🎭 ** Voamaintilany - Divers et divertissements**.

🏄♂️ *Prêt pour l'aventure et les activités sportives? Vivez des expériences uniques et des sensations fortes au cœur de paysages naturels d'une beauté rare.

“Fitsapana Maraina”


Fomba amam-panao rehefa misy mana-manjo[Tohiny pejy]

[Mandritra izany dia miverina mandray fitenenana indray ny solon-tenam-pianakaviana ilazany ny dinidinika tsara ho fantatry ny fokonolona mikasika ny fandevenana]

Anisan’ny miavaka ao anatin’ny faritra Analamanga koa ny eny Ambohimanarina sy Antehiroka. Tsy inona izany fa ilay atao hoe « Fitsapana maraina », izay fomba amam-panao rehefa misy mana-manjo. Fomba fanao efa hatry ny ela izy io, ary mbola dimbiasan’ireo taranaka aty aoriana tsy misy fanavahana, na zanatany io, na mpihavy. Kolontsaina mbola manjaka hatramin’izao « ny fitsapana maraina », izay tanterahana manomboka amin’ny dimy ora maraina eo ka hatramin’ny enina ora sy sasany maraina. Izany dia fotoana hihaonan’ireo fokonolona amin’ny mana-manjo ary anatanterahan’ny fokonolona ny adidiny amin’ny alalan’ny alalan’ny fanangonana vola izay voatsirambin’ny tanana. Aterina amin’ny mana-manjo izany ary atao anaty valopy ho solon’ny singan-dandy ho an’ny maty, ary ny vola madinika kosa dia solon-dranom-bary tsy masaka ho an’ny velona. Fomba fanehoana ilay firaisan-kinan’Ambohimanarina sy Antehiroka izany.

Kabary

Aorian’izay dia misy ny kabary fisaorana, izay ataon’ny solon-tenam-pianakaviana. Vita izay dia mamaly kabary koa ny solon-tenan’ny fokonolona. Mandritra izany dia miverina mandray fitenenana indray ny solon-tenam-pianakaviana ilazany ny dinidinika tsara ho fantatry ny fokonolona mikasika ny fandevenana. Marihina fa izany “fitsapana maraina” izany dia atao amin’ny andron’ny fandevenana ihany sady fotoana anararaotan’ireo mpamangy avy amin’ny fiaraha-monina na mpifanolo-bodirindrina manatanteraka ny adidiny. Na eo aza izany “fitsapana maraina” izany dia tsy mahasolo ny famangiana fitsapana alahelo fanao mahazatra io fomban-tany io. Fanararaotana entina mampiseho ny fahaiza-manao eo amin’ny lafiny kabary ihany koa no anisan’ny zava-kinendrin’ity fomban-tany iray ity. Ankoatr’izay, maro olona havanana amin’ny kabary iny faritra iny. Mety ho anisan’ny vokatr’ilay “fitsapana maraina”, izay misintona ny sain’ny olona mba handalina kabary koa ve izany?

Description de l'image
Anisan’ireo mbola nahatahiry ny fomban-drazana fanehoana firaisankina rehefa misy an-karatsiana ny eny Ambohimanarina sy Antehiroka

Mandrato

12 Juillet 2024

Fisotroana


Hamamoana niafara tamin’ny famoizana aina

Misy ohabolana iray izay ao atsimotsimo ao manao hoe “Tsy izy no mamo fa ny toaka no mahery!” Met miafara amin’ny famoizana aina tokoa ny toaka rehefa diso tafahoatra. Tena nisy ity tantara izay niseho teto Andrenivohitra ity. Tsy vao sambany akory no nahenoana fa hoe nisy olona maty vokatry ny fisotroana toaka. Ao ireo mamo tampina dia matory tsy mifoha intsony. Etsy an-daniny, misy koa ireo maty eo am-pisotroana mihitsy. Iray amin’izay, ohatra ity lehilahy iray, izay mamo tampina ary niafara tamin’ny famoizany ny ainy. Tranga izay niseho ny atoandro, iray andro mialohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena teo iny. Marihina fa mpinamana teo amin’ny dimy lahy teo ry zareo no niara-nisotro fa izy no tena mamo tampina ka tonga hatrany amin’izao fahafatesana izao tao anaty fotoana fohy monja. Raha ny voalazan’ny nitantara dia toaka ilay tena mahery, izany hoe ambony taha alikaola irony mihitsy no nosotroan-dry zareo ireto. Indrisy moa fa hafaliana sy fahasambarana no saika hotadiavina kinanjo loza indray no nihatra teo amin’ireo fianakavian’ny maty. Olona mbola ao anatin’ny fahatanorany satria vao 24 taona monja ity nindaosin’ny fahafatesany ity. Mety azo adika ho andro miditra na lalam-piainana tokoa ve izany…?

Mandrato

12 Juillet 2024

Ohabolana/Proverbe :


« Ny lalana iverenana tsy anaovan-dratsy »

Hatsikana


Tsy misy fiovana

Niditra tao amin’ity magazay iray ity mpanjifa mahazatra. Nijoro elaela tao izy sady nitoditodika. Nanontany azy ilay mpivarotra : « Inona ny anao izay azafady ? » Tsy namaly anefa ilay mpanjifa fa avy hatrany dia nivoaka ny varavarana. Tonga indray izy ny ampitson’iny. Dia nanontany azy indray ilay mpivarotra. Mbola tsy namaly ihany ilay mpanjifa fa avy dia nivoaka. Ny afakampitson’iny dia tonga indray ilay mpanjifa mahazatra. Nanontany azy indray ilay mpivarotra fa tsy namaly izy fa avy dia nivoaka. Nohazonin’ilay mpivarotra ny tanany ary tsy navelany nivoaka. « Fa ianao ity ve mananihany e ? », hoy ilay mpivarotra taminy. Tonga ato foana ianao isan’andro, anontaniana ianao ny amin’ny zavatra tadiavinao nefa tsy mamaly fa avy dia mivoaka. « Tsy mamaly aho satria isaky ny tonga ato aminao aho dia io soratra io foana no hitako manao hoe « Tsy manao trosa anio, miverena rahampitso . Isaky ny miverina anefa aho dia tsy misy zavatra miova fa mbola io foana no hitako ».

12 Juillet 2024

Description de l'image

Commentaires