🚗✈️ Mbay Lalana 🧳🌺 - Laissez passer.

🛩️ *Quels moyens de transport privilégier pour explorer les trésors de cette île envoûtante? Découvrez les astuces et conseils pour un voyage inoubliable à travers ses paysages captivants.

EDITO : Voankazo an’Ala

Tsara saingy…

Zavatra roa samihafa no asiana resaka sy fanamarihana eto fa amin’ny ankapobeny aloha dia samy nahitana fandrosoana ho antsika eto Madagasikara na ny lafiny ara-tsakafo, na ny lafiny fizahantany. Mikasika ny fandrosoana eo amin’ny lafiny ara-tsakafo aloha, dia nitombo ny tahan’ny fihinan’ny Malagasy trondro. Izany hoe nitombo ny fatra, na ny lanjan’ny trondro nohanin’ny Malagasy iray, tao anatin’ny taona iray. Fantatra izany nandritra ilay foara momba ny hazandrano natao tamin’ny herinandro lasa teo iny. Efa tsara aloha izay, saingy mbola tsy ampy. Voalazan’ny fanadihadiana mantsy fa mbola ambany ary resin’ny ao amin’ny nosy Maldives isika eto Madagasikara. Toe-javatra tsy dia tokony hitombina loatra io fahambanian’ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy trondro io. Ny antony dia Nosy isika, voahodidina ranomasina, ary marobe ireo Malagasy mivelona amin’ny jono. Koa aiza ary inona no antony mahatonga izany ? Vitsy ve ny trondro na hazandrano amidy eny an-tsena? Sa ny vidin’izy ireny no lafo ka tsy takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy?

Ny fandrosoana faharoa, eo amin’ny lafiny fizahantany : nahazo ny amboaran’ny toeram-pizahantany mendrika indrindra aty amin’ny faritry ny Ranomasina indiana isika eto Madagasikara ho an’ity taona 2025 ity. Raha tsiahivina, tamin’ny taona 2023 dia efa nahazo amboara teo amin’ny toeram-pizahantany mendrika momba ny tontolo iainana koa isika. Tsara daholo izany rehetra izany, saingy mbola misy ny ezaka tsy maintsy atao. Hatreto mantsy dia mbola resin’ny nosy Maorisy foana i Madagasikara raha eo amin’ny fisarihana mpitsidika mpizahatany vahiny no tenenina. Inona no antony mahatonga izay? Lazaina foana anefa-ary miaiky izany na ireo vahiny sy ny any ivelany-fa anisan’ny tany manana toerana azo tsidihana kanto indrindra isika eto Madagasikara. Mbola tsy mety tratran’i Madagasikara foana hatreto ny fanamby ny amin’ny isan’ny mpizahatany avy any ivelany efa napetraka horatrararina tany amin’ny folo taona mahery lasa izao. Koa aiza izany no lesoka? Inona no mbola tokony hohatsaraina? Raha ny tokony ho izy aloha dia efa mba manatsara ny endrik’i Madagasikara eo anatrehan’ny any ivelany ny fahazoany amboara tahaka itony. Noho izany dia antenaina fa hanatsara ny vokatra ary hampitombo hatrany ny isan’ny mpizahatany vahiny ho tonga eto ny nahazoany an’io amboara io, na ho amin’ity taona 2025 ity izany, na ho amin’ny taona 2026 ho avy.

