TONGOLO
MISY BIZINABE MITERAKA FAHALAFOSANY

Ity taona ity dia taona krizy amin’ny fahalafosan’ny tongolo “oignon” raha ampitahaina tamin’ny taona lasa sy talohan’izany. Tsapa tokoa fa nihoampapana ny fahalafosan’ny tongolo, izay manome tsiro sy hanitra ho an’ny nahandro sy ny sakafo. Akora iray tsy misaraka amin’ny nahandro ny tongolo. Mikaikaika anefa ireo mpanjifa amin’izao noho ny vidiny tsy mitsaha-miakatra satria 7000 ariary ka hatramin’ny 8000 ariary ny kilao raha toa ka 2000 ariary izany tamin’ny taona 2023. Azo heverina ihany koa fa misy milalao izany tsy fidinan’ny vidin’ny tongolo izany ka mahatonga ny vidiny mihenahena toy izao. Toe-javatra somary mahagaga ihany ary mampametra-panontaniana satria betsaka ny mpamokatra azy ity raha tsy hilaza afa-tsy iny Faritra Alaotra-Mangoro iny, izay ahitana velarantany midadasika mamokatra tongolo. Raha atao bango tokana izany rehetra izany dia ao ambadika foana ireo mpanao afera sy mpanao bizina, izay manakenda ny fiakarany sy ny tsy fidinan’ny vidiny. Raha ny lalànan’ny fifaninana eo amin’ny tsena anefa, rehefa betsaka ny vokatra dia midina ho azy ny vidin’ny vokatra. Mety ho ny fanondranana tongolo mankany ivelany ihany koa no antony mahatonga izao fahalafosany izao. Ho an’ny rehetra anefa dia azo atao tsara ny mamboly tongolo sy mivelona aminy fa mila toerana mando sy mila tondrahana matetika izy.

Description de l'image
Ilaina eo amin’ny resaka nahandro sy ny sakafo ny tongolo fa misy ihany koa ireo sokajin’olona mifady izany.

Mandrato

26 Juillet 2024

Commentaires