🏨 ** Mahaliana - Environnement et Tourisme **.
🏝️ * À la recherche d'un lieu d'exception pour votre escapade? Plongez dans l'univers des hébergements charmants et des séjours inoubliables au cœur de cette destination enchanteresse.
Vakansa lehibe sy Famadihana
Mirohotra mankany Mahajanga sy Fianarantsoa ary Vakinankaratra ny mpandeha taksibrosy
Mirohotra mankany Mahajanga sy Fianarantsoa ary Vakinankaratra avokoa ny mpandeha Taksibrosy amin’izao. Ny anaton’izany dia noho ny Vakansa lehibe sy ny famadihana. Nisy ny fanadihadiana nataonay teny amin’ireo Toby fiantsonan’ny taksibrosy eny amin’ny « Fasan’ny Karana » ary teny amin’ny Gare Makis Andohatapenaka.
Toby fiantsonana « Fasan’ny Karana »
Ho an’ny Zotra nasiônaly dia mitombo ny isan’ny mpandeha. Mandeha any Fianarantsoa sy Ambositra ny ankamaroany. Ny Vakansa sy ny famadihana no antony, araka ny fanadihadiana natao. Manodidina ny 30 ny fiara miainga amin’izao raha 16 na 17 izy andavanandro. Vao miditra ny mpianatra dia mijanona io. Tsy niakatra aloha hatreto ny sarandalana. Marihina fa ny Komity Miara-Mitantana Toby Fiantsonana Fasan’ny Karana (KMTF) no mitantana ity Toby fiantsonana eto amin’ny « Fasan’ny Karana » ity ho an’ny zotra nasiônaly.
Zotra reziônaly
Nisy ny resadresaka nifanaovan’ny gazety « Voandalana Ami du Voayageur » tamin’ny Filohan’ny Zotra Reziônaly RN7 Rakotondramanana Jean ferdinand sady Chef de Parc na Chef de gare.
VAV(Gazety Voandalana Ami du Voyageur) : Manahoana izao Antsirabe amin’izao ? Mitombo ve izao ny olona mandeha sa mitovy amin’ny andavandro ?
Prezida Zotra Rezionaly : Somary mitombo izy amin’izao ka ! Satria misy vakansa ! Misy famadihana ! Dia eo ny mpivarobarotra madinika. Betsaka ny olona mivezivezy.
VAV : Dia izy mitombo izany, firy izy amin’izao ary firy raha ny mahazatra amin’ny andavandro ?
Prezida Zotra Rezionaly : Eto aminay manko izany izao, ny zotra reziônaly rehetra eto no miainga. Raha fiara 70 ny volana marsa ka hatramin’ny Juin, izao lasa 100 ka hatramin’ny fiara 110. Nanomboka volana jolay io
VAV : Tsy niakatra ny sarandalana ?
Prezida Zotra rezionaly : Izahay manao « tarif promotion » tahaka ny zavatra rehetra. Amin’ny andavanandro 15 000 ariary ny sarandalana. Rehefa vanimpotoana ohatran’izao dia 20 000 ariary. Io ny sarandalana noferan’ny fanjakana.
VAV : Manahoana ny fiara ?
Prezidà Zotra rezionaly : Ny anay ny fiara manara-penitra daholo. Ireo hitanao ireo « crafter » daholo, mandeha 4 « banquettes »(seza). Mbola misy ihany koa anefa mini-bus. Izay tsy tia mandeha mafimafy dia mandeha mini-bus.
