🚗✈️ Voandalana au Quotidien · Actualités & Faits-Divers 🌍
Magazine en ligne — Tourisme · Culture · Voyage · Artisanat · Actualités de Madagascar
JIRAMA :
HISY NY FAHATAPAHANA RANO VONJIMAIKA ANIO ALAHADY NOHO NY ASA FANITARANA NY TOBY MANDROSEZA !
📣 Nampahafantatra ny Jirama fa hisy ny fampiatoana famatsian-drano vonjimaika amin'ny faritra sasany eto Andrenivohitra anio Alahady 22 marsa 2026, manomboka amin'ny 10 Ora ka hatramin'ny 4 Ora hariva. 🚰
🎯 Tsy maintsy natao izany fitsaharana izany mba hahafahana manatontosa amin'ny asa fanitarana ny toby ao Mandroseza.
📍 Ireto avy ireo toerana voakasiky ny fahatapahana : Ampefiloha, Andavamamba, 67Ha, Antohomadinika, Isotry, Isoraka, Anosibe, Anosizato, Ampitatafika, Itaosy, Andraharo, Ambohimanarina, Antanimena, Ankorondrano, Ambodimita, Ambohibao ary ny manodidina azy ireo.
✅ Rehefa vita ireo asa ireo, dia hiverina amin'ny laoniny avy hatrany ny famatsiana rano amin'ireo toerana voalaza ireo.
Loharanom-baovao : Jirama
TSENABEN'NY FIZAHANTANY :
ANDIANY FAHA-11 — 24 IREO MPANDRAHARAHA AMIN'NY FIZAHANTANY HANDRAY ANJARA AO AMIN'NY ZARIDAINAN'ANTANINARENINA !
📣 Tsenaben'ny Fizahantany andiany faha 11 ! Tolotra maro isan-karazany no efa karakarain'ireo matihanina amin'ny fivahinianana sy ireo ofisim-paritry ny fizahantany. 🤩
🎯 24 ireo mpandray anjara amin'izany eto Madagasikara.
📍 Mamaimpoana ny fidirana ho an'ireo mpitsidika ny 12, 13 ary 14 Martsa 2026 ao amin'ny zaridainan'Antaninarenina.
Loharanom-baovao : FHORM
<
🌺 FANKALAZANA NY 8 MARSA :
Asongadina eto Antananarivo ny fahaiza-manao sy ny haren-kolontsain'ny vehivavy avy amin'ny faritra 24 !
"Vehivavy malagasy, hery ho an'ny fanavaozana ny Firenena" — Izany no lohahevitra ankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Vehivavy amin'ity taona ity.
Ho fanehoana izany "hery" izany dia misy fampirantiana atao eny Mahamasina, izay manasongadina ny fahaiza-manao sy ny haren-kolontsain'ny vehivavy avy amin'ny faritra 24 eto Madagasikara. Aseho ao anatin'izany ny vokatra asa-tanana, zavakanto ary karazan-javatra maro samihafa novokarin'ny vehivavy.
Nampiavaka ny hetsika ihany koa ny vavolombelona nentin'i Lantoniaina Rasoarimanana, vehivavy tsy mahita maso. Nambarany fa mahay sy afaka manao asa isan-karazany ary mitana andraikitra tahaka ny lehilahy ihany koa ny vehivavy, anisan'izany ireo miaina miaraka amin'ny fahasembanana.
Hitohy anio zoma sy sabotsy ny fankalazana amin'ny alalan'ny hetsika fialamboly, fanatanjahantena ary kolontsaina, ary hofaranana amin'ny diabe lehibe hatao eny Anosy amin'ny alahady.