🍇 ** Sakamalaho sy havozo - Produits et terroir **.
🥘 *Plongez dans l'univers des saveurs exotiques et des mets traditionnels qui éveilleront vos papilles : découvrez les secrets culinaires de cette destination gourmande.
Tsenaben’ny Hazandrano andiany faha-5
Niakatra 7 kilao isam-batan’olona ny taham-pihinanana trondro eto Madagasikara
[Ny tanjona dia ny hampiditra bebe kokoa ny trondro ho anaty sakafo andavanandron’ny Malagasy.]
Mbola maro amin’ny Malagasy no tsy afaka mampiditra trondro ao anaty sakafony noho ny fahasahiranana ara-bola sy ny fahazarana ara-tsakafo mbola tsy niova. Saingy efa miakatra tsikelikely ny tahan’ny fihinanana trondro eto Madagasikara, izay lasa ho 7 kilao isam-batan’olona, araka ny tarehimarika navoakan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Fiakarana iray manan-danja izany, izay vokatry ny ezaka natao tamin’ny fampahafantarana sy fanentanana manerana ny nosy.
Mbola lavitra
Na dia eo aza io fiakarana io dia mbola lavitra ny fenitra maneran-tany izay mitaky 24 kilao isan-taona isam-batan’olona i Madagasikara, araka ny tatitry ny FAO. Raha oharina amin’ny firenena toa an’i Maldives, izay ahitana 142 kilao amin’ny salan’isa isam-batan’olona, dia hita fa mbola be ny ezaka miandry. Saingy efa porofon’ny fandrosoana izany fiakarana izany satria mihatsara tsikelikely ny fampiasana ny vokatra an-dranomasina ao an-toerana. Zava-dehibe izany ho an’ny fahasalaman’ny vahoaka sy ny ho avin’ny toekarena manga eto Madagasikara.Anisan’ny fepetra noraisin’ny fanjakana amin’izany ny fanatanterahana hetsika « Tsenaben’ny Hazandrano andiany faha-5 », izay notanterahina tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 2 ka hatramin’ny 4 jolay 2025 teo. Mpandray anjara miisa 70 no nivarotra sy nampiranty vokatra isan-karazany toy ny trondro manta, maina, ary novaina endrika. Ny tanjona dia ny hampiditra bebe kokoa ny trondro ho anaty sakafo andavanandron’ny Malagasy.
Mahasoa
Manana anjara toerana roa lehibe ny trondro : mahasoa ny fahasalamana izy no sady mahasoa ny toekarena ihany koa. Tamin’ny taona 2024, ohatra dia nahatratra 700 miliara ariary ny vola niditra avy amin’ny fanondranana vokatra an-dranomasina. Ary noho ny fahazoan-dalana fanjonoana miisa 116 dia nahazo vola 35 miliara ariary ny fanjakana malagasy. Raha mitohy ny fiakaran’ny fihinanana eto an-toerana, dia mety hahazo tombony bebe kokoa ny sehatra. Na manome fanantenana aza ny vokatra azo ankehitriny, dia milaza ny ministera fa tsy maintsy tohizana ny fanentanana.
Aro Sata (Stagiaire Presse en Ligne)
11 Juillet 2025