Madagascar séduit les touristes : Affluence des bateaux de croisière de Novembre à Décembre !

🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.

Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin’ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana

Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l’artisanat

Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts

« Découvrez nos articles récents et Archives »

« OFFRES »

Fifamoivoizana :


Mampitaraina ny maro ny fapotehan’ny lalana !

[Ankoatry ny vakansa mahabetsaka ny mpandeha, noho io faharatsian’ny lalana io dia misy fiakarany ny sarandalana amin’ny zotra nasiônaly rehetra]

Mihasarotra ny fifamoivoizana manerana an’i Madagasikara noho ny fahapotehan’ny lalampirenena ao anatin’izao vanimpotoanan’ny fahavaratra izao. Toe-javatra, izay mampikaikaika ny mpitondra fiara sy ny mpandeha, na taksibrosy io, na fiaran’olontsotra. Mikasika izay ihany dia nisy ny tafa fohy nifanaovana tamin’ny Filohan’ny Kaoperativa KOPFMM Rakotoarivelo Manantsoa, izay sady mpikambana eo anivon’ny Biraon’ny KMMTF(Komity Miara-Mitantana Tobim-piantsonana Fasankarana:

« Ny faritra rehetra amin’izao ratsy lalana : faritra atsimo atsinanana, toy izany koa Miandrivazo-Morondava. Ny lalampirenena RN7 iray manontolo ratsy lalana avokoa, ao anatin’izany ny eo anelanelan’i Sakaraha-Toliara.Fiantraikan’izay dia mitombo ny ora anaovana ny lalana, ny fiara koa mihasimba. An-danin’izay, ny fanjakana milaza hanao ny asa maika fanamboaran-dalana. Ny fangatahan’ny mpitatitra, mba tokony hojeren’ny fanjakana ny hanampiana ny mpitatitra eo amin’ny fividianana piesy sy kojakojan’ny fiara, izay tena sarotra sy lafo amin’izao”.

Ankoatry ny vakansa mahabetsaka ny mpandeha, noho io faharatsian’ny lalana io dia misy fiakarany ny sarandalana amin’ny zotra nasiônaly rehetra. Mihatra manomboka ny 19 desambra 2025 mandra-pahatongan’ny 16 janoary 2026 io fiakarana io. Ny sarandalana Antananarivo-Toliara, ohatra, raha 75 000 ariary teo aloha dia miakatra 100 000 ariary.

Manoloana io faharatsian’ny lalana io dia efa mandeha ny fanamboarana. Mikasika ny lalampirenena fahafito eo anelanelan’Antananarivo sy Antsirabe, ohatra, dia toy izao ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy mikasika izany, araka ny nambarany ao anaty pejiny FB :

“Hita sy tsapa ary heno ny fitarainan'ny mpampiasa lalana amin'ny fitombon'ny faharatsian-dalana miainga eto Antananarivo hatrany Antsirabe, nohon'ny fikikisana ireo sosona rehetra efa ratsy tamin'ny lalana. Dingana tsy maintsy natao anefa izany fikikisana izany, mialohan' ny fanarenana vaovao hatao. Efa vonona avokoa ny akora rehetra hanaovana ny "couche de base", ireo vatokely hanaovana ny "enrobé", efa vonona koa ny "bitume" fa nohon'ny rotsak'orana lasa mialohan' ny fotoana anefa dia tsy mbola afaka miroso amin'ny fanaovana izany aloha ireo orinasa.

Vahaolana vonjimaika noraisina mandra-paha, hanamaivanana ny fahasahiranan' ny mpampiasa lalana, ny fandrarahana vatokely sy ny hipasohana ireo lavadavaka rehetra misy amin'izao. Efa am-perinasa manatanteraka izany ireo Orinasa. Rehefa tsy sakana intsony ny toetr'andro, dia hiroso avy hatrany amin'ny dingana fanamboarana manaraka ireo Orinasa.”

: Lalan-dratsy
Ratsy avokoa ny lalam-pirenena faha-7 Source : (sary fb)
: Vahaolana vonjimaika nentin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy amin’izao ny fandrarahana vatokely sy ny hipasohana ireo lavadavaka rehetra misy amin'izao
Vahaolana vonjimaika nentin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy amin’izao ny fandrarahana vatokely sy ny hipasohana ireo lavadavaka rehetra misy amin'izao Source : (sary MTP)

Ami Ral

✨ Promo Voyage Madagascar - Découvrez nos offres !

🏝️ Séjour - Réservez maintenant !

🍯 Produits artisanaux - 100% Made in Madagascar

📸 Votre publicité ici - Contactez-nous

🎶 Festival Culturel - Ne manquez pas l’événement !

⚽ Sponsoring Football - Votre marque en avant !

Publicité moderne

INFORMATION

Siège Social: Lot IVF 219 Abis Ambodihady Ambohimanarina
101-Antananarivo Madagascar
Tél: +261 34 36 070 82 / +261 34 72 608 16 / +261 33 24 331 00
Mail: voandalana@voandalana-amiduvoyageur.mg
Mail: amiduvoyageurvoandalana@gmail.com
site: www.voandalana-amiduvoyageur.mg

Responsable de publication et Rédacteur en chef

RAHERIMANDRATOSOA Vonison Jedidie

Pour toute information supplémentaire, n'hésitez pas à nous contacter, nous sommes à votre écoute !