Magazine en ligne · Édition spéciale — Numéro 032 · Vendredi 13 Mars 2026
🔴 Flash
« Taombaovao malagasy » - Anosimanjaka : 465 è nouvel an traditionnel, résurgence du passé et « Alahamadibe » confirmé ! Tourisme - Madagascar : Des offres promotionnelles pour séduire les Malagasy à visiter ses merveilles ! “Taombaovao malagasy” na Alahamadibe - « Tsy maintsy tsinan’Alahamady foana fa tsy azo ovaina”, hoy ny tao Anosimanjaka ! Mpitsabo « tradipraticien » - Mampiasa fitsaboana eo anelanelan’ny fomba nentim-paharazana sy maoderina !

🚗✈️ Voandalana ami du voyageur 🧳🌺 - Magazine en ligne.

Voandalana Ami du Voyageur, namana mahatoky manampy eo amin'ny dia atao, fizahan-tany, vokatry ny tany, ary ny asa tanana

Voandalana Ami du Voyageur, compagnon fidèle au service du voyage, tourisme, des produits du terroir, et de l'artisanat

Voandalana Ami du Voyageur, a faithful companion serving travel, tourism, local products, and crafts

📰 « Découvrez nos articles récents et Archives »
🏪 « Découvrez les Offres de nos Espaces »
Taombaovao malagasy Alahamadibe

“Taombaovao malagasy” na Alahamadibe :
« Tsy maintsy tsinan’Alahamady foana fa tsy azo ovaina”, hoy ny tao Anosimanjaka !

[Raha iverenana ny zava-nitranga manodidina ny fankalazana ny “Alahamadibe” teto Anosimanjaka, ny alakamisy 19 marsa dia natokana ho andro “fidiovana”, izay nitohy tamin’ny alalan’ny fitondrana ny “afo tsy maty” ny harivan’io.]

Nankalaza ny “Alahamadibe”, na ny “taombaovao malagasy” araka ny ahafantaran’ny maro azy ankehitriny koa ny tao Anosimanjaka ny herinandro lasa teo iny. “Ny alahamady dia tsy maintsy tsinan’Alahamady foana, fa tsy azo ovaina manaraka ny traikefa, na volana inona io, na volana inona io…Fa tsy hoe tsy maintsy marsa, na avrily foana ». Io no anisan’ny nambaran’ny tao Anosimanjaka nandritra ny lanonana fankalazana ny “Alahamadibe” notanterahina tao an-toerana ny andron’ny zoma 20 marsa teo. Ny Solontenan’ny terak’Antehiroka no nilaza izany, tao anatin’ny fotoana nanatanterahany ny “fafy rano” , na “tsodrano”, mialohan’ny hanaovana ny famonoana omby. Marihina fa amin’ny maha-mponina voalohany sady tranainy indrindra ny terak’Antehiroka teto Anosimanjaka sy ny manodidina dia izy no nomena fahefana hanao fisantarana rehefa misy zavatra atao, na lanonana ara-drazana io, araka ny fomban-tany. Izy ihany koa no nanatsatoka lefona voalohany tamin’ny omby novonoina teto. Mbola nohamafisin-dry zareo Zanadranavalona sy Anosimanjaka indray izany fomba izany teto.

