🎄✨ Voandalana vous souhaite de joyeuses fêtes et une nouvelle année remplie de bonheur, d'aventures et de succès ! 🥂🎆 - 🎄✨ Voandalana wishes you happy holidays and a new year filled with joy, adventures, and success! 🥂🎆
🚗✈️ Mbay Lalana 🧳🌺 - Laissez passer.
🛩️ Quels moyens de transport privilégier pour explorer les trésors de cette île envoûtante ? Découvrez les astuces et conseils pour un voyage inoubliable à travers ses paysages captivants.
« Découvrez nos articles récents et Archives »
« OFFRES »
EDITO : Voankazo an’Ala
Lalana iverenana
Misy fiteny malagasy izay manao hoe « Ny lalana iverenana tsy asian-dratsy ». Tena mitory fandinihana sy fahatakara-javatra ary maneho ny fahendren’ny Malagasy taloha io ohabolana io. Raha misy lalana anankiray mbola eritreretinao fa tsy maintsy hiverenanao amin’ny manaraka dia tsy mety ny manao na manisy zavatra ratsy. Sady ara-bakiteny io fa fiteny nampiasaina tamin’ny zavatra rehetra natao mihitsy teo amin’ny Malagasy. Ankehitriny, mety tsy ny olona no te hanisy ratsy fa ny lalana mihitsy no ratsy. Voateniteny matetika tokoa amin’izao ny faharatsian’ny lalana, izay simba ao anatin’ny vanimpotoanan’ny fahavaratra izao. Feno lavadavaka ny arabe ary voakasik’izany na ny eto Andrenivohitra na ireo lalampirenena eto Madagasikara. Misy fiantraikany ratsy io faharatsian’ny lalana io. Izay ny mikasika ny lalana ety an-tanety fa ankoatr’izay dia tafiditra ao anatin’ny lalan’ireo sambo mpitondra mpizahatany vahiny ihany koa isika eto Madagasikara. Tamin’ity volana ity izao dia anankiroa izy ireny no niantsona tamin’ny seranantsambo teto Madagasikara ka ny voalohany tao Toamasina, ary ny faharoa tao Antsiranana. Maro tamin’ireo vahiny mpizahatany ireo no nidina an-tanety nitsidika sy nitsangatsangana tao an-tanàna. Tsy nijery fotsiny izy ireo fa nividy sy nanandrana ny vokatry ny tanintsika. Marina fa natao ho azy ireo koa ilay ohabolana voalaza tery aloha raha mbola mieritreritra ny hiverina eto izy ireo. Mifamadika amin’izay, miankina amin’izay zavatra hitany teto koa na dia atao hoe fotoana fohy sy vetivety ihany aza no mety hiverenany amin’ny manaraka indray na tsia!
Mandrato
Publiée le 19 décembre 2025
Fifamoivoizana :
Mampitaraina ny maro ny fapotehan’ny lalana !
[Ankoatry ny vakansa mahabetsaka ny mpandeha, noho io faharatsian’ny lalana io dia misy fiakarany ny sarandalana amin’ny zotra nasiônaly rehetra]
Mihasarotra ny fifamoivoizana manerana an’i Madagasikara noho ny fahapotehan’ny lalampirenena ao anatin’izao vanimpotoanan’ny fahavaratra izao. Toe-javatra, izay mampikaikaika ny mpitondra fiara sy ny mpandeha, na taksibrosy io, na fiaran’olontsotra. Mikasika izay ihany dia nisy ny tafa fohy nifanaovana tamin’ny Filohan’ny Kaoperativa KOPFMM Rakotoarivelo Manantsoa, izay sady mpikambana eo anivon’ny Biraon’ny KMMTF(Komity Miara-Mitantana Tobim-piantsonana Fasankarana:
« Ny faritra rehetra amin’izao ratsy lalana : faritra atsimo atsinanana, toy izany koa Miandrivazo-Morondava. Ny lalampirenena RN7 iray manontolo ratsy lalana avokoa, ao anatin’izany ny eo anelanelan’i Sakaraha-Toliara.Fiantraikan’izay dia mitombo ny ora anaovana ny lalana, ny fiara koa mihasimba. An-danin’izay, ny fanjakana milaza hanao ny asa maika fanamboaran-dalana. Ny fangatahan’ny mpitatitra, mba tokony hojeren’ny fanjakana ny hanampiana ny mpitatitra eo amin’ny fividianana piesy sy kojakojan’ny fiara, izay tena sarotra sy lafo amin’izao”.
