Magazine en ligne · N°030 · Mardi 3 Mars 2026
🔴 Flash
Dilemme de restauration et authenticité : — « Vive secousse » actuelle observée du côté du Rova, vers la démolition du Colisée ! Madagascar frappé par deux cyclones en deux semaines : Fitia puis Gezani 7 journalistes suisses en mission de presse dans le Sud malgache — 19 au 25 Fév. 2026 Harena voajanahary : maro ny zavamaniry azo avadika ho solika bio ! Asa amin'ny sambo cruise ship — Nomena Jacques Euraldo anisan'ny mpiasa Dilemme de restauration — vers la démolition du Colisée du Rova après verdict du tribunal ! Madagascar frappé par deux cyclones en deux semaines : Fitia puis Gezani 7 journalistes suisses en mission de presse dans le Sud malgache — 19 au 25 Fév. 2026 Harena voajanahary : maro ny zavamaniry azo avadika ho solika bio ! Asa amin'ny sambo cruise ship — Nomena Jacques Euraldo anisan'ny mpiasa

🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.

Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin'ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana

Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l'artisanat

Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts

📰 « Découvrez nos articles récents et Archives »
🏪 « Découvrez les Offres de nos Espaces »
Asa amin'ny sambo
Asa amin'ny sambo "cruise ship"

Asa amin'ny sambo "cruise ship" :
Mandray mpiasa avy amin ny firenena maro, anisany i Nomena Jacques Euraldo

Asa iray efa maro mpanao nefa mbola tsy dia fantatra loatra eto Madagasikara ny asan'ny tantsambo amin'irony antsoina hoe "Cruise Ship" irony na "bateau de croisière". Misy amin'izy ireny mandray mpiasa avy amin'ny firenena maherin'ny fitopolo ka anisan'izany ny teratany malagasy Nomena Jacques Euraldo, izay monina any ivelany ankehitriny. Mikasika izany dia manazava ny tontolon'ny asa tatsambo amin'ny sambo « cruise ship » i Nomena Jacques Euraldo , araka ny zavatra navoakany tao amin'ny Pejy fesiboky "Malagasy en France" tamin'ity volana Febroary 2026 ity.

NY ATAO HOE "CRUISE SHIP"

Nomena Jacques Euraldo – Cruise Ship

Sambo lehibe mpitondra mpandeha mpanao vakansa na koa hoe "Hôtel flottant" ny « cruise ship ». Any ivelany dia efa tena malaza be sy maro mpankafy ny fandehanana amin'izy ireny. Manomboka amin'ny zaza hatramin'ny antitra dia tia mandeha sambo "croisière" avokoa. Misy aza moa ny vazaha efa misotro ronono dia efa namany mipetraka anatin'ireny sambo ireny satria mijanona am-bolana maromaro ao, dia mody kely herinandro fotsiny, avy eo miverina indray.

Teratany amerikanina ny ankamaroan'ny mandeha aminy, arahin'ny kanadianina, latino, ny karana avy any Inda, ary ireo firenena maro samihafa. Fa ireo voalaza ireo no tena maro. Arakaraka ny toerana hiantsonan'ny sambo koa no mety hahamaro ny karazana teratany avy amin'ny firenena entin' ilay sambo. Ohatra sambo miantsona any Sina dia mety Sinoa no ankamaroan'ny mpandeha ao. Raha miantsona any Eoropa dia Eopeanina no ankamaroan'ny mpandeha ao, raha any Etazonia dia Amerikanina mazava ho azy.

Maro be ny kaompania mampiasa sambo "cruise ship", raha tsy hilaza afa-tsy ny Royal Caribbean international, MSC, carnival cruise, costa, Norwegian cruise line, Disney,... sy ny maro tsy voatanisa. Isaky ny seranantsambo ao Amerika dia ahitanao "cruise ship" miantsona avokoa avy amin'ireo kaompania samihafa ireo. Ny sambo tsirairay dia samy manana ny zotrany. Ohatra hoe miala amin'ny seranantsambon'i Canaveral, Orlando floride izy dia mandeha mitety toerana maromaro, ohatra cozumel, Mexico, Roatan, Honduras, Costa maya, Mexico, Nassau, Bahamas, dia miverina ao seranantsambon'i Canaveral, Orlando indray. Dia ohatran'izay foana isan-kerinandro, Santionany fotsiny ireo nomena ireo. Tsy voatery ireo daholo no ataon'ny sambo tsirairay fa samy manana ny azy. Izany hoe anatin'ny herinandro ianao mahatety firenena telo na efatra. Izay no mahatsara azy. Amin'ny maha hôtely azy izay dia marobe ny asa misy sy azo atao, na ho an'ny lehilahy, na ho an'ny vehivavy. Andray indray horesahina ny momba ny asa atao.

📅 20 Février 2026

ASA ATAO

Inona ny asa atao ao ? Misy asa hoan'ny vehivavy ve ? Ahoana no atao raha hiditra hiasa ao ?

