehy amin'io.

Rehefa nanontaniana ilay reniny hoe oviana no nanaovany sy nivarotany koba sy saosisy, ary koa mahavelona tsara ve izy io dia nambarany fa efa aman-taonany maro. "Mbola kely izahay no efa ity no namelomany anay zanany naterany", hoy ilay zananivavy miara-mivarotra aminy io. Mikasika ireo karazan'olona tonga manjifa ny koba sy saosisy amidiny eto indray dia nambarany fa tsy Malagasy ihany fa misy aza hatramin'ny mpizahatay vahiny. Voamarina tokoa izany satria tsy ela taorian'io resadresaka nifanaovana taminy io dia nisy lehilahy miaraka amina vehivavy samy mpizahatany vahiny tonga teo amin'ny tsena fivarotan'ilay vehivavy mpanamboatra sy mpivarotra koba sy saosisy voalaza eto ity. Ankoatry ny eto Talata Volonondry dia manana tsena fivarotana koba sy saosisy koa izy aty Antananarivo renivohitra, araka ny nambarany.

📅 24 Avril 2026

Vokatra sy tsena

Toy izao kosa ny mombamomba ny famokarana sy ny tsenan'ny koba sy saosisy. Ny saosisy dia misy karazany anankiroa. Ny voalohany dia saosisy toy ny mahazatra, izay namboarina tamin'ny hena daholo ny ao anatiny sy ivelany. Ny faharoa, saosisy namboarina tamin'ny hena sy ovy. Manomboka eo amin'ny arivo ariary ny didiny amin'ny vidiny farany ambany. Ny koba indray, mofo vita amin'ny koba vary, misy totoboanjo afangaro ny anatiny sy siramamy. Ravin'akondro ireny no amonosana azy. Manomboka eo amin'ny 2000 ariary ny didiny farany ambany.

Rehefa niadiana varotra ny mpivarotra koba mandehandeha iray "f'angaha tsy mba misy latsaky ny 2000 ariary izy ity ?". Dia novaliny hoe "Ny vidin'ny voanjo fotsiny izao no efa 1500 ariary ny kapoaka". Ankoatr'izay somary mandany fotoana ny fanamboarana koba. Ny fomba fandrahoana azy dia atao anaty barika ary andrahoina amin'ny afo mateza mandritra ny 3 na 4 andro eo vao masaka.

Tsy dia mbola fantatra mazava tsara hoe oviana, na tamin'ny vanimpotoana inona no nanomboka sy niroborobo ny fanaovana koba sy saosisy teto Talata Volonondry. Heverina aloha fa tsy tamin'ny fotoana nanaovana ny anarany hoe "Talata Volonondry", izay tamin'ny vanimpotoana nanjakan'Andrianampoinimerina. Tao anatin'ny fandaminana nataon'ny mpanjaka dia ny talata izany no tsena teto amin'ity vohitra (tanana) ity. Izany hoe, fara-fahakeliny tany amin'ny vanimpotoanan'ny fanjanahantany no nanomboka ny fanamboarana sy ny fivarotana saosisy, ary ny koba koa mety niarakaraka tamin'izay, na somary taloha kely. Na eo aza izany tsy niova ho "talatan'ny koba" akory ny anaran'ny tanana fa mbola nijanona ho Talata Volonondry ihany.

Talata Volonondry mpivarotra koba sy saosisy
Eto amin'ity tsena mifanila amin'ny biraon'ny kaominina ireo vehivavy roa mpianaka no miara-mivarotra koba sy saosisy
Tsena Talata Volonondry
Talata no tena tsena teto fahiny

Ami Ral

Gastronomy & Travel Discovery
Produits du terroir & environnement
boutik coeur de foret
Production agricole & environnement

« Cœur de Forêt » à Madagascar : 10 ans pour la cause de l’environnement, des paysans et du « commerce équitable » !

[L’accent est mis sur la culture des plantes aromatiques et médicinales (PAM), qui offrent des débouchés prometteurs sur les marchés locaux et internationaux.]

Au cœur des Hautes Terres malgaches, une dynamique silencieuse mais profonde est en marche. Depuis une dizaine d’années, Cœur de Forêt

📅 24 Avril 2026 Lire la suite
Commerce & économie
12è édition du Salon Voatra
Commerce & économie

Fifanakalozana ara-barotra taona 2025 : Mitentina 700 tapitrisa dolara ny entana naondran’i Madagasikara nankany Etazonia

[Hisy ny fifanakalozana isan tarika miompana amin’ny fambolena, fizahantany, harena an-kibon’ny tany, asa tànana sy famokarana lamba.]

I Etazonia no tsena lehibe indrindra mandray ireo entana aondran'i Madagasikara. Tamin’ny taona 2025 izao dia mitentina 700 tapitrisa dolara (3 000 000 tapitrisa Ariary) ny entana naondran’i Madagasikara nankany Etazonia, tamin’ny alalan’ny AGOA, mihoatra lavitra noho ireo entana aondrany mankany amin’ny firenen-kafa.

📅 24 Avril 2026 Araho ny tohiny
Site touristique
📬 Newsletter

Pour toute information supplémentaire, n'hésitez pas à nous contacter, nous sommes à votre écoute !

📢

Fiche Technique & Devis

Contactez-nous →

ℹ️ Information

Siège Social :
Lot IVF 219 Abis Ambodihady Ambohimanarina
101-Antananarivo Madagascar

Contact téléphone :
+261 34 36 070 82
+261 34 72 608 16 / +261 33 24 331 00

✉ Mail contact :

Responsable de publication et Rédacteur en chef :
RAHERIMANDRATOSOA Vonison Jedidie

Voandalana, Ami du Voyageur – BD Magazine

✨ Promo Voyage Madagascar — Découvrez nos offres !

🏝️ Séjour — Réservez maintenant !

🍯 Produits artisanaux — 100% Made in Madagascar

📸 Votre publicité ici — Contactez-nous

🎶 Festival Culturel — Ne manquez pas l'événement !

⚽ Sponsoring Football — Votre marque en avant !

Publicité Voandalana

Commentaires