Magazine en ligne · Édition spéciale — Numéro 032 · Vendredi 13 Mars 2026
🔴 Flash
« Taombaovao malagasy » - Anosimanjaka : 465 è nouvel an traditionnel, résurgence du passé et « Alahamadibe » confirmé ! Tourisme - Madagascar : Des offres promotionnelles pour séduire les Malagasy à visiter ses merveilles ! “Taombaovao malagasy” na Alahamadibe - « Tsy maintsy tsinan’Alahamady foana fa tsy azo ovaina”, hoy ny tao Anosimanjaka ! Mpitsabo « tradipraticien » - Mampiasa fitsaboana eo anelanelan’ny fomba nentim-paharazana sy maoderina !

🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.

Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin'ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana

Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l'artisanat

Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts

📰 « Découvrez nos articles récents et Archives »
🏪 « Découvrez les Offres de nos Espaces »

Mpitsabo « tradipraticien » :
Mampiasa fitsaboana eo anelanelan’ny fomba nentim-paharazana sy maoderina

Ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny « tradipraticien » eto Madagasikara dia samy manana ny fototra iorenany lalina ao anatin’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao Malagasy. Hatramin’ny andro taloha dia efa nisy ireo Raiamandreny sy mpandala ny fomban-drazana nahafehy ny tsiambaratelon’ny zavamaniry, ny tambavy, ny otra ary ireo fomba hafa entina mitsabo aretina. Nandritra ny taona maro, na dia efa niditra aza ny fitsaboana ara-tsiansa maoderina, dia mbola mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ireo fomba nentim-paharazana ireo.

Ankehitriny dia hita fa mitombo sy miparitaka manerana ny nosy io karazam-bitsaboana io. Manomboka eto Antananarivo renivohitra ka hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra, dia misy hatrany ireo olona manantona mpitsabo nentim-paharazana sy “tradipraticien” rehefa sendra olana ara-pahasalamana. Ity fanadihadiana ity no mitondra fanazavana lalindalina kokoa ho an’ny mpamaky momba io sehatra iray mbola mampametra-panontaniana sy mahaliana ny maro io.

Aretina sarotra sitranina

Matetika, ireo marary manana aretina saro-pahasitranana na efa very fanantenana amin’ny fitsaboana mahazatra no mitodika amin’ny fitsaboana nentim-paharazana. Ao anatin’izany ny homamiadana (cancer), ny fahatapahana lalandrà na AVC, ny taolana tapaka, ny mosavy, ary ireo aretina maro hafa izay heverina fa misy lafiny ara-panahy na ara-kolontsaina tsy voavaly tanteraka amin’ny fomba maoderina. Ho an’ny sasany, ny fitsaboana nentim-paharazana dia manome fanantenana vaovao, indrindra rehefa tsy nahitana vokatra mazava ny fitsaboana ara-tsiansa maoderina.

Ankoatra ny tambavy sy ny zavamaniry izay efa mahazatra ny maro, dia misy ihany koa ireo mpitsabo mampiasa fomba hafa heverina fa hery avy aty ivelany. Misy amin’izy ireo no tsy mila fifampikasohana mivantana amin’ny marary akory, fa amin’ny alalan’ny fivavahana, fanomezam-pahasoavana, na fomba hafa mifototra amin’ny finoana sy ny hery ara-panahy. Ireo fomba ireo dia miteraka adihevitra eo amin’ny fiaraha-monina, saingy tsy azo lavina fa mbola maro no mino sy manaraka izany.

Samy hafa

Raha jerena akaiky, dia misy maha samy hafa azy ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny “tradipraticien”. Ny « tradipraticien » dia matetika voasoratra ara-panjakana ary manana fahazoan-dalana hiasa. Midika izany fa efa nisy fanaraha-maso sy fankatoavana ara-dalàna nataon’ny manampahefana amin’ny asany. Izy ireo dia manolotra vahaolana mifototra amin’ny fomba nentim-paharazana, saingy voalamina kokoa ary indraindray mifandray amin’ny rafitra ara-pahasalamana ofisialy.

Eo amin’ny lafiny ara-bola kosa, mazàna ny “tradipraticien” dia efa manana saram-pitsaboana voafaritra mialoha. Misy rafitra sy fepetra arahina, mitovy amin’ny toeram-pitsaboana mahazatra. Raha ny mpitsabo nentim-paharazana kosa dia matetika mbola mijanona amin’ilay fomba hoe “izay foy no omena”, araka ny fomban-drazana. Ny marary na ny fianakaviany no manolotra fanomezana arakaraka izay zakan’izy ireo, mety ho vola, fananana, na zavatra hafa.

