Catastrophes naturelles - Madagascar un des pays les plus vulnérables au monde !
🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.
Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin’ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana
Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l’artisanat
Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts
« Découvrez nos articles récents et Archives »
« OFFRES »
TAOMBAOVAO MALAGASY :
MBOLA MITADY DATY MARIMARITRA IRAISANA FOANA HATRAMIN’IZAO !
[Fa inona no tena fototry ny olana tsy mampifanaraka ireo mpitahiry ny fomban-drazana sy mpankalaza ny taombaovao malagasy eto amintsika?]
Hifanaraka indray sa tsia ? Momba ny fankalazana ny taombaovao malagasy no tiana tenenina, izay mbola itadiavana daty marimaritra iraisana na ifanarahana foana hatramin’izao. Fantatra izao fa misy indray amin’izao finiavan’ny tompon’anndraikitra ara-panjakana hampiombona ireo mpitahiry ny fomban-drazana hifanaraka sy hamaritra daty iraisana hankalazana ny taombaovao malagasy. Tsy vao izao akory no nisy izao fikasana hitady daty tokana ifanarahan’ny maro hanaovana fankalazana ny taombaovao malagasy. Taona vitsivitsy talohan’izao dia efa nanana izany fikasana ireo mpitahiry ny fomban-drazana sy mpankalaza taombaovao malagasy, saingy tsy mety tanteraka mihitsy izany. Miditra an-tsehatra hatrany ny fanjakana mamporisika sy manao ny fanamorana ho amin’izany fa tsy mety vita ihany. Tsy vitan’ny famaritana daty iraisana sy famoahana didim-panjakana mantsy izy ity satria raha nety izany dia efa natao teo aloha. Misy ireo mankalaza taombaovao malagasy aty amin’ny voalohandohan’ny taona, ary misy kosa manao izany any an-tenantenan’ny taona. Raha tsiahivina dia tamin’ny 29 sy 30 marsa no nankalazana ny taombaovao malagasy ho an’ny taona 2025 lasa iny, izay teny amin’ny tokotaniben’ny Rovan’i Manjakamiadana no nanaovana azy, ary teo amin’ny Kianjan’i Mahamasina no nitohy ny “Afo tsy maty” sy ny “tsimandrimandry”. Ny volana aogositra 2025 anefa dia mbola nisy fankalazana taombaovao malagasy fanindroany indray, izay nantsoina hoe “taombaovao lohataona” izy io. Izany hoe lasa misy fankalazana indroa ao anatin’ny taona iray. Asa moa na natao ho an’ireo mpankalaza taombaovao malagasy sokajy faharoa, aty an-tenantenan’ny taona no antony.
Volana
Fa inona no tena fototry ny olana tsy mampifanaraka ireo mpitahiry ny fomban-drazana sy mpankalaza ny taombaovao malagasy eto amintsika? Raha ny tokony ho izy dia izay daty voalohandohany amin’ny taona no heverina ho daty tokony hankalazana ny taombaovao malagasy. Tsy mba daty raikitra tahaka ny taombaovao araka ny kalandrie tandrefana nampidirina teto anefa izy io ka hoe isaky ny 1 janoary no taombaovao. Hafa noho izany ny famaritana ny taombaovao malagasy satria misy fombafomba arahana sy fijerena tetiandro atao eo amin’ny famaritana ny daty fankalazana. Samy manana ny azy ry zareo mpitahiry ny fomban-drazana voalaza etsy aloha ireo ka izay no antony tsy mampitovy ny andro sy daty fankalazana. Marihina fa ny taona malagasy dia avy amin’ny fanisana tetiandro mifototra amin’ny volana fa tsy mitovy amin’ny kalandrie tandrefana ankehitriny nampidirina teto, izay avy amin’ny fanisana andro miankina amin’ny masoandro. Ho hita manaraka eo indray na ho raikitra ity fikasana hankalaza taombaovao malagasy amin’ny daty iraisana ity na tsia.
Ami Ral