Orinasa voaroba


Mbola ho sarotra ny fanarenana

Tapabolana mahery aty aoriana, mampanahy ny ho avin’ny fandraharahana sy fihariana eto Madagasikara. Mbola ho sarotra ny fanarenana ireo orinasa voaroba tamin’ny andron’ny 25 Septambra tao anatin’ilay hetsika fitakiana nateraky ny olan’ny jiro sy rano iny. Maherin’ny 200 miliara ariary ny tomban’ny fahapotehana sy ny fatiantoka, araka ny tarehimarika vonjimaika ofisialy. Ankoatr’izany, mpiasa manodidina ny roa arivo eo ihany koa no very asa. Samy voakasiky ny fandrobana daholo moa na ny orinasa madinika, na salantsalany, na vaventy. Misy amin’izy ireny mpivarotra kojakoja an-tokantrano, finday, moto, sns. Ao ny tranombarotra na orinasa tantanin’ny teratany vahiny, ary misy ihany koa tantananin’ny Malagasy. Miezaka manarina tsikelikely ny fahasimbana ny sasany amin’izy ireny. Ireo tranombarotra na orinasa may sy voa mafy kosa dia mbola tsy fantatra mihitsy hoe rahoviana vao tena ho tafarina. Amin’izao fotoana izao dia efa misy miverina misokatra tsikelikely ny sasantsasany amin’ireo tranombarotra sy orinasa voaroba ireo, toy ny eny Talatamaty izany, ohatra. Raha tsiahivina dia efa nisy ny dinika niarahan’ny mpandraharaha mivondrona eo anivon’ny FIVMPAMA sy ny GEM tamin’ny mpitondra nijerena ny fahavoazana sy ny vahaolana. Nisy ny sosonkevitra avy amin’ny an-daniny sy ny an-kilany niarahana nanolotra entina hanampiana ny fanarenana ireo orinasa niharan’ny fandrobana.

Description de l'image
Orinasa naorin’ny teratany sinoa anisan’ny voaroba voa mafy ity eto Ankazomanga ity

Ami Ral

12 Octobre 2025

Commentaires