🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.
Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin'ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana
Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l'artisanat
Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts
Tarazo
Toy ny ahoana indray ny toetoetra sy ny fiaimpiainan'ny mponina tao Anosimanjaka sy Ambohitrimanjaka tato aoriana sy ankehitriny ? Karazany namela tarazo ihany ireo toetoetra voalazan'ny tantara momba ireo mponina tany am-boalohany sy ny antony nahatonga azy ireo nonina teto.
Ohatra amin'izany, tamin'ny voalohany dia tsy nety nanaiky ny fahefan'Andrianampoinimerina ny mponina tao ary nandratra ny mpanjaka tamin'ny ady nifanaovany taminy. Voalaza aza fa nentin'ny mpanjaka mandra-maty ny ratra nahazo azy teo amin'ny tongony, izay voatifitry ny basy tamin'ny fotoana nanafihany ny tanàna.
Manarak'izany, ny Printsy Ramanetaka, ilay goverinora merina tao Mahajanga, izay nitsoaka tany amin'ny nosy Mayotte rehefa nandray fanjakana Ranavalona I, tsy avy aiza fa avy ao Anosimanjaka no tanindrazany. Fantatra fa mbola misy amin'ireo taranak'io printsy io tato aoriana misy tonga mamangy fasana ao Anosimanjaka. Marihina fa mbola misy tranomanara koa ao Anosimanjaka.
Ankoatr'izany, nanahirana ny fitondrana mpanjanaka frantsay koa ny teto Ambohitrimanjaka. Anisan'ireo nandray anjara nanohitra ny fitondrana mpanjanatany frantsay tamin'ny raharahan'ny 29 marsa 1947 ny mponina tao. Misy ihany koa fitantarana milaza fa rehefa nisy mponina avy ao Anosimanjaka sy Ambohitrimanjaka nosamborin'ny manampahefana frantsay dia ny fokonolona rehetra no nirohotra hiditra hogadraina tany am-ponja ka tsy hitan'ny manampahefana izay natao.
Ankehitriny, anisan'ny mbola malaza sy ahafantarana an'Anosimanjaka hatramin'izao ny Zanadravalona, izay anisan'ny nitondra sy nanan-tany betsaka tao Anosimanjaka. Nisy ihany koa tany antsoina hoe tanimbarin-dRainivoninahitriniony, izay Praiminisitra tamin'ny andron'ny fanjakana malagasy faha-mpanjaka. Saingy, efa namidin'ny mpandova ny sasany tamin'izany.
Farany, mbola mpitahiry ny fombandrazana ary lohalaharana amin'ny fanaovana Alahamadibe ny ao Anosimanjaka. Ohatra iray, izay mbola mampiseho izany, ny hankalazana ny Alahamadibe faha-465 amin'ny 19 marsa ho avy izao ao Anosimanjaka. Ao anatin'izany koa no hankalazana ny faha-65 taonan'ny fikambanana Zanadranavalona Anosimanjaka.
Saika mivelona amin'ny fambolena ny ankamaroan'ny mponina. Ankoatry ny fambolena dia ny fanaovana biriky ihany koa no anisan'ny raharaha sy asa fiveloman'ny mponina rehefa fotoanan'ny maintany tsy ao anatin'ny fotoam-pambolena.
Fehiny, raha iverenana ny fanontaniana napetraka tany am-boalohany hoe « Avy aiza marina ny Malagasy ? » Ny valiny dia taranaka avy amina karazana foko sy firenena samihafa no atao hoe Malagasy. Raha atao bango tokana dia sady Aziatika izy, ary koa Afrikanina, dia Arabo. Ankoatr'izany, ahitana koa taranaka tantsambo na tantsambo piraty eraopeanina. Misy ihany koa ireo mitonona fa manana razambe jiosy mihitsy. Arak'izany, sokajiana ao anatin'ny mponina safiotra (metisy) ny Malagasy, izay mety ho harena ihany amin'ny lafiny iray raha mahay mitrandraka ny fananana azy.
Ami Ral
Vidin-tsolika : Nahitana fidinany ny teto an-toerana, miakatra ny any ivelany
Nahitana fidinany ny vidin-tsolika eto Madagasikara nanomboka ny 5 marsa teo na efa miakatra tsikelikely aza ny eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Manodidina ny 200 ariary isaky ny litatra ny fidinany. Ny lasantsy, ohatra, lasa 4900 ariary ny litatra raha 5100 ariary izy teo aloha.
Destination Madagascar : Des sites touristiques merveilleux, mais un défi majeur encore à relever
[En réalité, l'enjeu principal réside dans la capacité du pays à créer un environnement global favorable au développement touristique et à l'investissement.] Île de contrastes et de merveilles naturelles, Madagascar fait rêver les voyageurs du monde entier.
Anosimanjaka-Ambohitrimanjaka : Des descendants de lointains princes japonais réfugiés à Madagascar !
« Malgache, qui es-tu ? » Tel était le titre de l'exposition présentée au Palais d'Andafiavaratra entre 1973-1974, organisée par le gouvernement malgache, dans le cadre de la célébration de la fête de l'Indépendance. Concernant particulièrement Anosimanjaka et Ambohitrimanjaka, il y aurait parmi la population des descendants de lointains princes japonais réfugiés à Madagascar !
Trafic d’animaux protégés : Les tortues de plus en plus menacées
Madagascar abrite une faune unique et exceptionnelle dont de nombreuses espèces sont protégées. Découvrez les animaux emblématiques de la Grande Île bénéficiant d'une protection particulière.
Anosimanjaka-Ambohitrimanjaka : Misy mponina tranainy taranak'andriana japoney nitsoaka nankaty Madagasikara !
"Malagasy, iza moa ianao?" Io no lohatenin'ilay Fampirantiana natao tao amin'ny Lapan'Andafiavaratra, izay nokarakarain'ny Fanjakana malagasy, ary tafiditra tao anatin'ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena (1973-1974).
Anosimanjaka dia tanàna miala eo amin'ny 15 kilaometatra andrefan'Antananarivo renivohitr'i Madagasikara, ary ao anatin'ny kaominin'Ambohitrimanjaka, distrikan'Ambohidratrimo.
Ankarabolava-Agnakatrika : Une forêt vierge en sursis dans le district de Vangaindrano
[La préservation d'Ankarabolava-Agnakatrika dépasse le cadre local.] Dans le district de Vangaindrano, au sud-est de Madagascar, se trouve Ankarabolava-Agnakatrika, une zone forestière encore largement méconnue du grand public. Cette forêt constitue une Nouvelle Aire Protégée (NAP) couvrant environ 772 hectares, gérée en collaboration avec le Missouri Botanical Garden.
Tsena sy fivelomana : Misy efa telopolo taona nivarotana voankazo ary anisany ny zavokà
[Mifanohitra amin'ny finoan'ny besinimaro, ny zavokà dia tena tsara ho an'ny fahasalamana]
“Tsy misy asa ratsy” ary mahavelona ny asa fivarotana voankazo. Misy efa telopolo taona nivarotana voankazo ary anisan’izany, ohatra, ny zavokà.
🏝️ Séjour — Réservez maintenant !
🍯 Produits artisanaux — 100% Made in Madagascar
📸 Votre publicité ici — Contactez-nous
🎶 Festival Culturel — Ne manquez pas l'événement !
⚽ Sponsoring Football — Votre marque en avant !