Fiompiana landy
Loharanombola sady azo ataosakafo sy karazana fanafody
Fidiram-bola ho an’ny tantsaha sy ny mpanao Asa tanana ny famokarana landy. Kanefa koa tena azo atao sakafo sy karazana fanafody izy. Etsy an-danin’izany, misy koa ny olana. Mahakasika izany indrindra dia nisy ny resadresaka nifanaovana tamin’Andriamatoa Randrianoharivony Barizaka, izay mpamokatra sy mpanao asa tanana vita amin’ny landy. Izy no mpiandraikitra ny “Atelier Mada Soie”, izay mpikambana ihany koa ao anatin’ny Kaoperativa Tsinjo.
Voandalana Ami du Voyageur (VAV) : Inona moa izany le anareo ity ?
Mada Soie (M.S) : Ny ataonay izany Kaoperativa Tsinjo, misy atelier Mada Soie. Izaho izany no miandraikitra ilay atelier Mada Soie mikarakara ny landy, manomboka any amin’ny fiompiana hatrany amin’ny fanodinana azy ho lasa echarpe.
VAV: Ny anaranao ?
M.S : Ny anarako izany Randrianoharivony Barizaka
VAV: Inona moa izany ny « titre » entinao ? Prezidà sa … ?
M.S : Mpiandraikitra
VAV : Ilay zavatra iandraiketanao io orinasa, sa kaoperativa, sa fikambanana ?
M.S : Ilay iandraiketako io izany karazana « atelier » kely ao anatin’ilay kaoperativa Tsinjo. Izany hoe ao amin’ilay Kaoperativa Tsinjo izany misy an’io “Centre” anankitelo io. Misy manomboka any amin’ny fambolena. Misy ny manao savony. Fa ny anay ato izany resaka landy. Io landy io izany manana “atelier” mitokana any amin’izay Amberomanga izay, fanodinana ny vokatra rehetrarehetra momba ny landy. Miandraikitra Tantsaha izany izahay miompy an’ireto landy ireto. Izany hoe izahay no mamokatra ny masomboly, ny atodin-dandy, zaraina any amin’ilay tantsaha. Dia avy eo indray izahay manangona ny vokatra mba hanamorana ilay tsenam-barotr’ilay tantsaha mba tsy hivezivezeny hitady lalambarotra. Dia izahay ihany no manangona azy dia manodina azy ho lasa landy ohatr’izao.
VAV: Ianareo izany sady mamokatra ihany no manodina koa?
M.S : Mamokatra ihany koa izahay. Mamokatra masomboly izahay dia mamokatra “cocon” mihitsy ihany koa.
VAV: Dia aiza moa izany ilay toerana anaovanareo an’ilay izy ?
M.S: Ny toerana misy ny “atelier”-nay izao any amin’ilay Amberomanga, kaominina Mahitsy.
Fiompiana
VAV: Dia ilay ambolena an’itony, ny zavatra amokarana ireto landy sy ny namany ireto, zanadandy moa sa inona moa izany… ?
M.S: Ravina voarohihazo ireny.
VAV: Aiza indray no…?
M.S: Ireny izany ny toerana mety amin’ireny dia any akaikin’ilay toerana iompiana mba tsy hivezivezena
VAV: Aiza izany ?
M.S: Any Amberomanga ihany koa izany
VAV : Inona moa ny anaran’ilay hazo ?
M.S: Voarohihazo, izany hoe ny tena marina izany ny famokarana voarohihazo sy ny fiompiana landy dia tsy afa-misaraka ohatry ny vary sy rano. Satria raha manana voarohihazo ianao nefa tsy misy landy, raha miompy landy koa ianao fa tsy manana voarohihazo dia tsy afaka hanao n’ino n’inona. Ny landy, voarohihazo ihany no sakafony. Ny dikan’izany raha miompy landy dia tsy maintsy mamboly voarohihazo aloha.
VAV: Efa hafiriana izany izao no nanaovana an’ity zavatra ity?
M.S: Efa tany amin’ny 2005 tany izahay no tena nanombohanay nanao an’io.
VAV: Ianao ve ankoatran’ity manao zavatra hafa koa sa tena mifantoka amin’ny famokarana sy fanodinana landy ?
