Vanimpotoana Vakansa lehibe


Anisany mahasarika ireo malagasy
ny torapasiky ny morontsiraka

[Ivelan’ireo dia ireo manao vakansa miaraka amin’ny fianakaviana aloha no mbola betsaka.]

Na mbola ireo vahiny avy any ivelany aza no tena mibahana betsaka eo amin’ny tsenan’ny fizahantany eto Madagasikara dia mandeha miadana ihany ny fizahantany ato anatiny. Anisan’ireo mahasarika ireo teratany malagasy , ohatra, ny torapasiky ny morontsiraka. Maro amin’ireo mpanao vakansa avy aty Antananarivo sy afovoantany no mamonjy ny toerana misy ranomasina ao anatin’izao fotoam-pialantsasatra lehibe izao. Efa misy ihany ny fikarakarana Fandehanana sy fanaovana vakansa na fizahantany iombonana , saingy tsy dia mbola maro loatra izy ireny no sady mety tsy ho takatry ny fahefa-mividin’ny olon-tsotra koa. Ankoatry ny fikambanana, na sekoly, dia ireo Orinasa matihanana amin’ny sehatry ny fizahantany, toy ny Vondron’ny “Tour Operator”, na Vondrona hotely no mikarakara ireny Fandehanana sy fizahantany iombonana ireny. Ivelan’ireo dia ireo manao vakansa miaraka amin’ny fianakaviana aloha no mbola betsaka.

Vanimpotoana

Mifanindry indrindra ao anatin’ny vanimpotoana mahabetsaka ny mpizahatany vahiny na “haute saison” moa amin’izao. Izay indrindra no mahatonga ny trano fandraisam-bahiny amin’ireny hôtely ireny saika efa feno daholo na voafandrika any amin’ireny toerana falehan’ny mpizahatany vahiny ivelany ireny. Mitovitovy amin’izany, ohatra, ny zava-misy hita tao Ranomafana tamin’ity volana ity. Marobe ireo mpizahatany vahiny avy any ivelany tazana mivezivezy amin’iny faritra iny amin’izao fotoana izao. Ireo mpqnqo vakansa tsy tafiditra amin’ny hôtely moa mitady efitrano hatoriana any amin’ny toerana hafa afaka manao izany, toy ny any amin’ireo tantanin’ny Masera, izay hofaina amin’ny sarany mirary. Matetika dia mijanona matory alina ao Ranomafana ny mpandeha, na hanohy ny dia ho any Manakara io, na hiverina ho aty Antananarivo ka anisan’ny antony mahabetsaka sy mahafeno ny trano fandraisambahiny toy izao.

Description de l'image
Maro amin’ireo mpanao vakansa avy aty Antananarivo sy afovoantany no mamonjy
ny toerana misy ranomasina ao anatin’izao fotoam-pialantsasatra lehibe izao.

Ami Ral

29 Août 2025

Commentaires