Catastrophes naturelles - Madagascar un des pays les plus vulnérables au monde !
🚗✈️ Mbay Lalana 🧳🌺 - Laissez passer.
🛩️ Quels moyens de transport privilégier pour explorer les trésors de cette île envoûtante ? Découvrez les astuces et conseils pour un voyage inoubliable à travers ses paysages captivants.
« Découvrez nos articles récents et Archives »
« OFFRES »
EDITO : Voankazo an’Ala
Nataony nahalala… ny anarany !
Lasa iny ny rivodoza. Ny rivodoza no lasa fa mbola eo am-panaovana tombana ny fahavoazana naterany ny manampahefana sy ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena, na ara-panjakana io, na avy amin’ny sehatra samihafa. Fa raha lazaina amin’ny teny tokana ilay izy dia tonga amin’ilay fiteny hoe “Nataony nahalala…ny anarany” tokoa. Namela takaitra teto Madagasikara ilay rivodoza nandalo farany teo iny. Tsy hoe tsy arakaraka ny anarany fa “Nataony nahalala…ny anarany” tokoa. Amin’ny Malagasy, rehefa ny zavatra izay no atao hoe “Ataoko mahalala ny anarako” dia efa mila miomana fa zavatra tsy ho moramora izay no hitranga. Andrao dia mbola misy tsy mahalala ihany fa “Fytia” no anaran’ilay rivodoza teo iny. Ny mahafakely azy ity, dia tsy mitovy tanteraka amin’ny mahazatra ny Malagasy ny fomba nanoratana azy. Faharoa, eo amin’ny heviteny, iza indray no mbola tsy mahalala ny dikan’ny hoe “Fitia”. Fahatelo, mahagaga koa fa tapabolana mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny “St Valentin”, izay andron’ny mpifankatia no mitranga izao. Raha atao jery maimaika anefa dia inona no nentin’ilay Fytia io teto amintsika : famoizana ain’olona, tondradrano tsy mbola nisy toy izany tao an-tampon-tananan’i Mahajanga, fandravana trano fonenana, fanimbana fotodrafitrasa toy ny lalam-pirenena, ary olona tsy manan-kialofana sy traboina an’aliny. Voin-kava mahatratra izy ity fa tsy natao hamendrofendroana sanatria no antony. Tsy maintsy mitraka na dia mafy aza satria mbola misy ny asa fanarenana miandry tsy maintsy atrehina.
Mandrato
Fitokonan’ny Bus 194 :
Samy ahenoana fitarainana !
[Raha tsiahivina dia tamin’ny herinandro lasa teo iny no nitokony teo amin’ny sampanan-dalana eo Ampasampitso ireo fiara miasa amin’ny zotra 194 ireo.]
Tahaka ny sehatr’asa rehetra dia manana zo hitokona koa ny fiara mpanao fitateram-bahoaka rehefa misy zavatra hitany fa tsy rariny, toy izany ohatra ny Bus 194. Ny zotra 194 no mahatsiaro iharan’ny tsy rariny ka mitokona eto fa raha ny marina dia samy mitaraina, na ny mpamily bus sy ny mpanampiny, na koa ny mpandeha. Voalohany, mikasika ny mpamily sy ny mpanampiny, mitaraina izy ireo ny amin’ny antsojay ataon’ireo polisy. Voalaza fa matetika dia tapahan’ny pôlisy hatrany ny mpamily satria hoe mijanona eny amin’ny toerana tsy tokony hijanona na koa mijanona elabe rehefa manala mpandeha. Manazava kosa anefa izy ireo fa tsy fanahy iniana ary tsy avy aminy no mahatonga izany satria misy amin’ireo mpandeha olona efa osa, na koa sembana dia tsy maintsy andrasana. Indraindray tsy hita akory izay tena fahadisoany fa tonga dia manapaka (izany hoe manasazy) fotsiny sy maka vola ny polisy, arak any fiarovan-tenan’ireo mpamily bus194.
Tsy manara-dalàna
Etsy an-danin’izay anefa, mampitaraina matetika ny mpandeha koa ny afitsok’ireny bus 194 ireny. Tsy vitsy amin’izy ireo no tsy tonga any amin’ny faran’ny zotra tokony haleha fa miodina eny an-tenantenan-dalana. Ankoatr’izay, misy ihany koa ireo manivana olona eny an-dalana. Raha misy mpandeha, ohatra, manakana na miditra eny an-dalana dia anontaniana aloha hoe “mankaiza!” Raha miala eny an-tenantenan-dalana ny mpandeha dia ampidirina fa raha any amin’ny faran’ny zotra vao miala, na lazaina fa tsy tonga any ny bus, na tsy raisina tsotra fotsiny izao ilay mpandeha.
Araha-maso
Raha tsiahivina dia tamin’ny herinandro lasa teo iny no nitokony teo amin’ny sampanan-dalana eo Ampasampitso ireo fiara miasa amin’ny zotra 194 ireo. Taorian’izay moa nisy ny fihaonan’ny solontenan’ny kaoperativam-pitaterana miahy ity zotra ity sy ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Polisy Foibe eny Tsaralalana. Ny fanapahan-kevitra nivoaka tamin’izany dia hoe azo toriana izay polisy maka vola amin’ny tsy rariny amin’ireo mpamily bus ireo. Manarak’izany, izay bus tratra tsy manaja bokin’andraikitra ihany koa dia hiharan’ny sazy.
