🚗✈️ Mbay Lalana 🧳🌺 - Laissez passer.
🛩️ *Quels moyens de transport privilégier pour explorer les trésors de cette île envoûtante? Découvrez les astuces et conseils pour un voyage inoubliable à travers ses paysages captivants.
EDITO : Voankazo an’Ala
Lalan-dririnina !
Tsy lavina fa mbola ririnina ny eto amintsika amin’izao. Mangatsiaka ny andro. Vokatr’izany dia mampivalan-drano matetika, indrindra moa ka nisotro rano betsaka. Rehefa mandeha fiara no tena sahirana koa ny mpandeha. Tsy asiana resaka aloha ny poritra te hivalan-drano amin’ny fotoana andehanana fiara fa ho an’ny mandeha an-tongotra. Ny tsy aritra asian-teny kely dia ity tsy mifidy toerana anaovana izany ity. Maro ireo zatra manao lalan-dririnina momba azy ity ka na vodirindrin’olona io, na sisin’arabe, na toerana malalaka, na vodihazo dia lasibatra avokoa. Manimba ny tontolo iainana ilay izy satria simba izay tratrany, toy ny zavamaniry, ny hazo, sns… Tsy vitan’izay fa lasa maloto izay toerana tratrany no sady mamofona masiso. Tsy hoe fahazarana ilay izy fa fahazaran-dratsy . Lasa tahaka ny fomba fanaon’ny sasany amin’ny fako ihany io. Tsy mifidy toerana anariana izany, fa na arabe, na tatatra, sns …dia anariana fako toy ny tavoahangy plastika, zavatra vita amin’ny sachet. Zavatra tokony hosorohina daholo izany rehetra izany mba tsy sanatria hitsaran’ny vahiny fa tsy mahalala madio isika Malagasy !
Mandrato
26 Juillet 2024
Zotra-Lignes et itinérairesZotra 159
Somary miovaova be ihany ny fandaminana misy eo anivon’ity. Teo aloha dia nahitana karazany roa izy. Samy miaimga eo Andranomena izy ary samy miafara eny Tanjombato fa ny lalany no samy hafa. Ny voalohany dia miainga eo Andranomena, mandalo eny amin’ny gara Makis, Andohatapenaka, Ampasika, 67 ha atsimo, Andavamamba, Namontana, Anosibe, Soanierana, Ankadimbahoaka, ary eny amin’ny Forello eny Tanjombato. Ny faharoa dia miainga eo Andranomena ihany, mandalo eny amin’ny gara Makis, Andohatapenaka, Ampasika, 67 ha atsimo, Andavamamba, avy eo miodina eny Ampefiloha, mahazo an’Anosy, Andrefan’Ambohijanahary, Soanierana, Ankadimbahoaka, ary mifarana eny amin’ny Forello Tanjombato. Tato aoriana anefa dia lasa ilay miodina eny Ampefiloha sy mahazo an’Anosy sy Andrefan’Ambohijanahary, ary Soanierana ihany sisa no tena miasa.
Ral
26 Juillet 2024
Ambohimandroso
Anisan’ny gara nalaza fahiny
Lalana tsy maintsy lalovana ny tanànan’Ambohimandroso na hianatsimo, na hianavaratra raha mandeha manaraka ny lalampirenena faha-7 iny. Azo heverina fa eo Ambohimandrosoa ihany koa no misasaka ny lalana raha miala an’Antananarivo ho any Antsirabe, izay eo amin’ny valopolo kilaometatra eo. Fahiny dia teo Ambohimandroso no toerana fiatoan’ny dia rehefa mandeha an-tongotra hianatsimo ny olona ka miainga avy ao Antananarivo. Eo ny olona no mitoby maka aina sy matory amin’ny alina, ary mitohy indray ny dia ny ampitson’iny. Tato aoriana dia lasa tanàna lehibe izy, ary anisan’ireo gara andalovan’ny fiaran-dalamby ka nahatonga ny anarana hoe Ambohimandroso-gara. Nanana ireo vokatra namidy isaky ny fandalovan’ny lamasinina nampiavaka azy koa ny garan’Ambohimandroso, tahaka ny fahita amin’ny gara sasany ihany. Efa hatrany am-boalohany mihitsy no nanaovana ny tsena teto ho andro sabotsy. Tany am-piandohana aza dia mbola io Sabotsy io no anarana nahavantana niantsoana azy fa tato aoriana vao tena raikitra ho Ambohimandroso. Ankoatry ny fambolena vary dia hita eto koa ireo vokatra legioma isan-karazany. Ny lamba landy koa no anisan’ny zavatra mampalaza an’Ambohimalaza. Tany aloha dia taranaka fianakaviana avy eto Ambohimandroso no alain’ny olona rehefa misy hampisalorana lamba landy sy hikabary.
Ral
26 Juillet 2024
Topimasom-baovao
# Nidina ifotony teny Ivato-Aeroport ny Filoha Rajoelina tamin’iny herinandro iny.
Nampitandrina ireo mpiasa sy tompon’andraikitra eo anivon’ny ladoany ny tenany. Mihoatra noho izany, nambarany fa horoahina avy hatrany izay tratra manao kolikoly.
# Voaray ho isan’ny fianakaviamben’ny IATA ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Madagascar Airways.
Marihina fa efa mpikabana teo anivon’ity fikambanana iraisam-pirenena ity ihany izy teo aloha.
Nangonin’i Ral
26 Juillet 2024