KOLONTSAINA MALAGASY :
INONA NO ATAO HOE “ZOMBA” ?
Ny teny hoe “Zomba” dia malaza indrindra any Andrefana, Atsimo ary Atsimo Andrefan’i Madagasikara . Tsy dia fantatra loatra izy io any Afovoantany, na dia eo aza ireo mpandala fomban-drazana . Ireo foko manao fomba lehibe toa ny Fitampoha, Fanompoambe ary Lohavogny no tena mahafantatra sy mampihatra ny mikasika azy.
Famaritana tsotsotra
Ny Zomba dia “trano masina” na “trano fivavahana” . Tsy misokatra isan’andro izy fa amin’ny fankalazana ara-drazana lehibe ihany no anaovana izany. Ankoatra ny maha-toerana masina azy, dia fitehirizana ny vatana na ny sisan’ny Mpanjaka ihany koa izy.
Voafefy manokana ny Zomba, ka olona nahazo tsodrano ihany no afaka miditra ao . Matetika, mila mamono omby Mazavaloha ary manao fombafomba manokana vao mahazo miditra. Tsy azo atao ny mitafy salaka na kilaoty na lahy na vavy rehefa miditra ao.
Any Nosikely Morondava ohatra, voahodidina fefy hazo misy saina fotsy mitsangana ny Zomba an’ny Sakalavan’i Menabe, izay hita any amin’ny Petite plage, andrefan’ny Hôtel Le Palissandre . Ao amin’ny Doany Miarinarivo an’ny Sakalavan’ny Boeny kosa, trano falafa lehibe mahazaka olona hatramin’ny 50 no natokana ho Zomba rehefa misy fomba.
Fomba sy finoana
Samy manana ny fomba sy finoany ny foko tsirairay. Ho an’ny any Atsimo sy Atsimo Andrefana, ny “jinin’ny dady” no tehirizina ao amin’ny Zomba. Rehefa misy Ampanjaka miamboho, asitrika herintaona ny vatany mba ho maina tsara.
Rehefa afaka ny taona, alaina ny hohony iray, ny vanginy roa ary silaky ny karandohany . Atambatra amin’ny vangim-boay sy hazo mahery ireo singa ireo, dia apetraka ao anaty jinin’ny dady — vatakely hazo miendrika tsifan’omby, fonosina lamba landy . Ao anatiny ihany koa apetraka ny fitaovana nampiasany fony fahavelony sy ny sariny.
Araka ny finoana Malagasy, indrindra amin’ny Sakalava, ny jinin’ny dady no miteraka ny tromba , ka mipetraka ao amin’ny velona ny fanahin’ilay Ampanjaka rehefa vita ny fombafomba rehetra.
Ny taona 2021 lasa iny, isan’ireo Harem-bakoka nohavaozin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny :
Zomba Bezavo Mitsinjo
Zomba an’Andriamisara 4 dahy Miarinarivo Mahajanga
Zomba Ilevenana an’Andriamisara 4 dahy Ankilivao Mahabo
Ny Zomba dia tsy vitan’ny hoe lova ara-tantara sy ara-pinoana fotsiny, fa porofo velona amin’ny hasin’ny kolontsaina Malagasy sy ny fifandraisan’ny velona sy ny maty.
Yves Rindra
12 Octobre 2025