Hentitra

Hita amin’izao fa hentitra amin’ny fanajana ny fomban-taniny sy ny fomban-drazany ry zareo Zanadranavalona sy Anosimanjaka ireto. Izany rehetra izany dia efa karazany ahafahana mitaratra mialoha sahady fa tsy afaka hanaraka ny famaritana daty iombonana ankoatry ny “tsinan’Analahamady” ho enti-mankalaza ny “taombaovao malagasy” ry zareo Zanadranavalona sy ny eto Anosimanjaka. Tsiahivina ihany fa efa misy ny volavolan-kevitra mikasika izany, izay kasain’ny mpitondra ankehitriny haroso hodinihina any amin’ny “fikaonandoham-pirenena” rehefa tonga ny fotoana hanatanterahana izany aoriana ao. Raha iverenana ny zava-nitranga manodidina ny fankalazana ny “Alahamadibe” teto Anosimanjaka, ny alakamisy 19 marsa dia natokana ho andro “fidiovana”, izay nitohy tamin’ny alalan’ny fitondrana ny “afo tsy maty” ny harivan’io. Nandritra io andro io koa no nanaovana ny fanomanana ny toerana handraisana ny lanonana. Loko marevaka ran’ombalahy no nampiasaina teto. Omby miisa efatra no novonoina sy nozaraina natao “nofon-kena mitam-pihavanana” teto ny andron’ny zoma nankalazana ny “Alahamadibe”. Notsiahivina teto fa ny mpanjaka Ralambo, araka ny tolokevitra natolotry ny mpanolotsainany Habib na Rabib- izay nahatonga ny anarana hoe Ambohidrabiby-, no nanapaka fa ny andro Alahamady no atao hoe andro voalohany sy volana voalohanay amin’ny taona, izany hoe “taombaovao”. Mizara andro telo ny Alahamady ka ny andro voalohany na vava Alahamady no lehibe indrindra, izay atao hoe Alahamadibe.

📅 21 Mars 2026
Taombaovao malagasy” na Alahamadibe

Marihina fa ny lanonana sy ny hetsika rehetra nandritra ity fankalazana ny Alahamadibe teto Anosimanjaka ity dia nokarakarain’ny fikambanana Zanadranavalona, izay eo ambany fitarihan’ny filohany Ravelonario Alain dit Louis. Mankalaza ny faha-65 taonany koa ankehitriny ity fikambanana ity. Nandray anjara mavitrika teto koa ny solontenan’ny taranak’Andriamanjakatokana. Nanotrona teto ihany koa ny solontena avy amin’ny Andriamasinava lona

Ami Ral

Culture malgache
Taombaovao malagasy »-Anosimanjaka : 465 è nouvel an traditionnel, résurgence du passé et « Alahamadibe » confirmé
Culture & malgache

« Taombaovao malagasy » - Anosimanjaka : 465 è nouvel an traditionnel, résurgence du passé et « Alahamadibe » confirmé !

Entre ferveur populaire, mémoire royale et débats contemporains, la célébration du 465e Alahamadibe à Anosimanjaka rappelle que le Nouvel An traditionnel malgache est bien plus qu’un simple rendez-vous festif. Il incarne à la fois une résurgence du passé, une affirmation identitaire et un enjeu national encore en discussion.

📅 21 Mars 2026 Lire suite
Tourisme
Santé
Fitsaboana · Tradipraticien

Mpitsabo « tradipraticien » : Mampiasa fitsaboana eo anelanelan’ny fomba nentim-paharazana sy maoderina !

Ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny « tradipraticien » eto Madagasikara dia samy manana ny fototra iorenany lalina ao anatin’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao Malagasy. Hatramin’ny andro taloha dia efa nisy ireo Raiamandreny sy mpandala ny fomban-drazana nahafehy ny tsiambaratelon’ny zavamaniry, ny tambavy, ny otra ary ireo fomba hafa entina mitsabo aretina. Nandritra ny taona maro, na dia efa niditra aza ny fitsaboana ara-tsiansa maoderina, dia mbola mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ireo fomba nentim-paharazana ireo.

📅 21 Mars 2026 Araho ny tohiny
TAOMBAOVAO MALAGASY EN PHOTOS

✨ Promo Voyage Madagascar — Découvrez nos offres !

🏝️ Séjour — Réservez maintenant !

🍯 Produits artisanaux — 100% Made in Madagascar

📸 Votre publicité ici — Contactez-nous

🎶 Festival Culturel — Ne manquez pas l'événement !

⚽ Sponsoring Football — Votre marque en avant !

Publicité Voandalana

Commentaires