Madagascar séduit les touristes : Affluence des bateaux de croisière de Novembre à Décembre !

🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.

Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin’ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana

Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l’artisanat

Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts

« Découvrez nos articles récents et Archives »

« OFFRES »

Finoana :


Ny matoatoa, angatra, lolo ary ny avelo teo amin’ny Malagasy !

[Ankoatr’izany, mampitahotra izy ireny, na mitabataba, na manakorontana.]

Iray ihany ve sa samihafa ny matoatoa, angatra, ny lolo ary ny avelo teo amin’ny Malagasy? Mety miteraka adihevitra eo amin’ny olona sasany, na eo amin’ny samy Malagasy ihany aza ny momba azy io. Adihevitra ny amin’ny fisiany, na ny tsy fisiany. Ao ny mino, ao ny tsy mino. Inona no mampitovy na ny mety mahasamihafa azy. Zavatra iray ihany ve no ambarany fa ny anarana fiantso isam-paritra fotsiny no samy manana ny azy? Misy ireo milaza na mijoro vavolombelona fa efa nahita, na nisehoany.

TOETRANY SY FISEHOANY

Matetika dia inoana fa mipetraka amina toerana mangina tsy misy olona izy ireny. Misy ny mipetraka amina trano, ala, rano, sns… Misy toerana lazaina fa misy matoatoa, na misy lolo. Manahoana ny fomba fisehoany: ora, fotoana . Matetika amin’ny alina, na misasakalina, na amin’ny ora raikitra izy no miseho. Mety miseho vatana koa izy, hoy ny sasany, na ilay antsoina hoe “lolo vokatra” na “lolovokatse”. Ankoatr’izany, mampitahotra izy ireny, na mitabataba, na manakorontana. Misy mihitsy aza ny mamono mahafaty !

Matoatoa

Ny mponina amin’ny faritra ampovoantany no tena mampiasa ny anarana hoe matoatoa. Misy milaza fa ny matoatoa dia tsy miseho afa-tsy amin’ny havany sy ny fianakaviany ihany.

Lolo

Misy trano lazaina fa misy lolo. Misy koa lalambahoaka na arabe ifamezivezen’ny olona sy ny fiara lazaina fa misy lolo. Amin’ny rano koa matetika no ampiasana ny teny hoe misy lolo, izay nihavian’ny anarana hoe “lolondrano”.

Avelo

Ny mponina amin’ny faritra afovoantany no tena mampiasa ny anarana hoe avelo. Ny avelo dia tsy tena miseho hita maso, ary ninoana ho tsy mampitahotra. Nentina nilazana ny fanahin’ ny maty (havana, fianakaviana, olom-pantatra tany aloha) izy, izay mbola mieloelo eny, miverimberina ka manalonaloka ny velona.

FOMBA FANAO

Rehefa misy toerana, na trano ninoana fa misy matoatoa, na lolo, dia fanaon’ny olona ny mandroaka azy. Misy karazany ny fomba fandroahana azy. Ho an’ny Malagasy taloha dia misy ny mandoro fatibolo. Misy koa ny mandoro fingotra, na mandoro ravin-javamaniry manana fofona ratsy heverina fa hampandositra sy hahalao monina azy. Tato aoriana rehefa tonga ny fivavahana kristianina dia misy ny mivavaka mba handroahana azy. Misy ihany koa ireo miantso mpitondra fivavahana na mpandroaka devoly handroaka azy satria nosokajiana toy ny fanahy ratsy izy ireny.

Fehiny, mitory finoana ny fahaveloman’ny fanahy aorian’ny fahafatesana, na any an-koatry ny hita maso ny finoana ny matoatoa, angatra, lolo, avelo. Ninoana fa misy ny tontolon’ny hita maso sy ny tontolon’ny tsy hita maso!

Ami Ral

✨ Promo Voyage Madagascar - Découvrez nos offres !

🏝️ Séjour - Réservez maintenant !

🍯 Produits artisanaux - 100% Made in Madagascar

📸 Votre publicité ici - Contactez-nous

🎶 Festival Culturel - Ne manquez pas l’événement !

⚽ Sponsoring Football - Votre marque en avant !

Publicité moderne

INFORMATION

Siège Social: Lot IVF 219 Abis Ambodihady Ambohimanarina
101-Antananarivo Madagascar
Tél: +261 34 36 070 82 / +261 34 72 608 16 / +261 33 24 331 00
Mail: voandalana@voandalana-amiduvoyageur.mg
Mail: amiduvoyageurvoandalana@gmail.com
site: www.voandalana-amiduvoyageur.mg

Responsable de publication et Rédacteur en chef

RAHERIMANDRATOSOA Vonison Jedidie

Pour toute information supplémentaire, n'hésitez pas à nous contacter, nous sommes à votre écoute !