Mandrato

11 Juillet 2025

Tale jeneralin’ny Météo :
fiovan’ny toetany


“Miha-miakatra ny mari-pana
na eo aza ny ririnina”

I Madagasikara dia anisan’ireo tany efa iharan’ny antsoina hoe “fiovan’ny toetany” manerana izao tontolo izao. Mba hahalalana misimisy bebe kokoa hoe tahaka ny ahoana no fisehony sy ny iainany izany dia nisy ny fanadihadiana nataonay teny amin’ny Foibem-pirenena momba ny toetry ny andro (Météorologie nationale) eto Madagasikara, izay eny Ampandrianomby-Antananarivo. Nanaiky hiresadresaka tamin’ny Journal magazine Voandalana Ami du Voyageur ny Tale Jeneralin’ny Météorologie nationale (TJM), Andriamatoa Luc Yannick Andréas Randriamarolaza. Izy dia manana PhD. momba ny « changement climatique et environnement », avy ao amin’ny Oniversite Revira i Virgili Espaina. Efa maro ny fikarohana nataony. Toy izao ny andinindinin’ny resadresaka nifanaovana taminy.

VAV (Voandalana Ami du Voyageur) : Inona no azo ambara momba ny fiovan’ny toetany eto Madagasikara ?

TJM (Tale Jeneralin’ny Météo) : Tsara anombohana azy aloha ny resaka fiovan’ny orana. Azo avy amin’ny fandrefesana ny fiovana. Rehefa miverimberina izy dia manome fironana.

VAV : Ho antsika, ahoana no tena mahatonga ny fiovan’ny toetany ?

TJM : Amin’ny ankapobeny dia vokatry ny asa tanan’olombelona no mahatonga ny fiovan’ny toetany . Ny rano latsaka ihany izany no mivadika ho rano ho antsika. Isan-taona izany dia izay foana ilay tsingerina na ilay “cycle’. Izay tsingerina izay anefa tapahantsika zanakolombelona. Ohatra hoe totofantsika ny toerana mitahiry rano..

VAV : Ahoana ny momba ny fihavian’ny orana sy ny rotsak’orana?

DG Météo: Ny zavatra tsapa izany izao, mihatara ny fahatongavan’ny orana amin’ny ankapobeny raha oharina tamin’ny tany aloha (…)Lasa mihafohy (amin’ny ankapobeny io) ny vanimpotoanan’ny rotsak’orana. Izany hoe tara izy vao manomboka nefa mety mifarana aloha koa izy izany(…) Ny aterak’izay izany dia lasa miha-mivatravatra ilay orana. Izany hoe ny orana tokony hilatsaka ao anatin’ny iray volana lasa milatsaka ao anatin’ny dimy andro. Anisan’ny fepetra tokony horaisina izany: tokony hitanty ranon’orana ny olona rehetra(…). Tsy avela hikoriana ny ranon’orana, noho izy mivatravatra izay, tokony hotazonina, tokony hotehirizina mba tsy hanimba ny fotodrafitrasa(…) Izay zavatra mahatonga an’ilay hoe tonga tara nefa mety mitsahatra mialoha, amin’ny ankapobeny, dia miha- mitombo indray izany ny haintany. (…) Na izany izy tondradrano, na miteraka haintany.

VAV : Ho antsika eto Madagasikara ve misy fiantraikany ny dorotanety ?

TJM: Misy mihitsy. Satria mieritretritra fa rehefa mandoro dia iny setroka voadoro iny no lasa rahona. Tsia. (…) Vao mainka iny fandoroana iny afo iny no miteraka hafanana be eny amin’ny “atmosphère”, dia izay hafanana izay anefa rehefa avy eo manimba an’ilay hamandoana tokony hipetraka, izay mivadika ho lasa ranon’orana rehefa avy eo. Izany hoe ny dorotanety izany dia anisany mitarika mankany amin’ilay …manamafy ilay fiovana efa iainantsika izao. Ka tokony handraisana fepetra.

VAV : Farany, ny hamaranako azy àry dia hoe ahoana izany no vinavina ankapobeny, tombatombana fotsiny, amin’ny maha manampahaizana manokana anao momba an’i Madagasikara. Mety hanahoana izany no mety ho kisary hitranga ?

