🎨 ** Hairaha - Art et Business **.

🎭 *Explorez les trésors artistiques et artisanaux locaux, reflets de la culture et de la créativité de cette terre aux multiples facettes.

Sobika sy Fatambary


Samy manana ny asany

Samy hafa ny sobika na sobiky sy ny fatambary ary avy amin’izay rahateo no nahatonga ilay ohabolana hoe « Izay tsy mahay sobiky mahay fatambary ». Entina ilazana olona manana talenta na fahaizana taozavatra samihafa izy. Fa inona no mampiavaka azy ireo ? Ny sobika dia lehibe fa ny fatambary kosa kely. Ny sobika matetika dia saika vita avy amin’ny bozaka, na koa amin’ny vendrana, toy izay ihany koa ny fatambary. Saingy, lehibe sady matevina ny rary anaovana ny sobika raha kelikely sady fisaka kosa ny rary anaovana ny fatambary. Lehibe ny vavan’ny sobika fa kely kosa ny an’ny fatambary. Tsy mitovy ny fampiasana azy ireo. Ny sobika, noho izy lehibe sy mafy dia natao hitondrana entana betsaka na mavesatra. Ohatra amin’izany ny fitaterana tany. Azo lolohavina izy amin’izany, na koa sakelehina ny fitondrana azy. Matetika koa dia ampiasaina rehefa misy manao raharaha ny sobika, ohatra hoe asiana varimasaka.

Momba ny fatambary indray, natao ametrahana na itondrana vary akotry na varifotsy izy, araka ny anarany. Ny faritra rehetra eto Madagasikara dia saika ahitana sy mampiasa sobika. Amin’ny ankapobeny anefa dia ny faritra afovoantany no tena ahitana azy sy betsaka mpanamboatra sobika. Ny faritra afovoantany rahateo no ahitana bozaka betsaka maniry eny an-tanety. Marihina fa mitovitovy fanononana amin’ny teny malagasy ihany ny anaran’ny sobika amin’ny teny frantsay. Asa izay taloha amin’izy anankiroa ireo. Ny teny gasy ihany ve no navadika teny frantsay, sa ny teny frantsay no nalaina tahaka nanaovana ny sobika ho antsika teto Madagasikara ?

Description de l'image
Anisan’ny nandray anjara tamin’ny hetsika « Santa-bary » teny Talatamaty koa ny mpanao asa tanana

Ral

12 Juillet 2024

Description de l'image

Commentaires