🍇 ** Sakamalaho sy havozo - Produits et terroir **.
🥘 *Plongez dans l'univers des saveurs exotiques et des mets traditionnels qui éveilleront vos papilles : découvrez les secrets culinaires de cette destination gourmande.
TONGOLO
MISY BIZINABE MITERAKA FAHALAFOSANY
Ity taona ity dia taona krizy amin’ny fahalafosan’ny tongolo “oignon” raha ampitahaina tamin’ny taona lasa sy talohan’izany. Tsapa tokoa fa nihoampapana ny fahalafosan’ny tongolo, izay manome tsiro sy hanitra ho an’ny nahandro sy ny sakafo. Akora iray tsy misaraka amin’ny nahandro ny tongolo. Mikaikaika anefa ireo mpanjifa amin’izao noho ny vidiny tsy mitsaha-miakatra satria 7000 ariary ka hatramin’ny 8000 ariary ny kilao raha toa ka 2000 ariary izany tamin’ny taona 2023. Azo heverina ihany koa fa misy milalao izany tsy fidinan’ny vidin’ny tongolo izany ka mahatonga ny vidiny mihenahena toy izao. Toe-javatra somary mahagaga ihany ary mampametra-panontaniana satria betsaka ny mpamokatra azy ity raha tsy hilaza afa-tsy iny Faritra Alaotra-Mangoro iny, izay ahitana velarantany midadasika mamokatra tongolo. Raha atao bango tokana izany rehetra izany dia ao ambadika foana ireo mpanao afera sy mpanao bizina, izay manakenda ny fiakarany sy ny tsy fidinan’ny vidiny. Raha ny lalànan’ny fifaninana eo amin’ny tsena anefa, rehefa betsaka ny vokatra dia midina ho azy ny vidin’ny vokatra. Mety ho ny fanondranana tongolo mankany ivelany ihany koa no antony mahatonga izao fahalafosany izao. Ho an’ny rehetra anefa dia azo atao tsara ny mamboly tongolo sy mivelona aminy fa mila toerana mando sy mila tondrahana matetika izy.
Mandrato
26 Juillet 2024
Tontolo iainana
Antananarivo rakotra setroka !
Raha ny marina dia mbola ao anatin’ny haintany isika izao fa tsy hoe efa fahavaratra . Ny mahagaga annefa dia maizina sahady ny lanitra na ny habakabak’Antananarivo. Toa tsy aizina ateraky ny rahona mainty, na vokatry ny hatsiaka, na te hanorana akory fa toy ny zavona sy setroka. Tranga niseho ny andron’ny talata io, na dia nipoaka aza ny masoandro ny atoandro. Asa mba nahatsikaritra izany ve ny mponina teto Antananarivo ? Fa misy inona ? Efa mandeha sahady ve ny dorotanety any amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo ? Tranga fahita rehefa ao anatin’ny vanimpotoanan’ny dorotanety ny tahak’izao, izany hoe Antananarivo maizina sy rakotra setroka io . Ny zavatra tsikaritra aloha dia maro ireo olona manao biriky amin’izao ka moa ve misy ifandraisany amin’izany ity aizina sy setroka ity ? Raha tena mitomboa fa setroka no mampahamaizina an’Antananarivo dia midika izany fa maloto ny rivotra eto. Raha tsiahivina dia malaza ho an’isan’ireo tanàn-dehibe maloto rivotra indrindra maneran-tany Antananarivo.
Ral
26 Juillet 2024
Topimasom-baovao (Tohiny)
# Tontosa tamin’ny tapaky ny volana Jolay teo ny fampidirana rano ho an’ny lemak’Antananarivo. Nanatontosa izany ny Antokon-draharaha avy ao amin’ny APIPA. Marihina fa ny lakandrano C3 no anisan’ny ampidirana rano isan-taona rehefa tong any fotoam-pambolena. Ny lemak’Antananarivo dia mamelona tantsaha an’aliny ary mamokatra vary an’aliny taonina ihany koa.
# Nisokatra tamin’ny 10 Jolay teo ny taom-piotazana (campagne) lavanila ho an’ity taona 2024 ity ao Matoantsetra ao anatin’ny faritra Ambatosoa. Tsiahivina fa nisy olana teo amin’ny famerana ny vidin’ny lavanila teo aloha.
Nangonin'i Ral
26 Juillet 2024