« Art malagasy » sampanana AmbohitrimanjakaEntana novidiana teto tsy navela hivoaka an’Ivato fa hoe « tsy manana taratasy »
[« Lasa marisarisa ilay mpividy », hoy ihany ity mpikambana amin’ny biraon’ny FIMPIAMA ity.]
Mbola olana foana hatreto ny momba ity resaka taratasy takiana amin’ny taozavatra vita malagasy entina mivoaka any ivelan’i Madagasikara ity. Toy izany izao, ohatra, ny entana iray vao novidiana teny amin’ny tsenan’ny « Art malagasy » eny amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka dia tsy navelan’ny mpiasan’ny ladoany hivoaka an’Ivato fa hoe « tsy manana taratasy ». Nisy ny resadresaka nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitra iray mpikambana eo anivon’ny biraon’ny fikambanana FIMPIAMA (Fikambanan’ny Mpivarotra Art Malagasy) eny amin’ny tsenan’ny sampanana Ambohitrimanjaka nampahafantarany ny momba izany
Araho ny tohiny
21 Février 2025
Fitaterana
Tsy mahasakana ny mpandeha taksibrosy ny andro ratsy
[Mandeha avokoa ny zotra rehetra.]
Mbola mitohy ny orana hatramin’izao, izay efa nirotsaka isan’andro tao anatin’ny herinandro lasa izao. Tsy mahasakana ny mpandeha taksibrosy mpitatitr’olona tsy hivezivezy anefa ny andro ratsy raha ny zavatra hita maso. Anisan’ny toerana nidinana ifotony, ohatra, ny teny amin’ny toby fiantsonana Gare Maki eny Andohatapenaka.
Araho ny tohiny
21 Février 2025
Fiakaran’ny rano
Miasabe ny fitaterana amin’ny lakana
Miasabe ny fitateran’olona amin’ny lakana amin’izao rano miakatra izao. Tsy any amin’ny faritany, na any ambanivohitra lavitra io fa eto Antananarivo sy ny manodidina ihany ary amin’iny reniranon’Ikopa ihany no tena ahitana izany. Eo amin’ny 200 ariary eo ny sarandalana mitatitra olona iray mandroso.
Araho ny tohiny
21 Février 2025
INFORMATION
Siège Social: Lot IVF 219 Abis Ambodihady Ambohimanarina
101-Antananarivo Madagascar
Tél: +261 34 36 070 82 / +261 34 72 608 16 / + 261 33 24 331 00
Mail: voandalana@voandalana-amiduvoyageur.mg
Mail: amiduvoyageurvoandalana@gmail.com
site: www.voandalana-amiduvoyageur.mg