Fanjifana


Mitobaka ny atody, tafidina hatrany
amin’ny 400 Ar. ny vidiny

Mitobaka ny atody, Vokany, tafidina hatrany amin’ny 400 ariary ny vidiny. Miodinkodina eo amin’ny 500 ariary eo daholo amin’izao ny vidin’ny atody amidy eny an-tsena eto Antananarivo sy ny manodidina. Rehefa tsy izany dia miakatra kely eo amin’ny 600 ariary ny vidin’ny iray. Misy koa 450 ariary ny atody iray, arak’izay amarotan’ny mpivarotra sasany azy. Fa ny tena mora indrindra dia misy atody 400 ariary ny iray na dia tsy betsaka aza ny mivarotra amin’izany vidiny izany.

Ambany

Tsy mbola tafidina ambany toy izao ny vidin’ny atody tato anatin’ny taona vitsivitsy izao. “Mitobaka ny atody amin’izao ka izany no mampidina ny vidiny ambany toy izao”, hoy ny mpivarotra iray teny amin’ny tsena Talatamaty raha nanontaniana ny anntony. Arakaraka ny habeny ihany koa no hamarotan’ny mpivarotra ny vidiny. Saika efa misy mpanelanelana avokoa ireny atody amidy hita eny an-tsena eto Antananarivo sy ny manodidina ireny. Misy ihany ireo atody amidin’ny mpiompy akoho sy mpamokatra atody fa vitsy. Samy manana ny toerana nividianana azy koa ireny atody amidy eny an-tsena ka arakarak’izay ny vidiny. Misy amin’ireo mpivarotra eny Talatamaty, ohatra, nilaza fa eny Antohomadinika no ividianany ambongadiny ireo atody, izay amidiny 450 ariary. Misy koa ireo mividy atody ambongadiny amin’ny orinasa iray mpamokatra eny Ambohitrimanjaka ary mivarotra izany 500 ariary ny iray.

Tsenan’ i Mahitsy

Raha ny tokony ho izy dia ho moramora kokoa noho ny atody amidy eto Antananarivo ny atody amidy eny amin’ny tsenan’i Mahitsy. Tsy izany anefa fa mbola mitovy amin’ny vidin’ny atody eny amin’ny tsenan’Antananarivo ihany ny atody eny amin’ny tsenan’i Mahitsy. Marihina fa ao Antanetibe Mahazaza, ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo no toerana tena mpamokatra atody lehibe indrindra na eto Antananarivo io, na manerana an’i Madagasikara. Na dia akaikin’Antanetibe-Mahazaza aza i Mahitsy dia 500 ariary ny atody iray eny an-tsena, izay mitovy amin’ny eto Antananarivo ihany. Tsy ho satria mpamokatra atody Antanetibe-Mahazaza dia morabe ny atody any fa mbola 500 ariary ihany ny iray ary misy 600 ariary koa aza.

Marihina fa ny vidin’ny atody no anisan’ny miovaova sy miaka-midina matetika. Rehefa amin’ny fotoana tsy dia fahabetsahany iny dia somary miakatra ny vidiny, izay eo amin’ny 600 ariary ny iray raha ambany indrindra, ary misy tafakatra hatrany amin’ny 800 ariary. Rehefa manakaiky ireo andro fety lehibe sy malaza kosa toy ny fetin’ny noely na krismasy, ny fetin’ny faran’ny taona sy taombaovao, ary ny fetim-pirenena dia miakatra ny vidin’ny atody satria betsaka mampiasa.

Description de l'image

Ami Ral

26 Septembre 2025

Commentaires