🚗✈️ Mbay Lalana 🧳🌺 - Laissez passer.
🛩️ *Quels moyens de transport privilégier pour explorer les trésors de cette île envoûtante? Découvrez les astuces et conseils pour un voyage inoubliable à travers ses paysages captivants.
EDITO : Voankazo an’Ala
Rano ! Rano !
Raha momba ny rano no horesahina lavabe eto dia tsy ho ampy ny toerana fa maro no azo ambara. Misy anefa zavatra tsara ho fantatra tsy tokony holalovam-potsiny, izay hosinganina sy havoitra eto. Voalohany, aina ny rano. Efa mihoatra ny antsasany ka hatrany amin’ny roa ampahatelon’ny vatan’olombelona dia rano avokoa. Noho izany rehefa tsy ampy rano ny tenan’olombelona dia lasa mahatonga tsy fahasalamana, miteraka aretina. Ho antsika Malagasy aza ny vehivavy mitondra vohoka dia antsoina koa hoe « mitondra rano ». Ankoatr’izay, sotroina sy andrahoana sakafo, ary idiovana koa no ilàna ny rano. Tsy ho an’ olombelona ihany anefa, ny zava-manana aina toy ny biby sy ny vorona koa mila rano. Hatramin’ny zavamaniry sy ny fambolena aza mila rano raha tsy izany dia maty. Faharoa, mety mampidi-doza koa ny rano rehefa tafahoatra, na ho an’olombelona io, na ho an’ny biby, na ho an’ny fambolena sy ny zava-maniry.
Ho antsika eto Madagasikara manokana, olana foana io rano io ankehitriny, na izy tsy misy mihitsy, na misy fa be loatra ! Efa iainana matetika, ohatra, ny fahatapahan’ny rano amin’ny paompy fantsakana eto Andrenivohitra sy amin’ireo tanàn-dehibe maro manerana ny Nosy. Fahatapahana, izay maharitra lavalava ao anatin’ny iray andro ary miverimberina saika isan’andro. Rano hohanina sy hisasana antsakaina amin’ny paompy io. Ankoatr’izay, misy koa faritra sasany maina foana na dia amin’ny fotoam-pahavaratra aza satria tsy mahazo orana. Any amin’ny ilany atsimon’i Madagasikara dia iharan’ny haintany lava saika isan-taona. Toy izany koa ny faritr’Alaotra, izay sompitr’i Madagasikara, dia matetika maina ny tanimbary satria tsy misy rotsak’orana. Fa ny olana faharoa koa dia ny fahabetsahan’ny rano tafahoatra indraindray amin’ny fotoam-pahavaratra toy izao. Vokatry ny fiakaran’ny rano, fefiloha maro no vaky, dibo-drano ny tanàna maro, tapaka ny lalam-pirenena. Tsy lavina fa voajanahary ny rano, na ny orana, saingy miteraka voka-dratsy eo amin’ny toeram-ponenana sy ny tontolo iainana koa ny ataon’olombelona. Voalaza fa mampitombo ny haintany( izany hoe ny tsy fisian’ny orana), na ny tondradrano(izany hoe ny fahabetsahan’ny orana) ny fahasimban’ny tontolo iainana vokatry ny ataon’olombelona ankehitriny, toy ny dorotanety, ny fanimbana ny ala, sns. Mainka koa hitombo sy hihamafy io amin’ny ho avy, araka ny vinavinan’ireo manampahaizana raha tsy misy fandraisana andraikitra sy fepetra raisina. Mbola vitsy anefa no mahatakatra na efa tonga saina manoloana izany ankehitriny !
Mandrato
Vendredi 21 Février 2025
Fitaterana
Tsy mahasakana ny mpandeha taksibrosy ny andro ratsy
[Mandeha avokoa ny zotra rehetra.]
Mbola mitohy ny orana hatramin’izao, izay efa nirotsaka isan’andro tao anatin’ny herinandro lasa izao. Tsy mahasakana ny mpandeha taksibrosy mpitatitr’olona tsy hivezivezy anefa ny andro ratsy raha ny zavatra hita maso. Anisan’ny toerana nidinana ifotony, ohatra, ny teny amin’ny toby fiantsonana Gare Maki eny Andohatapenaka. Mbola betsaka foana ny mpandeha amin’ireo taksibrosy manao fitaterana amin’ny zotra nasiônaly sy reziônaly. Na izany aza dia latsaka kosa izany raha oharina amin’ny mahazatra, hoy ireo mpandraharaha nanontaniana teo amin’ny « Guichet » misahana ny zotra RN4. « Ao anatin’ny vanimpotoana « basse saison » koa izao », hoy izy. Mandeha avokoa ny zotra rehetra. Tsy misy ny lalana tapaka hatreto. Raha misy ny lalana tapaka dia tsy maintsy misy ihany ny fampilazana mialoha, hoy izy ireo.
Sarandalana
Mikasika ny sarandalana indray, dia mbola ny sarandalana teo aloha hatramin’izay ihany no mihatra fa tsy misy akory ny fampiakarana. Efa ireny hita amin’ny tabilao ireny avokoa ny sarandalana, hoy ihany ireo mpandraharaha anisan’ny tompon’andraikitra nanontaniana.
Raha tsiahivina kely dia nisy fanambarana tamin’ny volana janoary tamin’ity taona ity, izay nataon’ny mpanao fitateran’olona. Arak’io fanambarana io dia nilaza izy ireo fa hidina ny sarandalana taorian’ilay fampidinana ny vidin’ny solika nataon’ny fanjakana sy ny mpandraharaha mpaninjara solika. Karazany nihemotra indray anefa tato aoriana ny mpitatitra rehefa nahita fa niverina niakatra ny vidin’ny solika dia ny gazoala izany raha nidina kosa ny vidin’ny lasantsy. Amin’izao fotoana izao izany dia sady tsy nidina moa tsy niakatra ny sarandalana fa notazomina amin’ny teo aloha ihany.
Nangonin’i Ami Ral
Vendredi 21 Février 2025
Fiakaran’ny rano
Miasabe ny fitaterana amin’ny lakana
Miasabe ny fitateran’olona amin’ny lakana amin’izao rano miakatra izao. Tsy any amin’ny faritany, na any ambanivohitra lavitra io fa eto Antananarivo sy ny manodidina ihany ary amin’iny reniranon’Ikopa ihany no tena ahitana izany. Eo amin’ny 200 ariary eo ny sarandalana mitatitra olona iray mandroso. Tsy dia lavitra akory ny halavirandalana amin’izany fa mihoatra ny 50 metatra eo monja, izay vitaina ao anatin’ny 5 minitra eo. Ny tena marina dia karazany mampita olona tahaka ny bac ireny ihany no ataon’ny lakana amin’izany. Efa misy tady lavabe mampifandray ny andaniny roa avy dia misintona sy manaraka an’iny ilay mpitondra lakana. Araka ny fanazavan’ny lehilahy iray mpitondra olona amin’ny lakana, izay am-perinasa tamin’ny nifampiresahana aminy dia efa nidina io rano io fa tsy ohatra an’izao teo. Manomboka amin’ny 5 ora maraina izy no mitatitr’olona ary any amin’ny 7 ora hariva any vao mijanona. Mandvan-taona izy no mitatitr’olona fa tsy hoe rehefa amin’ny fotoam-pahavaratra toy izao ihany.
Nangonin’i Ami Ral
Vendredi 21 Février 2025