🚗✈️ Mbay Lalana 🧳🌺 - Laissez passer.
🛩️ *Quels moyens de transport privilégier pour explorer les trésors de cette île envoûtante? Découvrez les astuces et conseils pour un voyage inoubliable à travers ses paysages captivants.
EDITO : Voankazo an’Ala
Mpirahalahy mianala
Tsy misy ny mpitatitra raha tsy misy ny hotaterina, na olona io, na entana. Ireto farany koa anefa tsy afaka hiteny fa tsy ilaina ny mpitatitra. Samy tsy misy mahavita tena. Mifampiankina ny mpitatitra sy ny mpandeha na mpanjifa amin’ny ankapobeny. Tsy ho tonga amin’izay halehany ny olona na ny entana raha tsy eo ny mpitatitra. Torak’izany koa ny mpitatitra, tsy miasa izy ireo rehefa tsy misy mpandeha na tsy misy entana taterina. Noho izany dia mpirahalahy mianala ny mpitatitra sy ny mpandeha ary ny mpanjifa, ny iray tokin’ny anankiray, ny iray aron’ny anankiray. Tsy izany ihany anefa. Manao asa ho an’ny vahoaka koa ny mpitatitra. Izany no mahatonga azy ireo antsoina matetika hoe fitateram-bahoaka, izay fehezin’ny bokin’andraikitra rahateo. Tsy mitovy amin’ny fitaterana tsotra ny manao fitateram-bahoaka fa misy hatrany ny fifampitsinjovana eo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany. Izany hoe tokony hitsinjo ny soa ho an’ny mpandeha sy ny mpanjifa ny mpanao fitaterana. Kanefa tokony hitsinjo izay tsy hahafaty antoka ny mpitatitra koa ny mpandeha sy ny mpanjifa. Tsy tokony hifamilafila ny roa tonta. Tsy hoe rehefa amin’ny fotoana be olona mpandeha iny vao tsy hita indray ny mpitatitra.
Fa misy zavatra tsy azo odian-tsy hita koa anefa ny olan’ny fitaterana sy ny mpanao fitaterana. Iray amin’izany ilay tranga fitokonana vao niseho farany teo. Marina fa raharahan-tokantranaon’ny samy mpanao fitaterana izy io saingy misy fiantraikany any amin’ny mpandeha koa raha tsy voavaha.
Mandrato
12 Juillet 2024
Transport public : Bus et Taxi-brousse
Une hausse du tarif en gestation !
Actuellement, une hausse du tarif est en gestation au niveau du transport public, aussi bien pour le bus que pour le taxi-brousse. Si cette intention de révision à la hausse n’est pas à écarter pour de nombreux transporteurs, elle est inévitable, voire imminente pour d’autres. La raison invoquée serait liée à une probable hausse du prix du carburant prochainement. Outre cela, pour les transporteurs desservant des lignes nationales à Madagascar, on avance aussi comme arguments, entre autres, les charges engendrées par l’augmentation de la consommation de carburant, ainsi que les coûts d’entretien, à cause du mauvais état actuel des routes. Toutefois, le nouveau tarif et la date de son application restent encore à déterminer pour les coopératives de transport urbain, plus précisément pour le bus qui se charge quotidiennement du transport public dans la capitale. D’ailleurs, des réunions de concertation ont été prévues entre les coopératives de transport urbain pour trouver une entente allant dans ce sens. Tandis qu’une autre coopérative, figurant dans la liste des transporteurs de voyageurs desservant des lignes nationales, a déjà fait savoir que cette hausse sera appliquée à partir du mois d’Août prochain, sans pouvoir avancer le nouveau tarif.
Ral
12 Juillet 2024
Zotra-Lignes et itinéraires
Zotra 194
Misy karazany telo ny zotra 194. Ny zavatra itovizany dia samy miainga eny Andranomena daholo izy telo. Ny maha samy hafa azy indray dia tsy mitovy ny lalana andalovany sy ny fiafaran’ny zotra, izany hoe ny « teriminus ». Anankiray amin’ireo telo ireo, ohatra, ny zotra manana famntarana misy takelaka ahitana ny laharan’ny zotra miloko menamena. Miainga eo Andranomena izy io, mandalo an’Ambohimanarina, avy eo Tsaraasaotra, Ankorondrano, Andravoahangy, Anjanahary, Ampasampito, ary miafara eny amin’ny « Mausolée » sy Ankatso. Rehefa miverina izy dia miainga eny Ankatso akaikin’ny « Mausolee » indray, mandalo an’Ampasampito, Anjanahary, Andravoahangy, Ambodivona, Ankorondrano, Tsarasaotra, Ambohimanarina, Ambohidroa, ary miafara eo Andranomena.