Toe-javatra mpitranga matetika eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo-renivohitra ny olana voalaza eto. Tsy amin’ny zotra 194 ihany anefa fa saika ahitana tranga toy izao ihany koa amin’ireo zotra hafa. Tsy mety ny mihaino feon-dakolosy tokana fa samy ahenoana fitarainana daholo, na ny mpamily bus noho ny ataon’ny pôlisy, na ny mpandeha ihany koa amin’ny afitsok’ireny bus ireny.
Ami Ral
Lalandratsy eo Andohatapenaka :
Mampifamaly ireo mpitondra fiara sy môtô ary sarety !
Mampifamaly matetika ireo mpitondra fiara sy moto ary sarety izay mandala eo aminy ity lalandratsy eo Andohatapenaka mihazo an’ny 67 Ha ity. Misy lavaka be izy io, ary difotry ny rano foana isaky ny mirotsaka ny orana. Maro anefa no mivezivezy amin’io lalana io. Anisan’ny lalandratsy eto amin’ny tanànan’Antananarivo ity arabe voalaza eto ity. Tsy vao izao fa isan-taona, rehefa fotoam-pahavaratra toy izao dia ratsy toy izao foana io lalana io. Ny antony dia satria tsy tena misy fanamboarana tanteraka ary na misy aza dia tsy mateza. Efa mila tsy ho azo andehanana intsony ity lalana ity amin’izao, izay mbola tsy fantatra hoe hanahoana mandra-pifaran’ny vanimpotoanan’ny fahavaratra raha toa ka any vao hisy fanamboarana.
Ami Ral
TAOMBAOVAO MALAGASY :
MBOLA MITADY DATY MARIMARITRA IRAISANA FOANA HATRAMIN’IZAO !
[Fa inona no tena fototry ny olana tsy mampifanaraka ireo mpitahiry ny fomban-drazana sy mpankalaza ny taombaovao malagasy eto amintsika?]
Hifanaraka indray sa tsia ? Momba ny fankalazana ny taombaovao malagasy no tiana tenenina, izay mbola itadiavana daty marimaritra iraisana na ifanarahana foana hatramin’izao. Fantatra izao fa misy indray amin’izao finiavan’ny tompon’anndraikitra ara-panjakana hampiombona ireo mpitahiry ny fomban-drazana hifanaraka sy hamaritra daty iraisana hankalazana ny taombaovao malagasy. Tsy vao izao akory no nisy izao fikasana hitady daty tokana ifanarahan’ny maro hanaovana fankalazana ny taombaovao malagasy. Taona vitsivitsy talohan’izao dia efa nanana izany fikasana ireo mpitahiry ny fomban-drazana sy mpankalaza taombaovao malagasy, saingy tsy mety tanteraka mihitsy izany. Miditra an-tsehatra hatrany ny fanjakana mamporisika sy manao ny fanamorana ho amin’izany fa tsy mety vita ihany. Tsy vitan’ny famaritana daty iraisana sy famoahana didim-panjakana mantsy izy ity satria raha nety izany dia efa natao teo aloha. Misy ireo mankalaza taombaovao malagasy aty amin’ny voalohandohan’ny taona, ary misy kosa manao izany any an-tenantenan’ny taona. Raha tsiahivina dia tamin’ny 29 sy 30 marsa no nankalazana ny taombaovao malagasy ho an’ny taona 2025 lasa iny, izay teny amin’ny tokotaniben’ny Rovan’i Manjakamiadana no nanaovana azy, ary teo amin’ny Kianjan’i Mahamasina no nitohy ny “Afo tsy maty” sy ny “tsimandrimandry”. Ny volana aogositra 2025 anefa dia mbola nisy fankalazana taombaovao malagasy fanindroany indray, izay nantsoina hoe “taombaovao lohataona” izy io. Izany hoe lasa misy fankalazana indroa ao anatin’ny taona iray. Asa moa na natao ho an’ireo mpankalaza taombaovao malagasy sokajy faharoa, aty an-tenantenan’ny taona no antony.
Volana
Fa inona no tena fototry ny olana tsy mampifanaraka ireo mpitahiry ny fomban-drazana sy mpankalaza ny taombaovao malagasy eto amintsika? Raha ny tokony ho izy dia izay daty voalohandohany amin’ny taona no heverina ho daty tokony hankalazana ny taombaovao malagasy. Tsy mba daty raikitra tahaka ny taombaovao araka ny kalandrie tandrefana nampidirina teto anefa izy io ka hoe isaky ny 1 janoary no taombaovao. Hafa noho izany ny famaritana ny taombaovao malagasy satria misy fombafomba arahana sy fijerena tetiandro atao eo amin’ny famaritana ny daty fankalazana. Samy manana ny azy ry zareo mpitahiry ny fomban-drazana voalaza etsy aloha ireo ka izay no antony tsy mampitovy ny andro sy daty fankalazana. Marihina fa ny taona malagasy dia avy amin’ny fanisana tetiandro mifototra amin’ny volana fa tsy mitovy amin’ny kalandrie tandrefana ankehitriny nampidirina teto, izay avy amin’ny fanisana andro miankina amin’ny masoandro. Ho hita manaraka eo indray na ho raikitra ity fikasana hankalaza taombaovao malagasy amin’ny daty iraisana ity na tsia.
Ami Ral