🏨 ** Mahaliana - Environnement et Tourisme **.
🏝️ * À la recherche d'un lieu d'exception pour votre escapade? Plongez dans l'univers des hébergements charmants et des séjours inoubliables au cœur de cette destination enchanteresse.
Fotoam-pialantsasatra
Ireo tsara ho fantatra rehefa hizaha tany
[Ny fizahantany mantsy no tena manosika ny toekarenan’ny tanànan’i Nosy be ary manana ny mampiavaka azy manokana izy amin’ny fandraisana sy fananana fotodrafitrasa momba ny fizahantany.]
Efa fotoam-pialantsasatra isika izao. Inona no tsara ho fantatra mikasika ireo toerana azo tsidihina sy hanaovana « vacances », na fialantsasatra ? Raha ny eto an-toerana misy ny nosintsika manokana, maro ny toerana azo tsidihina sy hialana voly. Tena manan-karena tokoa isika raha io lafiny iray io no resahina, saingy ohatry ny tsy mahaliana na mahasarika antsika eto an-toerana loatra izy ireny. Toa ireo vahiny avy any ivelany indray no liana kokoa. Noho ny antony ara-bola angamba sa tsy fahampian’ny fahampafantarana? Koa ho fanampiana antsika, indro misy tondro zotra ho fampahafantarana ireo azo tsidihina sy anaovana fizahantany eto an-toerana.
Amin’ny ankapobeany mantsy, saika mionona fotsiny amin’ny fananana havana na fianakaviana, na koa rehefa misy adidy ara-pianakaviana atao, na manararaotra ny asa (ho an’ny mpiasa tsy miankina na mpiasam-panjakana) ny Malagasy vao mba miala sasatra. Ny ankamaroany tsy dia manokana vola hanaovana fialantsasatra loatra noho ny antony iaraha-mahalala. Izay no isarihana ny saintsika hahafantra ireny toerana kanto sy mahasoa ireny.
Avaratra sy avaratra andrefana
Raha hiresaka manokana iny faritra avaratra iny dia anisan’ny manana ny maha izy azy sy ny lazany tokoa i Madagasikara raha tsy hiteny afa-tsy i Nosy be-Hellville. Ankoatry ny torapasika sy ny fisian’ny « ylang ylang », izay nanomezana azy anarana hoe « nosy manintra », mbola maro ireo nosy kely azo tsidihina misy valanjavaboary any an-toerana. Ny fizahantany mantsy no tena manosika ny toekarenan’ny tanànan’i Nosy be ary manana ny mampiavaka azy manokana izy amin’ny fandraisana sy fananana fotodrafitrasa momba ny fizahantany. Alohan’ny handehanana any Nosy be dia tsy maintsy mandalo ao Ambanja renivohitry ny cacao aloha.
Raha mianavaratra kokoa isika dia mandalo an’Ambilobe, mipaka hatrany Antsiranana izay manana ny torapasika Ramena. Anisan’ny tsara sy tony tokoa io torapasika io. Tsy adino ny Nosy Lonjy, izay anisan’ny ahafantarana an’Antsiranana rehefa mandalo amin’iny faritra avaratra iny. Toy izany koa ny mitsidika ny « Lac sacré » ao Anivorano, izay manana ny tantarany manokana, ary i Antalaha renivotry ny lavanila.
Raha i Mahajanga manokana indray dia anisan’ny toerana mahavantana koa. Mialohan’ny hihazo an’i Mahajanga dia mandalo ny valan-javaboaharin’Ankarafantsika. Rehefa tonga ao an-tapon-tanànan’i Mahajanga, anisan’ny mampalaza azy manokana ny fisian’ny « Bord de la mer » sy ny baobab lehibe sy antitra tokoa. Mampiavaka an’i Mahajanga koa ny hafanana. Manana torapasika sy morondranomasina malalaka koa izy, toy ny tora-pasiky ny « Grand pavois » sy ny « Petite plage », ny eny Amborovy tsy adino, ary ny « Cirque rouge ». Mbola afaka mitsidika an’i Katsepy koa raha mandray botry avy eo Mahajanga.
Atsinanana sy atsimo andrefana
Raha midina miantsinana mihazo ny lalam-pirenena faha-2 indray dia tonga eo Moramanga. Eto no sampanana fizaran’ny lalana mankany Ambatondrazaka sy Toamasiana. Raha eo Moramanga no mianavaratra dia mihazo ny faritr’Alaotra misy ny farihin’Alaotra. Ity farany no farihy lehibe indrindra eto Madagasikara sady sompitry ny vary, izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Raha eo Moramanga no midina miantsinana, vao miala kely ny tanànan’i Moramanga dia mandalo an’Andasibe, izay misy valan-javabohaary ahitana ala sy gidro maro samihafa. Raha mbola manohy ny lalana dia tonga eo amin’ny sampanana mankany Vatomandry. Ity no moron-dranomasina anisan’ny akaiky ny renivohitra indrindra. Raha mitohy ihany ny lalana dia mihazo an’i Brickaville, izay sampanana mankany Manambato misy ny tora-pasika ranomamy. Ao amin’io faritra Manambato io ihany koa no ahitana ny « Lac Rasoabe ». Rehefa tonga ao Toamasina dia eto no misy ny seranantsambo lehibe indrindra eto Madagasikara, izay manosika ny toekarena.
Lôlô Randria
12 Juillet 2024