Catastrophes naturelles - Madagascar un des pays les plus vulnérables au monde !

🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.

Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin’ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana

Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l’artisanat

Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts

« Découvrez nos articles récents et Archives »

« OFFRES »

Voankazo :


Hafa ihany ny poara gasy !

Anarana samy miantomboka amin’ny “P” daholo na paiso, na paoma, na poara. Mikasika ity farany dia efa mitobaka eny an-tsena izy amin’izao kanea mbola hafa ihany ny poara gasy. Mbola ny poara gasy aloha izao no amidy, izay efa hita teny an-tsena nanomboka tany amin’ny desambra ny taona lasa. Mbola azo lazaina hoe mora ny vidiny amin’izao satria 1000 ar dia efa mahazo toko iray ary eo amin’ny 4000 ariary na latsak’izay ny vidin’ny iray kilao. Ny poara gasy aloha no tena tian’ny mpanjifa, hoy ny mpivarotra. Misy koa poara hafa, izay poara grefy. Somary mafimafy ny hoditr’izy io. ary tsy dia tian’ny mpanjifa loatra. Rehefa tapitra ny poara gasy dia miakatra inday io karazana poara faharoa io. Amin’izao fotoana izao dia mbola tsy miakatra io poara karazany faharoa io. Marihina fa any amin’ny faritr’i Vakinankaratra no tena mamboly poara, tahaka ny paoma ihany.

Vokatsoa

Maro ny vokatsoa azo avy amin’ny poara no sady azo aodina hanaovana karazan-javatra tahaka ireto izy:

-Hamainina

-Hatao kaofitira

-Hatao ranomboankazo

Matsiro sady tsara ho an'ny fahasalamanao, ireto ny tombontsoa azo avy amin'ny poara: Mamelona ny vatana (84% ny rano ao anatiny).

Manankarena vitamina C, antioksida mahery vaika.

Manatsara ny fifandanjan'ny asidra sy ny fotony, noho ny votoatin'ny potasioma ao anatiny. Manampy amin'ny fandevonan-kanina noho ny votoatin'ny fibre ao anatiny.

Ambany kaloria nefa manankarena otrikaina: vitamina, singa madinidinika, ary mineraly izay mandray anjara amin'ny sakafo voalanjalanja.

: Maro ny vokatsoa azo avy amin’ny poara
Maro ny vokatsoa azo avy amin’ny poara

Ami Ral

✨ Promo Voyage Madagascar - Découvrez nos offres !

🏝️ Séjour - Réservez maintenant !

🍯 Produits artisanaux - 100% Made in Madagascar

📸 Votre publicité ici - Contactez-nous

🎶 Festival Culturel - Ne manquez pas l’événement !

⚽ Sponsoring Football - Votre marque en avant !

Publicité moderne

INFORMATION

Siège Social: Lot IVF 219 Abis Ambodihady Ambohimanarina
101-Antananarivo Madagascar
Tél: +261 34 36 070 82 / +261 34 72 608 16 / +261 33 24 331 00
Mail: voandalana@voandalana-amiduvoyageur.mg
Mail: amiduvoyageurvoandalana@gmail.com
site: www.voandalana-amiduvoyageur.mg

Responsable de publication et Rédacteur en chef

RAHERIMANDRATOSOA Vonison Jedidie

Pour toute information supplémentaire, n'hésitez pas à nous contacter, nous sommes à votre écoute !