Fitaterana


Tsy mahasakana ny mpandeha taksibrosy ny andro ratsy

[Mandeha avokoa ny zotra rehetra.]

Mbola mitohy ny orana hatramin’izao, izay efa nirotsaka isan’andro tao anatin’ny herinandro lasa izao. Tsy mahasakana ny mpandeha taksibrosy mpitatitr’olona tsy hivezivezy anefa ny andro ratsy raha ny zavatra hita maso. Anisan’ny toerana nidinana ifotony, ohatra, ny teny amin’ny toby fiantsonana Gare Maki eny Andohatapenaka. Mbola betsaka foana ny mpandeha amin’ireo taksibrosy manao fitaterana amin’ny zotra nasiônaly sy reziônaly. Na izany aza dia latsaka kosa izany raha oharina amin’ny mahazatra, hoy ireo mpandraharaha nanontaniana teo amin’ny « Guichet » misahana ny zotra RN4. « Ao anatin’ny vanimpotoana « basse saison » koa izao », hoy izy. Mandeha avokoa ny zotra rehetra. Tsy misy ny lalana tapaka hatreto. Raha misy ny lalana tapaka dia tsy maintsy misy ihany ny fampilazana mialoha, hoy izy ireo.

Sarandalana

Mikasika ny sarandalana indray, dia mbola ny sarandalana teo aloha hatramin’izay ihany no mihatra fa tsy misy akory ny fampiakarana. Efa ireny hita amin’ny tabilao ireny avokoa ny sarandalana, hoy ihany ireo mpandraharaha anisan’ny tompon’andraikitra nanontaniana.

Raha tsiahivina kely dia nisy fanambarana tamin’ny volana janoary tamin’ity taona ity, izay nataon’ny mpanao fitateran’olona. Arak’io fanambarana io dia nilaza izy ireo fa hidina ny sarandalana taorian’ilay fampidinana ny vidin’ny solika nataon’ny fanjakana sy ny mpandraharaha mpaninjara solika. Karazany nihemotra indray anefa tato aoriana ny mpitatitra rehefa nahita fa niverina niakatra ny vidin’ny solika dia ny gazoala izany raha nidina kosa ny vidin’ny lasantsy. Amin’izao fotoana izao izany dia sady tsy nidina moa tsy niakatra ny sarandalana fa notazomina amin’ny teo aloha ihany.

Nangonin’i Ami Ral

Vendredi 21 Février 2025

Commentaires