🎨 ** Hairaha - Art et Business **.

🎭 *Explorez les trésors artistiques et artisanaux locaux, reflets de la culture et de la créativité de cette terre aux multiples facettes.

Fizahantany


Mbola tonga ihany ireo mpizahatany
vahiny na mafana aza ny toedraharaha

Noho ny anton-dia tsy azo ialàna ve sa fitiavana manokana hahita ny hakanton’i Madagasikara ? Mbola misy tonga ihany ireo mpizahatany vahiny na mafana aza ny toedraharaha eto amin’ny firenena nateraky ny korontana vokatry ny olana ara-tsosialy sy politika ankehitriny. Na tsy misy aza ny tarehimarika ofisialy momba izany dia hita amin’ny alalan’ny fahatongavan’ny mpandeha amin’ireo sidina tonga eny amin’ny seranampiaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato izany. Mikasika izany indrindra dia nisy ny fanatonana sy firesahana tamin’izy ireo teo am-pahatongavana.

Tsy nanemotra

Saika nitovitovy daholo amin’ny ankapobeny ny valintenin’ireo vahiny nanontaniana teo am-pahatongavan’izy ireo teny Ivato. Ohatra amin’izany ny nambaran’ireto mpizahatany vahiny lehilahy sy vehivavy anankiroa miara-dia, izay mbola tanora dia tanora tokoa. Nambarany fa tsy nahasakana azy ireo tsy ho tonga eto Madagasikara ny toedraharaha mafana misy ankehitriny eto amin’ny firenena. Tsy nanemotra ny diany ihany koa izy ireo fa tonga ihany. Manodidina eo amin’ny iray volana eo daholo ny faharetan’ny fivahinianany eto Madagasikara. Ankoatran’ireo, misy mpizahatany vahiny hafa koa nanontaniana, izay ahitana lehilahy sy vehivavy, ary mandeha miaraka maromaro. Misy amin’izy ireo no efa zokiolona ary misy ihany koa ny mbola tanora. Misy amin’izy ireo koa no sambany izao vao nanitsaka an’i Madagasikara. Mitovitovy amin’izay voalaza tery aloha ihany ny nambaran’izy ireo. Avy any Frantsa daholo no fihavian’ireto mpizahantany vahiny tonga nanontaniana ireto ny herinandro teo iny.

Faritany

Marihina fa mbola ao anatin’ny vanimpotoanan’ny fizahantany ny eto Madagasikara ankehitriny. Ankoatry ny Frantsay dia misy ihany koa ireo mpizahatany teratany anglisy, ao koa ny Italiana, ny Alemana ary ny hafa…Amin’ny ankapobeny dia saika any amin’ny Faritra ivelan’Antananarivo hatrany no falehan’ireo mpizahatany vahiny tonga eto. Amin’ny maha-toerana tsy maintsy andalovana an’Antananarivo anefa dia mijanona andro vitsy eto izy ireo. Ankoatr’ireo biby sy zavamaniry tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara toy ny gidro, ary ny baobab, dia mahasarika ireo vahiny ihany koa ireo toerana mety ahitany zava-mahaliana tsy fahita (aventure) toy ny tsingy, ny fitaingenana lakana kayak, na fandehanana sambo mitety renirano misy rian-drano, sns…Farany; tsy arakarak’izay ny zavatra iainan’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany, izay mahatsapa fa mihena ny fahatongavan’ireo mpizahatany vahiny noho ny korontana vokatry ny toedraharaha mafana ankehitriny eto amin’ny firenena.

Ami Ral

12 Octobre 2025

TOURISME ET CULTURE
A MADAGASCAR EN IMAGES

Description de l'image
Entrée_du_Lac_sacré
Description de l'image
Cet arbre majestueux est considéré comme un symbole de vie et de protection.
Les habitants viennent souvent s’y recueillir, y déposer des offrandes et prier.
Description de l'image
À proximité du lac, le tamarinier sacré joue également un
rôle central dans les pratiques culturelles des Sakalava.
Description de l'image
Le lac sacré regorge de poissons
Description de l'image
Antananarivo, la capitale, demeure une étape incontournable pour les touristes
Description de l'image

Commentaires