EDITO : Voankazo an’Ala

Mpirahalahy mianala

Tsy misy ny mpitatitra raha tsy misy ny hotaterina, na olona io, na entana. Ireto farany koa anefa tsy afaka hiteny fa tsy ilaina ny mpitatitra. Samy tsy misy mahavita tena. Mifampiankina ny mpitatitra sy ny mpandeha na mpanjifa amin’ny ankapobeny. Tsy ho tonga amin’izay halehany ny olona na ny entana raha tsy eo ny mpitatitra. Torak’izany koa ny mpitatitra, tsy miasa izy ireo rehefa tsy misy mpandeha na tsy misy entana taterina. Noho izany dia mpirahalahy mianala ny mpitatitra sy ny mpandeha ary ny mpanjifa, ny iray tokin’ny anankiray, ny iray aron’ny anankiray. Tsy izany ihany anefa. Manao asa ho an’ny vahoaka koa ny mpitatitra. Izany no mahatonga azy ireo antsoina matetika hoe fitateram-bahoaka, izay fehezin’ny bokin’andraikitra rahateo. Tsy mitovy amin’ny fitaterana tsotra ny manao fitateram-bahoaka fa misy hatrany ny fifampitsinjovana eo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany. Izany hoe tokony hitsinjo ny soa ho an’ny mpandeha sy ny mpanjifa ny mpanao fitaterana. Kanefa tokony hitsinjo izay tsy hahafaty antoka ny mpitatitra koa ny mpandeha sy ny mpanjifa. Tsy tokony hifamilafila ny roa tonta. Tsy hoe rehefa amin’ny fotoana be olona mpandeha iny vao tsy hita indray ny mpitatitra.

Fa misy zavatra tsy azo odian-tsy hita koa anefa ny olan’ny fitaterana sy ny mpanao fitaterana. Iray amin’izany ilay tranga fitokonana vao niseho farany teo. Marina fa raharahan-tokantranaon’ny samy mpanao fitaterana izy io saingy misy fiantraikany any amin’ny mpandeha koa raha tsy voavaha.

Mandrato

12 Juillet 2024

Commentaires