12 Juillet 2024
Topimasom-baovao
# Nitokona ny bus manao zotra 15 ny herinandro lasa iny. Fanoherana ny ambaran’ireo mpamily sy ny mpanampy azy fa « jadona » mihatra aminy no antony. Tadiavin’ny kaoperativa momba ny fitaterana hakarina 19 000 ariary isan’andro ny vola haloan’izy ireo raha 17 000 ariary izany ankehitriny, araka ny nambarany. Ny an’ny kaoperativa hafa anefa antsasany mihoatra noho izany. Tsy vitan’izay fa mbola mandoa 50 000 ariary izy ireo rehefa voasazy noho ny fitarainan’ny mpandeha. Nilaza ny mbola hanohy ny fitokonana ireto mpiasa amin’ny fitateram-bahoaka manao zotra 15 ireto raha tsy misy ny vahaolana. Marihina fa ny zotra 15 dia mitatitra mpandeha manomboka eny amin’ny 67 Ha, mandalo an’i Tsimbazaza ary tonga hatreny Mandroseza.
# Nidina ifotony nijery ny asa fanamboarana ny arabe migodana « autoroute » ny avy ao amin’ny Fitondrana ny andron’ny 2 jolay 2024 lasa teo. Tsiahivina fa mirefy 260 kilaometatra ny halavany ary ezahina hovitaina hatramin’ny faran'ity taona ity ny 25 kilaometatra ampahany voalohany amin'izany arabe migodana izany. Tanjona napetraka ny hamitana azy tanteraka hatramin’ny taona 2027. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny ity arabe migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina ity. Heverina fa hatao ao anatin'ny adiny 2 ora sy sasany monja ny faharetan’ny lalana rehefa vita izy io raha toa ka adiny roa ambin'ny folo ora no fotoana lany amin'ny lalam-pirenena faharoa amin’izao. Vinavinaina ho maro ny tombontsoa ho azon'ny firenena malagasy rehefa vita izany fotodrafitrasa goavana izany, toy ny fihenan'ny fandaniana solika sy ny vidin'ny fitaterana ireo entana izay hifanindran-dalana amin'ny fihenan'ny vidim-piainana, ary ny fampiroboroboana ny fizahantany.
# Vita ny andrana ara-teknika ho an'ny fitaterana teleferika volomboasary. Ny andron’ny 21 jona, mialohan’ny fetim-pirenena, no nanatanterahana izany nanomboka teo Anosy ka hatrany Soarano. Tonga nisantatra niaraka nanao ny andrana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Vahaolana napetraky ny Fitondram-panjakana amin'ny fitohanana noho ny fitomboan'ny mponina eto an-drenivohitra ny fitaterana an-tariby na ny teleferika. Tanjona ny hananana fitateram-bahoaka marolafy, maoderina, manaja ny tontolo iainana ary mampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Marihina fa hisokatra ho an’ny daholobe ity fitaterana teleferika ity rehefa mipetraka ny orinasa hiandraikitra izany.
# Hisokatra ny sidina iray vaovao eo amin’ny zotram-pitaterana an’habakabaka avy any ivelany mampitohy mivantana an’i Israel sy Nosy Be. Vinavinaina hanomboka hiasa tanteraka amin’ny volana desambra amin’ity taona ity io sidina io. Hampifandray mivantana an’i Tel Aviv ao Israel sy Nosy Be ity sidina ity rehefa miasa. Araka ny fantatra dia maro ireo mpizahatany teratany Israeliana no maniry hitsidika an’i Madagasikara. Noho izany dia ho fampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara sy ao Nosy Be io sidina io rehefa misokatra no sady fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny tany roa tonta.
Nangonin’i Ral
12 Juillet 2024