Ireto avy ireo ao anatin’ny zotra reziônaly RN7 : Antsirabe-Ambatolampy-Ambohimandroso-Antanifotsy-Ambohibabry-Faratsiho-Betafo-Mandoto-Soanindrariny-Sahanivotry-Ambohimiadana-Andramasina-Alatsinainy Bakaro-Anepoka(Ambohimandroso)-Tsinjoarivo-Antampandrano-Ambohitompoina-Antsampanimahazo-
Ankoatr’izany dia nambaran’ny Prezidàn’ny Zotra Reziônaly fa miisa 35 ny kaoperativa miasa ato anatin’ny zotra reziônaly RN7. Mikasika ny tsy fanarahan-dalàna dia nambarany fa efa nisy ireo mpitatitra voasazy. Tsy maintsy manao « désinfection » na fandrarahana ranom-panafody fara-fahakeliny indray mandeha isan-kerinandro. Misy koa ireo tsy maka mpandeha ato anaty « gare routière » dia voasazy satria mila maka « manifold » ahalalana ny mombamomba ny mpandeha. Farany dia naneho ny faniriany ihany koa ity Lehiben’ny Toby fiantsonana ity ny mba hijeren’ny fanjakana ny eny amin’ny Fasan’ny Karana.
Gare Makis Andohatapenaka
Toy izao indray ny resadresaka nifanaovana tamin’ny tamin’ny Tale Jeneraly Lefitry ny Gare routière Makis Andohatapenaka Fidy Ranaivoson.
Gazety Voandalana Ami du Voyageur (VAV) : Manahoana ny mpandeha amin’ny RN 4 sy ny RN6 miha-mitombo ve izy amin’izao vanimpotoana izao sa mitovy amin’ny mahazatra ? Tale Jeneraly Lefitra(DGA) : Voalohany indrindra aloha ho anay aty amin’ny Gare routière Andohatapenaka manokana dia nisy fiovana raha miohatra amin’ny teo aloha raha ny fivezivezen’ny mpandeha amin’ireo zotra voalaza ireo dia : ny RN4 faritra Boeny, ny RN 6, indrindra ny faritra Sofia. Eo ihany koa ny RN2 faritra atsinanana-Toamasina. Ireo telo ireo izany no tena nahitana fitomboana betsaka kokoa raha izay no azo ilazana azy. Izany hoe tany aloha tany izy tany amin’ny « Basse saison » (fotoana maha-vitsy ny mpandeha) fiara 100 na fiara 107. Izao izy fiara 200 ka hatramin’ny 228 isan’andro eo no miala eto amin’ny tobim-piantsonana.
VAV : Inona ilay fanazavana an’izay ? Ilay vanim-potoana izao sa tena efa niakatra ohatra an’izay foana ilay izy ?
DGA : Misy famakafakana kely nataoko ihany. Tamin’ny 2019 nisy firohotana sahala amin’izao, dia izao indray. Izany hoe ny fijeriko azy izany izao taorian’ireny covid 19 sy ohatra ny hoe fahasahiranan’ny olona-satria taona vitsivitsy tsy nandeha intsony- dia izao ny olona vao manomboka manao izay fialan-tsasatra izay. Izany hoe raha ampitoviana ny tamin’ny taona lasa sy ny taona talohan’izao dia eo ho eo ilay taloha raha mitaha ny amin’izao, izay miha-mitombo, indrindra ny tamin’ny herinandro ity.
VAV : Tsy misy hoe antony noho ilay tena vakansa ve, tsy misy ifandraisany amin’ilay hoe Vakansa lehibe no antony ?
DGA : Ny fijeriko azy aloha tena ilay Vakansa lehibe mihitsy. Izay no antony maha-betsaka ilay mpandeha, indrindra ilay mankany amin’ny faritra. (…) Ny miala eto amin’ny tobim-piantsonana izany : eo ny RN1 Faritr’Itasy, faritr’i Bongolava, izany hoe Tsiroanomandidy sy Analavory sy faritr’i Soavinandriana iny. Dia misy Faratsiho ihany koa. Dia miala eto koa ny RN2 Toamasina, Brickaville, dia ny RN4, Betsiboka sy Boeny, Mahajanga. Ny RN5 Foulepointe, izany hoe faritra Atsinanana, Analanjirofo. Dia ny RN6 faritr’i Sofia, faritr’i Diana, dia SAVA koa moa ao anatiny, dia Nosy Be
VAV : Dia amin’ireo rehetrarehetra ireo, ilay mankaiza izany no mitana ny laharana voalohany ?