Ankoatry ny vakansa mahabetsaka ny mpandeha, noho io faharatsian’ny lalana io dia misy fiakarany ny sarandalana amin’ny zotra nasiônaly rehetra. Mihatra manomboka ny 19 desambra 2025 mandra-pahatongan’ny 16 janoary 2026 io fiakarana io. Ny sarandalana Antananarivo-Toliara, ohatra, raha 75 000 ariary teo aloha dia miakatra 100 000 ariary.
Manoloana io faharatsian’ny lalana io dia efa mandeha ny fanamboarana. Mikasika ny lalampirenena fahafito eo anelanelan’Antananarivo sy Antsirabe, ohatra, dia toy izao ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy mikasika izany, araka ny nambarany ao anaty pejiny FB :
“Hita sy tsapa ary heno ny fitarainan'ny mpampiasa lalana amin'ny fitombon'ny faharatsian-dalana miainga eto Antananarivo hatrany Antsirabe, nohon'ny fikikisana ireo sosona rehetra efa ratsy tamin'ny lalana. Dingana tsy maintsy natao anefa izany fikikisana izany, mialohan' ny fanarenana vaovao hatao. Efa vonona avokoa ny akora rehetra hanaovana ny "couche de base", ireo vatokely hanaovana ny "enrobé", efa vonona koa ny "bitume" fa nohon'ny rotsak'orana lasa mialohan' ny fotoana anefa dia tsy mbola afaka miroso amin'ny fanaovana izany aloha ireo orinasa.
Vahaolana vonjimaika noraisina mandra-paha, hanamaivanana ny fahasahiranan' ny mpampiasa lalana, ny fandrarahana vatokely sy ny hipasohana ireo lavadavaka rehetra misy amin'izao. Efa am-perinasa manatanteraka izany ireo Orinasa. Rehefa tsy sakana intsony ny toetr'andro, dia hiroso avy hatrany amin'ny dingana fanamboarana manaraka ireo Orinasa.”
Ami Ral
Le train urbain :
Une nouvelle offre de transport public pour les Tananariviens !
Une nouvelle ère s’ouvre pour la mobilité urbaine à Antananarivo. Depuis le 5 décembre dernier, les Tananariviens disposent d’une nouvelle offre de transport public avec la mise en service officielle du train urbain. Longtemps attendu, ce moyen de déplacement moderne a déjà commencé à transporter des passagers, séduits par sa praticité et son tarif accessible de 3 000 ariary le ticket
Reliant régulièrement Soarano à Ambohimanambola, le train circule du lundi au vendredi, dès 5 heures du matin jusqu’à 17 h 30. Cette amplitude horaire permet de répondre aux besoins des travailleurs, des étudiants et des usagers quotidiens, souvent confrontés aux embouteillages chroniques de la capitale. Plus fluide et plus fiable, le train urbain s’impose progressivement comme une alternative crédible au transport routier.
Au-delà de son rôle fonctionnel, cette nouvelle infrastructure s’inscrit dans une vision plus large du développement urbain. En facilitant les déplacements et en valorisant le patrimoine ferroviaire, le train urbain contribue également à la promotion du tourisme dans la capitale. Une initiative qui redonne à Antananarivo un souffle nouveau et qui pourrait, à terme, transformer durablement le quotidien de ses habitants.
Ami Ral