Ambohimandroso
Anisan’ny gara nalaza fahiny

Lalana tsy maintsy lalovana ny tanànan’Ambohimandroso na hianatsimo, na hianavaratra raha mandeha manaraka ny lalampirenena faha-7 iny. Azo heverina fa eo Ambohimandrosoa ihany koa no misasaka ny lalana raha miala an’Antananarivo ho any Antsirabe, izay eo amin’ny valopolo kilaometatra eo. Fahiny dia teo Ambohimandroso no toerana fiatoan’ny dia rehefa mandeha an-tongotra hianatsimo ny olona ka miainga avy ao Antananarivo. Eo ny olona no mitoby maka aina sy matory amin’ny alina, ary mitohy indray ny dia ny ampitson’iny. Tato aoriana dia lasa tanàna lehibe izy, ary anisan’ireo gara andalovan’ny fiaran-dalamby ka nahatonga ny anarana hoe Ambohimandroso-gara. Nanana ireo vokatra namidy isaky ny fandalovan’ny lamasinina nampiavaka azy koa ny garan’Ambohimandroso, tahaka ny fahita amin’ny gara sasany ihany. Efa hatrany am-boalohany mihitsy no nanaovana ny tsena teto ho andro sabotsy. Tany am-piandohana aza dia mbola io Sabotsy io no anarana nahavantana niantsoana azy fa tato aoriana vao tena raikitra ho Ambohimandroso. Ankoatry ny fambolena vary dia hita eto koa ireo vokatra legioma isan-karazany. Ny lamba landy koa no anisan’ny zavatra mampalaza an’Ambohimalaza. Tany aloha dia taranaka fianakaviana avy eto Ambohimandroso no alain’ny olona rehefa misy hampisalorana lamba landy sy hikabary.

Description de l'image
Nankaiza ny lamasinina tety no gara sisa tavela !

Ral

26 Juillet 2024

Commentaires