🎭 ** Voamaintilany - Divers et divertissements**.
🏄♂️ *Prêt pour l'aventure et les activités sportives? Vivez des expériences uniques et des sensations fortes au cœur de paysages naturels d'une beauté rare.
JIRAMA
LASA LAVARENY NY DELESTAZY
Raha somary nilamindamina kely teo aloha ny delestazy dia indro fa niverina ilay fahatapan’ny jiro mandritra ny fotoana tsy voafetra ho an’Antananarivo sy ny manodidina. Ho an’ny mpanjifa manokana dia fatiantoka tsy hita pesimpesenina ny vokatra haterak’ilay delestazy satria misy ireo zavatra simba raha tsy hilaza afa-tsy ny sakafo. Etsy an-danin’izay, eo koa ny tsy fahavitan’ny asa, izay miankina amin’ny herin’aratra ho an’ireo mampiasa masinina isan-karazany. Vokatr’izany, mahatsiaro maty antoka ireo mpanjifa sady tsy afa-po. Iaraha-mahalala fa ao anaty vanim-potoana manomboka maintany isika izao ka tsy afaka mamokatra firy ny milina miodina amin’ny rano na “hydraulique”, izay mila rano betsaka ahafahany miasa ara-dalàna sy mamokatra angovo betsaka. Etsy an-kilany, ny milina miodina amin’ny solika mavesatra sy ny angovo azo avy amin’ny masoandro tsy maharaka ny filàna akory. Mbola eo ihany koa ny pôlitikam-pitsitsiana ara-bola miteraka fahatapahana matetika. Toy izany koa ny fahanteran’ireo milina sasany, izay tsy azahoana vokatra firy. Raha ny zava-misy anefa dia ny angovo miodina amin’ny rano no tena nianteheran’ny Jirama namatsiana sy namaliana ny filàn’ny mpanjifa. Ny angovo azo avy amin’ny rano mantsy dia kely ny vola mivoaka raha mitaha amin’ny angovo azo avy amin’ny milina miodina amin’ny menaka mavesatra na “fuel”. Ankoatr”izany, eo koa ny mety fitsitsiana ireo tahirin-tsolika sy ny fahataran’ny famatsiana izay tsy ara-potoana ka miteraka io delestazy io. Tsy azo hamaivanina koa anefa ny mety ho olana ara-pitaovana sy ny fanamboarana ireo milina izay simba ka lasa misy fiantraikany amin’ny famatsiana mankany amin’ny mpanjifa. Na eo aza anefa izany dia tokony hanome fahafaham-po ho an’ny mpanjifa ny orinasa Jirama, ary koa tokony handaitra tsara ireo pôlitika fiatrehana izany mba hanafoana ny delestazy.
Mandrato
26 Juillet 2024
LAMBA-DATABATRA MENA
MISY TSIAMBARATELO SY ZAVA-MIAFINA
Fomban’ny mpivarotra no miezaka mitady izay hahametimety ny fandehan’ny tsenany. Tsy manalavitra izany ity fomba sy paik’ady fampiasan’ny sasany amin’izy ireny dia ny fampiasana loko menamena atao lambanana na lafik’entana amidy. Raha mitazana ilay entana amidy dia toy ny hoe safidin’ireo mpivarotra ny hoe “andao atao miloko mena ny lafik’ entana”. Etsy an-kilany anefa, toa misy hevitra ambadika ihany ny fampiasana ireny lamba-databatra miloko mena amin’ny ankapobeny ireny. Ny lamba mena mantsy dia misy kaody loko izay mety samy manana ny fandikany azy. Ho an’ny mpivarotra dia teknika iray entina misintona mpividy izy io. Izay no antony ifandroritan’ireo mpivarotra mampiasa azy satria mampahomby araka ny heveriny. Izany hoe ny mpandala fomban-drazana malagasy dia mino sy manaiky fa fitaovana entina mandrirotra mpanjifa ireny. Ho an’ireo olona sasany mivavaka na kristiana anefa dia fomba mety mifamatotra amin’ny fanahy hafa izany lamba miloko mena izany. Manana ny zava-miafiny sy ny tsiambaratelony manokana ny fampiasan’ny mpivarotra sasany io lamba mena io. Ho an’ireo mpivarotra sasany anefa dia tena mandaitra mihitsy io lamba mena io satria mahamety ny bizina sy ny varotra izay ataony. Raha ny fahita koa dia misy karazan’olona miankina amin’ny fanahy na hery hafa tena mampiasa azy io. Tsy amin’ny loko mena ihany anefa no ahitana zava-miafina toy izany fa ao koa ireo loko hafa, ohatra ny volom-parasy, ny mainty, ary ireo maro tsy voatanisa...
Mandrato
26 Juillet 2024
Lalao Olympika
: Tanterahina anio zoma ny lanonam-panokafana
Tanterahina anio zoma 26 jolay ny lanonam-panokafana ny lalao olympika taona 2024. Ao Paris renivohitr’i Frantsa no anatontosana ny lalao. Atleta miisa 10 500 avy amin’ny firenena maro no mandray anjara amin’izany. Olona maherin’ny 300 000 no nahazo fanasana hijery mivantana ny lanonam-panokafana ao Paris. « Ecran geant » miisa hatrany amin’ny 80 no anarahan’izy ireo izany. Marihina fa eo amin’ny 6 kilaometatra eo ny halaviran’ny lalana anaovan’ireo atleta filaharana mamakivaky an’i Paris avy any andrefana ka hatrany atsinanana. Mifarana eo amin’ny trocadero io filaharana io. Vinavinaina ho maherin’ny 1 miliara eo kosa ny isan’ny mpijery maneran-tany manaraka ity lanonam-panokafana amin’ny alalan’ny fahitalavitra. Tsiahivina fa manana solontena mandray anjara amin’ity lalao olympika ity ny firenena malagasy.
Ral
26 Juillet 2024
Ohabolana malagasy/Proverbe :
« Malaza ho be raharaha ka ny voly vary avy no tsy vita »