DG Météo: Ny zavatra misy aloha izany sy voamarina erantany dia mety ho sahirana isika raha ohatra ka tafakatra hatrany amin’ny +2 dégré C ny hafanan’ny tany manerana izao tontolo izao, amin’ny fomba fiainantsika amin’ny maha-olombelona antsika. Dikan’izay izany, mila foana isika mahay mandrindra ny fiainantsika amin’ny zavatra efa misy amin’izao iainantsika izao.

Ny kisary aloha tokony hotazonintsika farany azontsika hatao ny tsy hiakaran’ny hafanana amin’ny fanimbana ny tontolo iainana(…).Ny zavatra faharoa, tsara hofantarina izao zavatra iainantsika izao anefa tsy tena hoe sary ratsibe fa misy azo ataontsika atao ny mampifanaraka azy amin’ny fiainantsika satria misy tombontsoa ihany koa. Ny fisian’ny rivodoza, aza adino fa raha vao tsy misy rivodoza isika dia tsy mahazo orana. Izany ny zavatra tena tokony hotandrovina. Fa kosa anefa mila mahay miomana isika. Mila mahay mandray fepetra isika rehefa tonga ireny fotoana ireny amin'ny fihainoana ny vaovao maro isan-karazany, indrindra indrindra ny avoakan’ny Foibem-pirenena mpamantatra ny toetry ny andro, izay mampilaza amintsika mialoha ny fihavian’izy ireny, mba hahazoantsika misitraka ny tombontsoa ao anatiny.

VAV: Maripana manahoana ny an’i Madagasikara…Ny ririninana ve izao, mihamafana ny ririnina?

TJM: Amin’ny ankapobeny izany ho an’i Madagasikara dia miha-miakatra aloha ny hafanana. Mety mahatsiaro mangatsiaka isika amin’izao fotoana izao. Fa aza adino anefa fa refesina izay hoe mafana sy mangatsiaka izay. Fa amin’ny ankapobeny raha jerena ny fironan’ny maripana dia mihafamafana isika. Miha-miakatra ny hafanana. Fa eo koa izay fahatsapana izay hoe miha-mangatsiaka isika satria ny vatantsika mihitsy no efa mihamarefo.

VAV : Teny faran’Atoa Tale Jeneralin’ny Météo taorian’izay rehetra izay?

TJM: Ny zavatra tsara fantarina, ny hampandrenesana antsika izao zavatra atao izany, mba ho fampahalalana ara-tsiantifika izao “fiovan’ny toetany” izao dia ny hahafahantsika aloha miomana sy mahafantatra ny zavatra mety hisy sy ny zavatra efa misy ary ny mety hisy any amin’ny fotoana any aoriana ho avy any. Ny zava-dehibe dia ny fiezahantsika rehetra izany miaro ny zavatra efa misy mba tsy hanampy trotraka izay fiovana izay.(…) Izay angamba no tiako hanentanana ny vahoaka. Mba hahafahana manao izay fampifanarahana izay dia anisan’ny zava-dehibe ny fanarahana ny vaovao momba ny resaka toetry ny andro. Arak’ilay nohazavaiko tany am-boalohany hoe ilay isan’andro no tena iainantsika an’ilay izy. Dia izay isan’andro izay anefa omen’ny Météo antsika ny mety ho fiovaovana isan’andro amin’ny alalan’ireo maridrefy, amin’ny alalan’ireo fitaovam-pandrefesana isan’andro. Dia ny tena hanentanana koa izany : ireny fitaovam-pandrefesana ireny dia tsara foana ny fiarovana azy satria fananana iombonana izy ireny. Dia izay koa no hanentanana ny rehetra izay afaka manampy sy manome tosika an’ireny fitaovam-pandrefesana ireny. Satria “Ny zavatra voarefy ihany no azo tantanina. Raha tsy voarefintsika io fiovana io, tsy haintsika ny mitantana an’io”.

Description de l'image
Foibe famantarana ny toetry ny andro eny Ampandrianomby

Ami Ral

11 Juillet 2025

Description de l'image

Commentaires