M.S: Izy ity mantsy misy vanimpotoanany, manomboka volana novambra ambara-pahatongan’ny volana May no tena famokarana an’ilay “cocon”. Dia eo izany izahay no tena manao an’ilay famokarana an’ilay fiompiana landy. Fa ny volana May mandra-pahatongan’ny Novambra indray, ririnina moa eo tsy misy fiompiana dia eo no manao ny famokarana landy. Satria moa izany izahay tsy tena hoe manana “boutique” raikitra dia tsy maintsy manao fitadiavam-bola hafa ihany koa. Satria isaky ny ny foara toy izao izany izahay vao tena hoe misy tsena.
Fanodinana sy tsena
VAV: Ny tsenanareo moa izany aiza? Ny tiako tenenina, Antananarivo, Madagasikara, any ivelany sa ahoana ny momba an’izay tsena izay ?
M.S : Ny tsenanay moa izany izao, voalohany any amin’ny botikanay ho an’izay efa mahita, ny any amin’ny “atelier” mantsy é. Any izany efa fantatry ny olona dia afaka… maromaro no mitsidika mankany. Faharoa koa dia isaky ny foara ohatr’izao. Dia avy eo koa rehefa misy mpitsidika ireny satria efa fantampantatry ny olona ihany izahay dia maro ireo vahiny mandalo, dia manao kaomandy.
VAV: Ilay karazany ohatry ny ahoana kay no tena betsaka mpanjifa amin’izy ity? Ilay landikely sa ilay landibe ?
M.S : Ilay izy aloha izany amin’ny ankapobeny tian’ny olona daholo ilay landy fa ny hitako hoe betsaka izany dia ilay “couleur naturelle” (loko voajanahary) izany.
VAV: Dia ny vokatry ny landinareo ve izany mbola tsy misy aondrana mankany ivelany, na ilay lamba, na…
M.S : Efa misy ka ! Efa misy ny aondrana.
VAV: Dia zavatra ohatry ny ahoana no aondrana? Ilay izy efa vita ?
M.S : Ilay efa vita, ilay lamba(…)
VAV: Ianareo moa izany sady mivarotra “fil” (kofehy) no mivarotra lamba ?
M.S: Eny, sady mivarotra “fil” (kofehy) izahay no mivarotra lamba.
VAV: Maharitra hafiriana eo izao no hahazoana an’itony “fil” (kofehy) itony ?
M.S: Ity izao no atao hoe “cocon” na tranon-dandy. Izany hoe ity landy ity no mamokatra an’ity. Eo amin’ny iray volana eo no anaoovany azy. Izany hoe manome atodin-dandy izao izahay. Foy iny atodin-dandy iny dia manome ravina ohatran’izao. Iray volana no ompiana an’iny landy iny dia mahazo “cocon” ohatr’izao. Io izany no tena fidiram-bola akaiky indrindra raha ho anay tantsaha izany. Satria iray volana izy dia mahazo vokatra. Rehefa vokatra ohatra izao izany izy, dia vidianay ilay “cocon” na ilay landy dia izahay no manodina azy ho lasa “fil”. Ilay “fil” ohatr’izao misy tonga dia vidian’olona. Misy manao hoe “aleo rangahy izahay no manenona (tissage) azy. Izy no mahalala ny “motifs” sy ny “points” (haingokaingony) rehetra izay ataony any.
VAV: Itony ve izany mitovy daholo ny refiny, halavany moa izany sa ?
M.S : Habeny moa izany no tena itondrana an’itony fa ny halavany samy manana ny halavany. Mandeha grama moa izany ny anay no tena marina.
VAV: Eo amin’ny firy grama izany no “standard” na “norme” ?
M.S: Ny “écharpe” iray izao no tena “standard” anaovanay azy 200 grama eo.
VAV: Ilay fitaovana ampiasaina, manahoana ny masonkarena an’ilay “atelier”
M.S: Ny fitaovana aloha izany tena…Ny anay taloha nampiasa an’ilay fitaovana nentim-paharazana. Izany, lamba iray ihany no vitan’ny “métier” iray. Fa izao izany efa mba nohatsaraina ilay izy, ny “métier’ afaka manao lamba folo ka hatramin’ny roapolo akory àry. Izay “métier” izay, karazany modely avy any ivelany ihany izy io. Ilay izy moa hazo, na ny mpandrafitra aza afaka manao azy. Afaka ataontsika eto an-toerana ilay izy.
VAV: Ka ny vidin’izay manahoana ?
M.S: Ny vidiny lafolafo ihany aloha.
VAV: Manodidina eo amin’ny ohatrinona eo izao ny vidin’ny anankiray ?
M.S: Ohatry ny anay izao, efa elabe, tamin’izany no iray tapitrisa ariary. Fa izao izy mety efa…tsy hay hoe avo firy heny.
29 Août 2025