Fikarohana
Zezika vita amin’ny lalitra !
Misy biby heverina fa mpanimba zavatra kanefa mbola misy ilàna azy dia tsy inona izany fa ny lalitra. Efa misy amin ‘izao zezika vita avy amin’ny lalitra. Teratany malagasy ihany no namorona azy io ary monina eto Antananarivo. Raha ny kankana no efa fantatry ny olona fa azo anaovana zezika dia efa nisy namorona koa izany izao ny zezika vita avy amin’ny lalitra . Ampiasaina amin’ireo karazana fambolena ity zezika ity. Efa manomboka mamokatra sy mivarotra ity karazana zezika vita avy amin’ny lalitra ity ny tompony namorona azy ary azo atao ny manatona azy . Fomba anankiray iadiana amin’ny lalitra koa izany izao ny famadihana azy ho zezika !
Ral
26 Juillet 2024