Catastrophes naturelles - Madagascar un des pays les plus vulnérables au monde !

🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.

Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin’ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana

Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l’artisanat

Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts

« Découvrez nos articles récents et Archives »

« OFFRES »

Fitokonan’ny Bus 194 :


Samy ahenoana fitarainana !

[Raha tsiahivina dia tamin’ny herinandro lasa teo iny no nitokony teo amin’ny sampanan-dalana eo Ampasampitso ireo fiara miasa amin’ny zotra 194 ireo.]

Tahaka ny sehatr’asa rehetra dia manana zo hitokona koa ny fiara mpanao fitateram-bahoaka rehefa misy zavatra hitany fa tsy rariny, toy izany ohatra ny Bus 194. Ny zotra 194 no mahatsiaro iharan’ny tsy rariny ka mitokona eto fa raha ny marina dia samy mitaraina, na ny mpamily bus sy ny mpanampiny, na koa ny mpandeha. Voalohany, mikasika ny mpamily sy ny mpanampiny, mitaraina izy ireo ny amin’ny antsojay ataon’ireo polisy. Voalaza fa matetika dia tapahan’ny pôlisy hatrany ny mpamily satria hoe mijanona eny amin’ny toerana tsy tokony hijanona na koa mijanona elabe rehefa manala mpandeha. Manazava kosa anefa izy ireo fa tsy fanahy iniana ary tsy avy aminy no mahatonga izany satria misy amin’ireo mpandeha olona efa osa, na koa sembana dia tsy maintsy andrasana. Indraindray tsy hita akory izay tena fahadisoany fa tonga dia manapaka (izany hoe manasazy) fotsiny sy maka vola ny polisy, arak any fiarovan-tenan’ireo mpamily bus194.

: Nitokona teny Ampasapito ny bus 194
Nitokona teny Ampasapito ny bus 194. Source : (sary Pub FB Tsetsatsetsa Tsy Aritra)

Tsy manara-dalàna

Etsy an-danin’izay anefa, mampitaraina matetika ny mpandeha koa ny afitsok’ireny bus 194 ireny. Tsy vitsy amin’izy ireo no tsy tonga any amin’ny faran’ny zotra tokony haleha fa miodina eny an-tenantenan-dalana. Ankoatr’izay, misy ihany koa ireo manivana olona eny an-dalana. Raha misy mpandeha, ohatra, manakana na miditra eny an-dalana dia anontaniana aloha hoe “mankaiza!” Raha miala eny an-tenantenan-dalana ny mpandeha dia ampidirina fa raha any amin’ny faran’ny zotra vao miala, na lazaina fa tsy tonga any ny bus, na tsy raisina tsotra fotsiny izao ilay mpandeha.

Araha-maso

Raha tsiahivina dia tamin’ny herinandro lasa teo iny no nitokony teo amin’ny sampanan-dalana eo Ampasampitso ireo fiara miasa amin’ny zotra 194 ireo. Taorian’izay moa nisy ny fihaonan’ny solontenan’ny kaoperativam-pitaterana miahy ity zotra ity sy ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Polisy Foibe eny Tsaralalana. Ny fanapahan-kevitra nivoaka tamin’izany dia hoe azo toriana izay polisy maka vola amin’ny tsy rariny amin’ireo mpamily bus ireo. Manarak’izany, izay bus tratra tsy manaja bokin’andraikitra ihany koa dia hiharan’ny sazy.

Toe-javatra mpitranga matetika eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo-renivohitra ny olana voalaza eto. Tsy amin’ny zotra 194 ihany anefa fa saika ahitana tranga toy izao ihany koa amin’ireo zotra hafa. Tsy mety ny mihaino feon-dakolosy tokana fa samy ahenoana fitarainana daholo, na ny mpamily bus noho ny ataon’ny pôlisy, na ny mpandeha ihany koa amin’ny afitsok’ireny bus ireny.

Ami Ral

✨ Promo Voyage Madagascar - Découvrez nos offres !

🏝️ Séjour - Réservez maintenant !

🍯 Produits artisanaux - 100% Made in Madagascar

📸 Votre publicité ici - Contactez-nous

🎶 Festival Culturel - Ne manquez pas l’événement !

⚽ Sponsoring Football - Votre marque en avant !

Publicité moderne

INFORMATION

Siège Social: Lot IVF 219 Abis Ambodihady Ambohimanarina
101-Antananarivo Madagascar
Tél: +261 34 36 070 82 / +261 34 72 608 16 / +261 33 24 331 00
Mail: voandalana@voandalana-amiduvoyageur.mg
Mail: amiduvoyageurvoandalana@gmail.com
site: www.voandalana-amiduvoyageur.mg

Responsable de publication et Rédacteur en chef

RAHERIMANDRATOSOA Vonison Jedidie

Pour toute information supplémentaire, n'hésitez pas à nous contacter, nous sommes à votre écoute !