Tsara marihuana eto am-boalohany aloha fa "Royal Caribbean" no resahina eto satria izay no azon'ny mpitantara antoka fa hainy ny momba azy. Ny kaompania Royal Caribbean dia manao fandraisana mpiasa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Maherin'ny fitopolo ny mpiasa ao ary anisan'izany ny avy eto Madagasikara. Ny fahaizana teny anglisy no fanalahidy voalohany ahafahana miasa ao dia miampy traikefa amin'ny hotely kintana efatra. Fara-fahakeliny iray na roa taona ny traikefa niasana amin'ny asa tiana hatao fa miovaova arakaraka ny tolotr'asa. Tsy voatery traikefa amin'ny hôtely kosa anefa. Misy koa asa sasany toy ny mpitsabo, inferrmiera, sns ... Efa-bolana fara-fahakeliny ka hatramin'ny 9 volana fara-fahabetsany ny fifanarahana mijanona anaty sambo. Tsy misy andro tsy iasana fa "pause" lava no omeny isan'andro. Miasa adiny 8 ka hatramin'ny adiny 14 ora isan'andro ny mpiasa iray.

Manomboka eo amin'ny 850 dôlara ka hatramin'ny 4000 dôlara isam-bolana ny karama raisina ho an'ny Asa salantsalany. Arakaraka ny sambo hiasana ny fiovana. Mety ho tafakatra 5000 dôlara ka hatramin'ny 10 000 dôlara rasa ambony. Isaky ny 15 andro ny fandraisam-bola. Koa satria mitovy amin'ny hôtely kintana dimy ny "cruise ship" dia misy tolotr'asa mihoatra ny 1000 ny asa ao.

Cruise Ship

ASA HO AN'NY VEHIVAVY

Misy asa maro be natokana ho an'ny vehivavy ao toy ny asa amin'ny "restaurant", sns ... Royal Caribbean dia tsy mametra taona fa rehefa mahafeno ny fepetra ilainy ianao dia raisiny. Tsy misy kolikoly sy fandovam-bola amin'ny Agence ny fidirana ao. Azo atao ny manatona Agence officiel an'ny Royal Caribbean raha te hiditra hiasa ao. Ho an'ny Madagasikara manokana aloha dia mbola tsy misy mpikarakara fa ny azo atao dia ny manao fangatahana miantana amin'ny alalan'ny tranonkalon'ny orinasa. Marihana fa tsy misy antoka ny fandraisana raha manao "en ligne". Ny azoko ambara kosa dia efa maro no voaray tamin'ireo nanao fangatahana "en ligne" fa maro koa ny tsy voaray. Mitaky faharetana, fikirizana, ary fandaniam-potoana sy vola rehefa hanao azy. Indrindra amin'ny fikarakarana dosie.

Fehiny, "Ekena fa ilay karama no mahaliana antsika hiasa aty fa kosa mila fitiavana sy finiavana be ary traikefa ny fandehanana aty. Adinoy ny lalana ambanin'ny tany raha te hiasa amin'ny royal fa tsy izay manam-bola rehetra no lasa aty". Ny fahaizana tenim-pirenena no fanalahidy voalohany. Mianàra tenim-pirenena, dia mangalà traikefa amin'ny asa izay tianao atao.

Nanangona Ami Ral

Tourisme
Deux cyclones Madagascar
Tourisme & Catastrophes naturelles

Tourisme à Madagascar : des paysages affectés par le passage de deux cyclones

[Aujourd'hui, l'inquiétude porte sur l'état de ces circuits touristiques] Madagascar a été fouetté par le cyclone deux fois en deux semaines. Après Fitia, c'est Gezani qui est venu balayer une partie du littoral. Deux villes portuaires figurent parmi les plus durement touchées : Toamasina (côte Est) et Mahajanga (côte Ouest).

📅 20 Février 2026 Lire la suite
Culture & Société
Environnement
Énergie & Biodiversité

Harena voajanahary eto Madagasikara : Maro ny zavamaniry azo avadika ho solika bio !

Manoloana ny fiakaran'ny vidin-tsolika sy ny fiovaovan'ny toetr'andro maneran-tany, mitady vahaolana maharitra ny firenena maro. Ho an'i Madagasikara, izay manankarena zavamaniry sy harena voajanahary, dia azo trandrahana sy tombony lehibe ny fanamboarana solika bio na biocarburant avy amin'ny vokatra eto an-toerana.

Anisan'ny zavamaniry heverina ho manana ho avy mamiratra amin'ny famokarana biodiesel ny Jatropha (Jatropha curcas). Ny voany dia ahitana menaka avo lenta izay azo ahodina ho solika biodiesel ampiasaina amin'ny milina sy fiara sasany.

📅 20 Février 2026 Araho ny tohiny

✨ Promo Voyage Madagascar — Découvrez nos offres !

🏝️ Séjour — Réservez maintenant !

🍯 Produits artisanaux — 100% Made in Madagascar

📸 Votre publicité ici — Contactez-nous

🎶 Festival Culturel — Ne manquez pas l'événement !

⚽ Sponsoring Football — Votre marque en avant !

Publicité Voandalana

Commentaires