DGA : Ny faritr’i Boeny izany no hitako hoe… voalohany izany Mahajanga. Dia manaraka azy i Toamasina sy Nosy Be izay mifanakaikikaiky eo.
VAV : Nefa tsy Toamasina ve no akaikikaiky kokoa ?
DGA : Toamasina akaikikaiky kokoa. Fa ny fijeriko azy mitovitovy ihany.
VAV : Ny sarandalana ve amin’izao fotoana izao somary niakatra amin’izy vakansa io sa mitovy…
DGA : Ny sarandalana eto amin’ny Gare routière Andohatapenaka manokana dia efa misy peta-drindrina ao. Misy ny « basse saison » dia misy ny « haute saison » dia tsy mihoatra an’izay izay le sarandalana. Dia izay voasoratra eo amin’ny tabilao ihany izany no arahin’ny olona.
VAV : Andriamatoa DGA, manahoana kay izany ny faharetan’ny dia eny an-dalana ao anatin’izao fotoana izao ? Satria ohatra ny hoe, ny lalana ve izany izao efa mihatsara sa mbola ilay lay lalana teo aloha ihany ?
DGA : Ny faharetan’ny dia eny an-dalana izao no somary manahirana amin’izao. Satria Mahajanga izany teo aloha raha nataontsika teo amin’ny 11 ora na 12 ora, izao izy efa mahatratra hatrany amin’ny 15 ora amin’izao fotoana izao. Ho an’iny faritra Sofia iny izao, Ambanja, Nosy Be saika efa hatrany amin’ny 26 ora, 28 ora vao vita. Ho an’i Diego manokana moa izany, Antsiranana dia 36 ora any mihitsy vao vita. (…) Dia ho an’ny faritra atsinanana izao taloha isika nahavita an’iny 8 na 9 ora, izao efa saika 12 ora. Dia mafimafy kely aloha ilay lalana amin’izao isika miteny izao. Ny RN7 koa mitovitovy amin’izay ihany fa ny tena mba mpandeha RN7 ihany(…) Ny aty amin’ny RN6 indray manomboka eo Ambondromamy ka hatrany Ambanja, tena mafimafy ny mihinana an’izany lalana izany. Mifanohitra amin’izay ny etsy Ambalanjanakomby amin’ny RN4 efa vitavita kely ihany.
VAV : Manahoana ny fandriampahalemana eny an-dalana ?
DGA : Tato ho ato aloha ny fandriampahalemana azo lazaina hoe milamindamina ihany. Taloha no nisy an’ilay hoe nitoratoraka sy ilay fanafihana kely ireny fa izao efa milamindamina. Io fotsiny ampirisihina ny rehetra hanao ilay antsoina hoe « caravane », mba miaraka maromaro rehefa amin’ny alina mba hisorohana an’ilay hoe… Mba hafa kokoa izany rehefa miaraka amin’ny alina. Fa na izany na tsy izany efa mahita ihany mpitandro ny filaminana amin’iny RN4 iny miatrana amin’ireny toerana… « point noir » moa no fiantsoana azy.
VAV : Efa mandeha moa ny fanamboarana lalana izao sa mbola tsy mandeha… ?
DGA : Ho an’ny RN2 izao no tena efa hitako. Izaho vao nidina tany 2 herinandro, efa hitako mba misy vitavita izao aty Manjakandriana, mihoatra iny Marozevo iny(…) Fa ny tena mafibe amin’ny RN2 dia hatreo Andranomafana ka hatrany Ampasamadinika angamba izy izay, Brickaville iny tena mafimafy.
Resadresaka nangonin’i Ral
16 Août 2024