🚗✈️ Mbay Lalana 🧳🌺 - Laissez passer.
🛩️ *Quels moyens de transport privilégier pour explorer les trésors de cette île envoûtante? Découvrez les astuces et conseils pour un voyage inoubliable à travers ses paysages captivants.
EDITO : Voankazo an’Ala
Mihangazana !
Singa iray tsy azo itovirana ny rano amin’ny maha akora fototra azy satria miantoka ny fiveloman’ny zava-manan’aina na ho an’ny olombelona, ny biby ary ny zavamaniry ao anatin’izany ny fambolena. Noho ny zava-misy anefa dia karakaina ny tany satria ritra ireo loharano sy ny renirano. Etsy an-daniny anefa miantona ny orana ka lasa karakaina ny tany ary tsy afaka mamokatra ny tany noho izany fahamainana izany. Raha halalinina anefa dia noho ny vokatry ny nataon’ny olona amin’ny fanaovana doro tanety sy ny fanimbana ny ala izay miteraka fiatonan’ny orana tsy hilatsaka. Vao tsy ela akory izay raha nojeren’ny sarintanin’I Madagasikara azo tamin’ny alalan’ny zanabolana dia hita tamin;izany fa mirehitra ny tanintsika. Faritra maro manerana ny Nosy no nahitana donakafo na afo mirehitra. Izany dia manambara fa manjaka ny dorotanety na koa ny fahamaizan’ny ala. Rehefa tsy voafehy izany dia mihitatra ka mampitobo ny fahasimban’ny tontolo iainana. Raha mitohy ny toe-javatra tahaka izany , fiantrainkany voalohany dia miharingana ireo karazana biby sy zavamaniry , izay misy amin’izy ireo tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Ankoatr’izany, hitombo ny haintany mba tsy hilazana hoe hihangazana ny tany ary hihasarotra ny fahazoana rano, na ny hosotroina io, na ny hambolena.
Mandrato
26 Septembre 2025
Talen’ny ECFORME
“Manampy izahay amin’ny fahazoanaasa na taratasim-panjakana”
Misy tetikasa atao hoe “Accès aux droits aux citoyennetés et inclusion sociale », izay vatsian’ny GIZ vola, ary iandraiketan’ny ECFORME. “Manampy izahay amin’ny fahazoana asa na taratasim-panjakana”, hoy ny Talen’ny ECFORME, Rtoa Hoby Andrianasolo. « Miara-miasa izahay amin’ny fitondram-panjakana, ny fokontany, ny kaominina, ireo izay rehetra mikarakara ireo taratasy ireo. Miara-miasa amin’ireo izahay fa tsy manao ny asan’ireo.”, hoy ihany ny fanampim-panazavana nomeny.
Ny tanjon’ny ECFORME dia manamora ny fahazoan’ny vahoaka marefo, ny fianakaviana sahirana, ny vehivavy, ary ny tanora taratasy ara-panjakana. Manamboatra kopia ho an’ny zaza vao teraka, na koa ho an’ny zaza izay tara ny fanaovana kopia. Ohatra hoe teraka telo volana ilay zaza, na koa zaza fito taona mbola tsy manana kopia. Manoro lalana izy eo amin’ny fanaovana kopia, toy izany koa eo amin’karapanondrom-pirenena. Ohatra hoe tsy manana kopia izy dia sahirana amin’ny fanaovana karapanondro. Feno 18 taona izy dia tsy vitany tamin’ny fotoana tokony nanaovany azy dia manampy koa ny ECFORME. Dia misy ihany koa olona mbola tsy nanao fisoratam-panambadiana dia manoro lalana hanaovana izay karapanondro izay. “Manampy izahay fa tsy izahay no manao ny karapanondo”, hoy ihany ny talen’ny ECFORME. Ankoatr’izay, manao fampiofanana arak’asa koa ny ECFORME, manampy ny tanora feno 18 taona hiditra amin’ny tontolon’ny asa fa tsy manome asa. Dia izay indraindray no misy fahadisoan-kevitra.
Ami Ral
26 Septembre 2025
Fanjifana
Efa misy koa izao karazana mofovaovao “barea” amidy eny an-tsena
[Azo lazaina hoe tena nahita ary nahay mihitsy ireo izay namorona ity karazana mofo ity.]
Tafakambana ho iray ny sakafo sy ny fanatanjahantena. Ny marimarina kokoa, efa misy mpanao sady mpivarotra mofo nahavita namorona karazana mofo baolina mitondra anarana hoe “barea”. Misy karazany anankiroa ny mofo amidy amin’izany, izay samy manana ny tsirony sy ny fangaro ao anatiny. Ilay barea masira dia misy frômazy sy totonkena miaraka aminy. Ilay mofo barea mamy kosa misy sôkôlà. Samy manana ny vidiny ihany koa izy ireo. Ilay barea masira dia 500 ariary ny vidiny, ary ilay mamy kosa 400 ariary.