Ny fitsaboana nentim-paharazana kosa dia tsy voatery ho voasoratra ara-dalàna. Mifototra indrindra amin’ny fahalalana nolovaina tamin’ny razambe sy ny traikefa niainana izy. Matetika dia ampitaina amin’ny taranaka na amin’ny alalan’ny fanofanana manokana avy amin’ny mpitsabo efa za-draharaha. Na dia tsy manana mari-pahaizana ara-tsiansa aza izy ireo, dia manana traikefa sy fahalalana lalina momba ny zavamaniry sy ny toetry ny aretina sasany.

📅 21 Mars 2026

Miara-miasa

Maro amin’ireo fomba fitsaboana ireo no efa mihamatotra sy mihatsara arakaraka ny fivoaran’ny fotoana. Misy aza ireo “tradipraticien” miara-miasa amin’ny mpitsabo ara-tsiansa amin’ny lafiny sasany, indrindra amin’ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny marary. Na izany aza, mbola zava-dehibe hatrany ny fitandremana, satria tsy voaporofo ara-tsiansa avokoa ny fomba rehetra ampiasaina.

Amin’ny ankapobeny, ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny “tradipraticien” dia samy manana ny anjara toerany eo amin’ny fiaraha-monina Malagasy. Ho an’ny maro, tsy mifaninana izy ireo fa mifameno. Ny fitsaboana ara-tsiansa dia manome vahaolana mifototra amin’ny fikarohana sy ny porofo ara-pitsaboana, raha ny fitsaboana nentim-paharazana kosa dia manampy amin’ny lafiny ara-kolontsaina sy ara-panahy izay manan-danja eo amin’ny Malagasy.

Ny fifampitoviana sy ny fifamenoana eo amin’ireo rafi-pitsaboana ireo dia mbola zava-dehibe hatrany. Ny tanjona dia iray ihany: ny fahasalaman’ny marary tsaboina. Raha voafehy sy voarindra tsara, ary misy fanaraha-maso mazava, dia afaka mitondra tombontsoa lehibe ho an’ny fiaraha-monina ny fiaraha-miasan’ny fitsaboana maoderina sy ny fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara.

Yves Rindra

Culture malgache
Taombaovao malagasy »-Anosimanjaka : 465 è nouvel an traditionnel, résurgence du passé et « Alahamadibe » confirmé
Culture & malgache

« Taombaovao malagasy » - Anosimanjaka : 465 è nouvel an traditionnel, résurgence du passé et « Alahamadibe » confirmé !

Entre ferveur populaire, mémoire royale et débats contemporains, la célébration du 465e Alahamadibe à Anosimanjaka rappelle que le Nouvel An traditionnel malgache est bien plus qu’un simple rendez-vous festif. Il incarne à la fois une résurgence du passé, une affirmation identitaire et un enjeu national encore en discussion.

📅 21 Mars 2026 Lire suite
Tourisme
Santé
Fitsaboana · Tradipraticien

Mpitsabo « tradipraticien » : Mampiasa fitsaboana eo anelanelan’ny fomba nentim-paharazana sy maoderina !

Ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny « tradipraticien » eto Madagasikara dia samy manana ny fototra iorenany lalina ao anatin’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao Malagasy. Hatramin’ny andro taloha dia efa nisy ireo Raiamandreny sy mpandala ny fomban-drazana nahafehy ny tsiambaratelon’ny zavamaniry, ny tambavy, ny otra ary ireo fomba hafa entina mitsabo aretina. Nandritra ny taona maro, na dia efa niditra aza ny fitsaboana ara-tsiansa maoderina, dia mbola mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ireo fomba nentim-paharazana ireo.

📅 21 Mars 2026 Araho ny tohiny
TAOMBAOVAO MALAGASY EN PHOTOS

✨ Promo Voyage Madagascar — Découvrez nos offres !

🏝️ Séjour — Réservez maintenant !

🍯 Produits artisanaux — 100% Made in Madagascar

📸 Votre publicité ici — Contactez-nous

🎶 Festival Culturel — Ne manquez pas l'événement !

⚽ Sponsoring Football — Votre marque en avant !

Publicité Voandalana

Commentaires