Hibiscus


Mahasitrana karazana aretina maro

Raha ny filazan’ny olona iray mpamboly azy dia any amin’ny tany mafana ihany no tena mety amin’ity zavamaniry ity. Misy mpamboly faharoa hafa nanontaniana indray anefa nilaza fa tsy misy an’izany fa azo ambolena ary maniry foana na amin’ny tany mangatsiaka koa izy. Raha ambolena any amin’ny tany mangatsiaka izy, ohatra hoe Antsirabe, na Antananarivo, na maniry aza dia mety misy zavatra tsy ampy ao anatiny raha entina hampiasaina amin’ny fitsaboana, hoy ny fanazavana nomen’ilay mpamboly voalohany nanontaniana.

Marobe anefa ny karazana aretina azo tsaboina aminy. Anisan’izany, ohatra, ny aretin’ny tosidra(tension). Manala tavy na Cholesterol ihany koa izy. Raha tsy misakafo ihany koa dia azo atao fanampin-tsakafo izy.

Ny fomba fanaovana azy, mampangotraka rano 1 litatra. Alaina ny hibiscus, na ny raviny nohamainina io, na koa vovony efa voatoto dia arotsaka ao anatin’ilay rano avy nampangotrahana voalaza io, ary avela hilona ao. Rehefa avy eo dia tantavanina, ary iny ranony iny no sotroina. Ankoatran’io, misy fomba maro samihafa koa azo anaovana azy, toy ny kaofitira, jus…Marihina fa any amin’ny farmasia na magazay lehibe ireny koa misy mivarotra hibiscus efa voakarakara ary lafolafo ny vidiny.

Description de l'image

26 Septembre 2025

Commentaires