Lovan-tsofina sa finoana :
Fambolena sosety


“Mahatonga fahantrana”
nefa “mitondra zavatsoa
ho an’ny fahasalamana” !

"Mahatonga fahantrana ny fambolena sosety"… Nefa mitondra zava-tsoa maro ho an’ny fahasalamana !

Vanim-potoana fahavaratra no tena fahavokaran’ny sosety na antsoina koa hoe (chayote na christophine) eto amintsika. Mbola lafo sy zara raha misy izy eny antsena satria dia ventiny 2 na 3 eo ny 1000 Ariary.

Araka ny resaky ny Malagasy maro, dia misy lovan-tsofina hafahafa mipetraka izy io : "Mampahantra hono ny fambolena sosety." Ity zavamaniry mora hambolena sy miakatra amin’ny hazo ity, dia tena harenan’ny fahasalamana anefa !

👀 Nahoana no misy io finoana io ?

Taloha, ny sosety dia lasa foto-tsakafo tamin’ny fotoanan’ny mosary na kere, izay midika ho taratry ny fahantrana.

Ankoatra izay, maniry mora foana izy, miparitaka haingana ary mety mandrakotra ireo voly hafa. Noho izany, misy mihevitra fa mahatonga fahalemena sy manakana ny fandrosoana… Izany angamba no antony tsy hambolen’ny olona sasany azy !

Fa ny tombotsoa entiny kosa, dia sakafo mahasalama tokoa izy !

✅ Manana "calories" vitsy ary manankarena amin’ny “fibres” : Mahasoa ny fandevonan-kanina sy ny fitazonana lanja tsara

✅ Mahasoa ny fo : Manampy amin’ny fanitsiana ny tosi-drà sy manamaivana ny voka-dratsin’ny “hypertension” sy « AVC »

✅ Manome hery ho an’ny vatana : Manankarena amin’ny “vitamine C, B6, magnésium” ary “potassium”

✅ Mahasoa ho an’ny diabétique : Manampy amin’ny fitazonana ny haavon’ny “glycémie”

✅ Manome rano sy manadio : Zavamaniry “diurétique” voajanahary.

Description de l'image
Taloha, ny sosety dia lasa foto-tsakafo tamin’ny fotoanan’ny
mosary na kere, izay midika ho taratry ny fahantrana.

Yves Rindra

12 Octobre 2025

Commentaires