Fandraharahana
Misedra olana koa izao ireo orinasamisehatra amin’ny fizahantany !
Anisan’ny misedra olana koa ankehitriny ireo orinasa misehatra amin’ny fizahantany eto Madagasikara. Na tsy anisan’ireo orinasa voaroba tamin’ny andron’ny 25 septambra lasa teo iny aza dia misehatra olana koa izao orinasa misehatra amin’ny fizahantany. Tsy inona akory no nahatonga izany fa noho ny korontana miseho eto amin’ny firenena efa maherin’ny tapabolana izao. Anisan’ny misehatra amin’ny fizahantany ireo ny orinasa OMEE Voyage, izay ao anatin’ny “Groupe Kirindy”. Izy dia mikarakara momba ny fandraisana sy fitondrana mpizahatany eto Madagasikara. “Raha ny hitanay izao dia lasa miditra fatiantoka amin’ny orinasa ny korontana misy ankehitriny”, hoy ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ity orinasa ity tao anatin’ny resadresaka nifanaovana taminy. “Be dia be ny “client” manafoana ny fahatongavany”, hoy izy. Ankoatr’izany, nambarany ihany koa fa “Miditra chômage technique ny orinasa sasany. Be dia be ny mpiasa najanona. Misy koa antsasa-karama ihany no omena.”Ankoatr’izany, “nilatsaka be ny mpizahatany vahiny tonga raha miohatra amin’ny taona lasa”, hoy ihany io tompon’andraikitra io. “Nefa tamin’ity be dia be ny mpizahatany nanao famandrihana”, hoy izy.
Marihina fa ny anjara asan’ny OMEE Voyage dia mikarakara ny fangatahan’ny mpanjifa. Misy, ohatra, mpanjifa manao famandrihana hotely fotsiny. Ny OMEE Voyage , ohatra, no mitady mpiseradia (guide), na koa manao ny fifampiraharahana raha misy fanofana (location) atao momba ny fitaterana mankany amin’ny toeram-pitsangatsanganana fa tsy mandeha any amin’ilay toerana (sur terrain) izy. Maniry izy ny mba hiverenan’ny filaminana haingana eto amin’ny firenena mba hampizotra tsara indray ny fandraharahana eo amin’ny lafiny fizahatany.
Ami Ral
12 Octobre 2025