Herintaona
“Efa herintaona teo izao no nanaovanay azy ity”, hoy ilay vehivavy mpanao sady mpivarotra mofo barea raha mbola teo am-panendasana mofo mihitsy tamin’ny fotoana niresahana taminy. Eo amoron’ny arabe , eo ampitan’ny biraon’ny kaominina Mahitsy no misy ny toerana fanaovany mofo sady fivarotany. “Izahay mianakavy dia samy nanao an’ity daholo”, hoy izy nanohy ny fanazavany. Nambarany koa fa ankoatran’ny ao Mahitsy dia eny amin’ny faritr’i 67 ha-Antananarivo koa efa misy manao sy mivarotra ity mofo barea ity.
Azo lazaina hoe tena nahita ary nahay mihitsy ireo izay namorona ity karazana mofo ity. Hain’izy ireo ny namorona karazana mofo vaovao niainga tamin’ny mofo efa nisy teo aloha sady efa fantatry ny Malagasy, dia tsy inona izany fa ny “mofo baolina” satria baolina avy hatrany no tonga ao an-tsaina raha vao miresaka ny anarana Barea.
Fankafizina
Ny fahombiazana azon’ny ny ekipam-pirenena Barea nandritra ireo lalao fifaninanana niadiana izay ho tompondakan’i Afrika teo amin’ny baolina kitra CAN sy CHAN ireny no mainka koa nampitombo ny fankafizan’ny Malagasy ny barea. Tsy mahagaga raha tonga lasa natao anarana na marika sakafo “Vita malagasy” mihitsy ny barea, arak’izao tantaraina izao. Tamin’ny fotoana nandalovana teo amin’io mpanao sady mpivarotra mofo barea eo Mahitsy io dia hita tokoa fa betsaka mpankafy ilay mofo satria be mpividy. Misy ireo efa miambina eo raha sendra lany ny mofo efa vita. Tsy lavina aloha fa tsara ny tsiron’ilay mofo. Ilay tsirony ve anefa no tena mahabetsaka ny mpanjifa azy ity sa ilay fankafizina ny anarana barea mihitsy?
Ilaina hatrany ny mikarokaroka zavabaovao tahaka itony, izay nampitambatra ny fahaizana mahandro amin’ny resaka fanatanjahantena dia ny baolina kitra izany. Fomba iray isarihana ny mpanjifa sy ny mpankafy fanatanjahantena sy ny baolina kitra miaraka izany ka sady mampiiroborobo ny “Vita Malagasy” no mampiakatra ny hambompon’ny Malagasy eo amin’ny fanohanana ny ekipam-pireneny tahaka ny Barea.
Ami Ral
26 Septembre 2025
Hibiscus
Mahasitrana karazana aretina maro
Raha ny filazan’ny olona iray mpamboly azy dia any amin’ny tany mafana ihany no tena mety amin’ity zavamaniry ity. Misy mpamboly faharoa hafa nanontaniana indray anefa nilaza fa tsy misy an’izany fa azo ambolena ary maniry foana na amin’ny tany mangatsiaka koa izy. Raha ambolena any amin’ny tany mangatsiaka izy, ohatra hoe Antsirabe, na Antananarivo, na maniry aza dia mety misy zavatra tsy ampy ao anatiny raha entina hampiasaina amin’ny fitsaboana, hoy ny fanazavana nomen’ilay mpamboly voalohany nanontaniana.
Marobe anefa ny karazana aretina azo tsaboina aminy. Anisan’izany, ohatra, ny aretin’ny tosidra(tension). Manala tavy na Cholesterol ihany koa izy. Raha tsy misakafo ihany koa dia azo atao fanampin-tsakafo izy.
Ny fomba fanaovana azy, mampangotraka rano 1 litatra. Alaina ny hibiscus, na ny raviny nohamainina io, na koa vovony efa voatoto dia arotsaka ao anatin’ilay rano avy nampangotrahana voalaza io, ary avela hilona ao. Rehefa avy eo dia tantavanina, ary iny ranony iny no sotroina. Ankoatran’io, misy fomba maro samihafa koa azo anaovana azy, toy ny kaofitira, jus…Marihina fa any amin’ny farmasia na magazay lehibe ireny koa misy mivarotra hibiscus efa voakarakara ary lafolafo ny vidiny.
26 Septembre 2025