Voankazo an’Ala
Ny vahiny indray !
Miezaka manohana sy manampy antsika ireo firenena matanjaka any ivelany ary koa ny fikambanana iraisam-pirenena. Toy izay vao nataon’i Etazonia vao haingana teo. Ity firenena ity dia mamatsy vola tetikasa iadiana amin’ny fanondranana an-tsokosoko mankany ivelany ireo biby eto Madagasikara, toy izany koa ny kolikoly. Fa nahoana moa no ny Vahiny sy ny firenena hafa any ivelany indray no sarotiny sy miaro ireny harem-pirenena eto amintsika ireny ? Fa isika teratany malagasy ve izany tsy dia mahatsapa loatra ny lanjan’izany ? Vao andro vitsy monja, ohatra, izao no nahamay ny valanjavaboaharim-pirenena ao Isalo. Efa nentina teto talohan’izao ny momba ny atao hoe fananana iombonana. Indraindray dia tsatsoina foana isaky ny misy fanohanana na fanampiana ataon’ny any ivelany antsika eto Madagasikara eto fa hoe misy tombontsoan’ny vahiny ao matoa izy manao izany. Tsy lavina izany, saingy isika Malagasy ve izany tena tsy manana tombontsoa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika ? Raha ny marina ny ala velona ao amin’ny firenena iray, toy ny any Amazone any Amerika atsimo, ohatra, dia tsy ny firenena na ny mponina ao ihany no mahazo tombontsoa aminy fa ny firenena maneran-tany mihitsy. Raha ho antsika eto Madagasikara manokana dia efa misy koa ilay antsoina hoe famarotana Carbone avy amin’ny alalan’ny ala velona eto amintsika. « Aza mandrora mitsilany », hoy ny tononkiran’ny mpanankato malaza iray eto amintsika izay, mantsy ireo olona manimba ny tontolo iainana, toy ny ala sy ny biby, sns. Sao sanatria koa izy ity ho tonga amin’ilay ohabolana hoe « Valalan’amboa, ny tompony aza tsy tia ! »
Mandrato
16 Août 2024