🎭 ** Voamaintilany - Divers et divertissements**.
🏄♂️ *Prêt pour l'aventure et les activités sportives? Vivez des expériences uniques et des sensations fortes au cœur de paysages naturels d'une beauté rare.
OHABOLANA
« Tsobodranon-dRamiangaly, marivo irobohana, lalina ihemorana » (Ohabolana malagasy)
« Marcher dans l’eau comme Ramiangaly, avancer si c’est moins profond, reculer si c’est plus profond» (Proverbe malagasy)
Barean’i Madagasikara
Mondial 2026 no tanjona miaraka amin’ilay mpanazatra vaovao
Efa mandray ny toerany ilay vahiny mpanazatra vaovao ny Barean’i Madagasikara Corentin Da Silva Martins. Mondiala 2026 no tanjona ho an’ny Barean’i Madagasikara miaraka amin’ilay mpanazatra vaovao io. Tsiahivina fa ny tolakandron’ny 30 janoary lasa iny, teny amin'ny efitrano fanaovana famelabelaran-kevitra, kianja Barea, Mahamasina ny fampahafantarana ity mpanazatra ny BAREA de Madagascar sokajy A1 ity. Teratany frantsay Corentin Da Silva Martins ary izy no voasafidy tao anatin'ny mpifaninana nahatratra 54 tany am-boalohany. Nitarika ny lanonana, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Marson Moustapha Abdulah. Niaraka taminy ny Filohan'ny federasiona malagasy ny baolina kitra Randriamanampisoa Alfred. Nanome voninahitra ny fotoana ny minisitry ny Fitaterana Ramonjavelo Valery sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny fizakan-tena ara-tsakafo Razafimahefa Tahina. Nanome toky ny vahoaka malagasy ny mpanazatra vaovao fa hanao izay fara-heriny hanatrarana ny tanjona dia i "Madagascar en route vers le mondial 2026".
Ami Ral
Vendredi 21 Février 2025
Kianja Barea Mahamasina
Eo am-piandrasana ny fankatoavana avy amin’ny CAF
Mbola eo am-piandrasana ny fankatoavana ny kianja Barea Mahamasina avy amin’ny CAF isika amin’izao. Tontosa ny 12 ka hatramin’ny 14 febroary 2025 teo ny fizahana ity kianja ity, hoy ny fanmbaran’ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra (FMF). Tsiahivina fa ny fahazoan’ny kianja Barea Mahamasina handray lalao iraisam-pirenena dia miankina amin’ny fanapahan-kevitra sy ny valintenin’ny CAF. Mbola misy anefa ny pitsopitsony tsy maintsy arahina eo amin’ny fanatanterahana izany. Noho izany ny FMF dia manentana ny rehetra mba ho tony eo ampiandrasana izany valin-teny izany no sady mamporisika mba hitandrina amin’ny tsaho sy vaovao diso. Ampatsiahiviny koa fa ny pejy ofisialin’ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra irery ihany no mamoaka ny vaovao ôfisialy momba izany.
Ami Ral
Vendredi 21 Février 2025
Fiainana mpanakanto
Namaly ireo fanaratsiana atao amin’i Stephanie sy ny tenany ny vadiny
Namaly ireo tsikera fanaratsiana atao amin’i Stephanie sy ny tenany ny vadiny Roberto, fanaratsiana izay nandeha tamin’ny alalan’ny tambazotra sosialy. Toy izao ny nambarany:
« Misaotra anareo rehetra 𝖺min'𝗇𝗒 commentaire mankasitraka tompoko ANDRIAMANITRA izay nahary ny zanak olombelona rehetra anie hamaly antsika araka ny asantsika avy. Hamaly anareo aho 𝖺ry hanazava aminareo izay zavatra tsy fantatrareo.
1- Misy miteny hoe ratsy tarehy b𝖾, tsy maninona fa mety mañana valeurs tsy anao aho 𝖺ry tsy hitovizako aminao mihitsy, misaotra an Andriamanitra satria tsara 𝗂𝖺nao
2- Tsy 𝗇anan-karena na nanam-bola be araka n𝗒 teninareo aho tamin'𝗇𝗒 fotoana nanombohanay niaraka 𝖺ry tena azo lazaina hoe nahantra loatra. Ary maro ianareo no mahafantatra ahy sy ny 𝗉arcours ko lava be fa tsy ho tantaraiko eto. Ny zava dehibe INDRINDRA nan𝖺𝗇ako dia ny FINOANA s𝗒 ny ZOTO. Ary niezaka nanototra ireo fanakianana, fanakiviana MAROBE, tsara rehefa mahay mifanoana ny olona miaraka ka mifanambina. Ka nahatonga anay 𝖺min' 𝗂𝗓ao toerana 𝗂𝗓ao na dia hoe tsy 𝗆bola tena mañana n𝗒 ampy aza
3- STÉPHANIE tompoko dia olona tsy matérialiste araka n𝗒 eritreretinareo mpanaratsy ireo, olona tso piaina, mandefitra, manam pitiavana, tsy mañana fahavalo na iray aza 𝖺ry tsy mitsiriritra olona fa miezaka manao ny asany Amin fitiavana sy miezaka manaja tena MBA ho mendrika mety misy n𝗒 tsy fahatanterahana fa miezaka izahay. 𝖨𝗓ay angamba no azoko ambara fa misaotra 𝖾ee
Mirary soa eee »
Nangonin’i Ami Ral
Vendredi 21 Février 2025