🎨 ** Hairaha - Art et Business **.
🎭 *Explorez les trésors artistiques et artisanaux locaux, reflets de la culture et de la créativité de cette terre aux multiples facettes.
« Art malagasy » sampanana Ambohitrimanjaka
Entana novidiana teto tsy navela hivoaka an’Ivato fa hoe « tsy manana taratasy »
[« Lasa marisarisa ilay mpividy », hoy ihany ity mpikambana amin’ny biraon’ny FIMPIAMA ity.]
Mbola olana foana hatreto ny momba ity resaka taratasy takiana amin’ny taozavatra vita malagasy entina mivoaka any ivelan’i Madagasikara ity. Toy izany izao, ohatra, ny entana iray vao novidiana teny amin’ny tsenan’ny « Art malagasy » eny amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka dia tsy navelan’ny mpiasan’ny ladoany hivoaka an’Ivato fa hoe « tsy manana taratasy ». Nisy ny resadresaka nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitra iray mpikambana eo anivon’ny biraon’ny fikambanana FIMPIAMA (Fikambanan’ny Mpivarotra Art Malagasy) eny amin’ny tsenan’ny sampanana Ambohitrimanjaka nampahafantarany ny momba izany. Toy izao ny fanazavany : « Ny olana ety, mbola mipetraka eto ny resaka « laissez-passer » ho an’ny entana amidy. Ohatra mividy entana ny Vazaha dia tsy tafavoaka eny Ivato. Vao afakomaly(tamin’iny herinandro lasa iny), nisy nividy vato(vatosoa) efa voadio tsy navela nivoaka teny Ivato. Nefa efa misy « laissez-passer » eny aminy avy any amin’ny minisitera ». Efa nentin’ilay Vazaha mpividy niverina teny amin’ilay mpivarotra niividianany azy moa ilay entana io. Miandry aoriana manaraka rehefa milamina ny momba an’io dia ho entiny ihany. « Efa hatramin’izay io olana io ». « Lasa marisarisa le mpividy », hoy ihany ity mpikambana amin’ny biraon’ny FIMPIAMA ity.
Tranoheva maherin’ny 500
Fa raha iverenana ny mahakasika ny tsenan’ny Asa tanana malagasy eny amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka dia tsara ny miitondra ireto fanampim-panazava ireto. Voalohany, maherin’ny 500 ny isan’ireo tranoheva mivarotra eto amin’ty tsena ity. Misy amin’izy ireo no mbola mikatona amin’izao. Tamin’ny taona 1996 no nanomboka nisokatra ity tsenan’ny « Art Malagasy » ety amin’ny sampanan’Ambohitrimanjaka ity, hoy ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra mpikambana eo anivon’ny biraon’ny fikambanana FIMPIAMA voalaza teo aloha. Vazaha no tena betsaka miantsena sy mividy entana eto amin’ity tsena ity ka lohalaharana amin’izay ny teratany Frantsay, hoy ihany ny fanazavana.
Rehefa fotoam-pialan-tsasatra lehibe no tena betsaka ireo tonga mitsidika sy mividy entana eto amin’ity tsenan’ny Asa tanana malagasy eto amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka ity. Izany hoe manomboka eo amin’ny volana Jona io ka mandra-pidiran’ny mpianatra. Saika ity ety avokoa rehefa taozavatra vita malagasy toy ny rafitra momba ny vy, ny hazo, ny volotsangana (bambou), ny rofia, ny hoditra, ny lamba, ny vatosoa, ny zavamaneno.
Lamba peta-kofehy
Anisan’ny mpivarotra eto amin’ity tsena ity ny vehiavavy iray nofampiresahanay. Izy dia mpnao lamba vita peta-kofehy. Raha vao nisokatra ity tsena ity dia efa tonga teto izy. Izy ihany no manamboatra ireo lambavita peta-kofehy amidiny. Manana olona manampy izy. Ankoatry ny lamba dia mivarotra taozavatra vita malagasy hafa koa ny tenany. Tafiditra ao anatin’ny entana amboariny sy amidiny, ohatra, ny lamban-databatra (nappe de table) sy ny lambam-pandriana(drap de lit). Azo lazaina mora ny vidin’ny entana amidiny satria mbola misy aza olona hivarotra tonga mividy ambngadiny eto aminy. Raha mividy ambongadiny dia eo amin’ny 70 000 ariary ny lamba vita iray, ary raha mandeha antsinjarany kosa dia 80 000 ariary ny iray. Samy tonga miantsena eto aminy na Malagasy na Vazaha. Ny volana janoary sy febroary no tena tsy mandeha indrindra ny tsena ety, hoy ihany ny fanazavany.
Vahaolana
Fa raha iverenana ny mahakasika ity olan’ny mpanao asa tanana malagasy ity, ekena fa misy ny lamina sy ny didy aman-dalàna mifehy izany. Saingy, na ilay izy tsy mazava ny fomba fampiharana azy, na misy fanararaotana, tahaka ny zavatra mpitranga ihany io amin’ireo entana miditra na mivoaka eny Ivato. Io toe-javatra io foana no anisan’ny fositra manimba ny fihariana sy ny fahatongavan’ireo mpampiasa vola vahiny na manan-draharaha hatao eto Madagasikara. Mila jeren’ny tompon’andraikitra sy arahy maso akaiky ny momba izany. Sao koa misy zavatra na fepetra tokony hahitsy sy harenina, na halefahana ohatra ?
Nangonin’i Ami Ral
Vendredi 21 Février 2025